Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Ahosina: (hosina), mt. at. (ahosino): Atao tonga boribory, na boribory lavalava. Ahitsio
Ahosina: (hosina), mt. fit. (ahoseno): Entina manafotetaka, atavona: Tsy manaiky a-ho fa nahosiny ny bokiko na arim-bilany. 1 mt. at.: Fotetahana loto, vovoka...: Ahoseno amin'ny vouoka ange iny akanjonao uaovao iny e! Ahitsio
Ahosotra: (hosotra), mt. at. (ahosory): Atao hosotra: Menaka manitra no nahosony ny volony ka nandraraka eran'ny trano. Ahitsio
Ahosy: (hosy), mt. fit. (ahoseo): Entina mihosy: Tsy nahita omby ahosy ny tanimbarinay aho. 1 mt. at.: Entimilaza ny zavatra asaina ho-sana: Ny tanimbarinaY amict hahosy uao ny anareo. Ahitsio
Ahotra: ft.: Ato, ianona, anona, anina. t.i.f.: Ahorina, voahotra I miahotra, fiahotra, mpiahotra / iahorana, fiahorana / mahahotra. Ahitsio
Ahotsaka: (hotsaka), mt. at. (ahotsahy): Alona, atsoboka, aroboka ao anaty rano. Ahitsio
Ahozongozona: (hozongozona) mt. fit. (ahozongozony): Entina manozongozona, manofokofoka: Baramina no nahozongozony ny vato. - mt. at.: Atao mihozongozona, mihetsiketsika: Nahozongozon'ny sasany ny fanjakana. Ahitsio
Ahy: ft.: Tahotra. - t.i.f.: ahina, voahy ) manahy, fanahy, mpanahy ) anahiana, fanahiana / miahy, fiahy, mpiahy / iahiana, fiahiana / ahiahy J miahiahy, fiahiahy, mpiahiahy / iahiahiana, fiahiahiana. Ahitsio
Ahy: mpisolo anarana misolo olona enti-milaza: ny olona miteny raha atao teny fameno: Raha van nahita ahy izy dia nandositra. •Raha milaza tompon-javatra: Ahy it? boky it?. ? Ny ahy: enti-misolo anaran-javatra ananana raha ny tena no tompony: La-fo kokoa ny satrokao noho ny ahy. Ahitsio
Aiay: a.: Karazan-gidro mpivoaka alina, tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara. Ahitsio
Aidina: (idina), mt. at. (aidino) Atao, alefa midina, entina ho amin'ny toerana iva na ambany kokoa: Aidino kely ilay latabatra ao ambony rihana. 1 Arotsaka (rano na voan-javatra): Aidino moramora ao an-tsinibe ny rano. / Naidina tao an-davabary ny vary rehetra. 1 Arendrika dia alatsaka ao anaty lasitra: Naidina fotsiny angamba it? antsy it? fa tsy mba notefena. Ahitsio
Aidinono: a.: Zavamaniry manampina ny fivalanan-dra (Euphorbia hirta). Ahitsio
Aiditra: (iditra), mt, at. (aidiro) Atsofoka ao anatin'ny...:Naiditro ny fanalahidy fa tsy nety. ? Ampidirina, alatsaka: Naiditro ao amin'ilay sekoly ao akaikinay ny zanako. Ahitsio
Aihina: na Ehina (aika), mt, ih. (aiho, eho): Atao mifatratra, rendrika: Noehina ny tany talohan'ny nananganan-trano. • Antsoina. vorina: Aiho (na eho) ny fokonolona fa hikabary ny filoha. Ahitsio
Aika: a.: Anaran-javamaniry fanao loko (Indigofera tinctoria). Ahitsio
Aika: a.: Toetran'ny zavatra tsara tery, mifanety tsara. ~ Fiantsoana olona maro ho vory; antso: Nanao aika atm ny mpiadidy ho ren'ny vahoaka. - t.i.f.: aihina na ehina, voaika, tafaika / manaika, fanai-ka, mpanaika 1 anehana, fanehana / miaika, fiaika, mpiaika 1 mahaika. Ahitsio
Aikany: na Ekany p. rat.: Eny, hay tokoa! Ahitsio
Aikany: p. mt.: Eny, ekany. Ahitsio
Aiky: na Eky ft.: Fankatoavana, tsy fandavana. t.i.f.: ekena, voaeky / manaiky, fanaiky, mpanaiky / anekena, fanekena / miaiky, fiaiky, mpiaiky / iekena, fiekena / mifanaiky 1 mampifanaiky / fifanekena 1 ampifanaikena. Ahitsio
Aila: (ila), mt. at. (ailao): Ivarotana ampahany na antsasany: Toa tsy amidin-dRabe daholo, hono, itY taniny itY fa ailany fotsiny. 1 Atokana: Ailao ireto boky ireto fa houidiko rahariva Ahitsio