Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Aiza: p. mt.: mpamaritra matoanteny: enti-manontany toerana: Aiza ianareo no mipetraka? / Aiza ny rainao? 1 Enti-miangavy, mitovy hevitra amin'ny hoe nday: Aiza io boky io, ry Naioo a! - F.-p.: Ho aiza: enti-manontany ny tany haleha: Ho aiza ianareo rahampitso? // Auy taiza?: enti-milaza ny toerana avy naleha: Avy taiza ianao no toa vizana dia uizana? ll Auy aiza?: enti-manontany ny tany niaviana: Avy aiza moa ry Rabe ato atsimo ireny? — Avy any Ambatolampy izy, tompoko. llMankaiza: mandeha ho aiza: Mankaiza moa, ry ise, itY fiaran'ny tantsaha it'? // Aiza ho aiza: enti-manontany izay tokotokony ho toerana misy zavatra iray raha avy eo amin'ny toerana iray efa fantatra: Aiza ho aizan'ny Lapan'ny tanàna no misy anareo? / Enti-mampitaha, ka ilazana fa misy elanelany lavitra: Tsy mianatra mihitsy ise, ry Isambilo; aiza ho aizan'ny fahaizan'Ikoto ato avaratra ny fahaizan'ise! Ahitsio
Aizana: a: Ny zaza manan-jandry ao an-kibo: Firy taon izao ny anao ny aizana? 1 t.i.f.: manaizana, mifanaizana. - F.-p.: Be no aizana: zaza efa lehibe vao mitsaika ao an-kibon-dreniny ny zandriny. Ahitsio
Ajadona: (jadona), mt. at. (aja dony): Atao mijadona, atsatoka; terena hatao ka tsy azo valiana. Ahitsio
Ajafajafa: (jafaiafa), mt. at. (ajafafafao): Asaina mijafajafa mikiakiaka. Ahitsio
Ajajajaja: (jajajaja), mt. at. (ajajafajao): Asaina mikiakiaka. Ahitsio
Ajajirika: (jajirika), mt. at. (ajajiriho): Asaina mijajirika, mijoro mitsangana tsy mihetsika: Najajiriny teo amin' ny orana teo ny mpianatra Ahitsio
Ajàka: (jaka), mt. at. (ajakao): Atolotra, atao jaka na fanomezana amin'ny Fandroana: Inona no hajakanao ny ray aman-dreninao amin'ito? Ahitsio
Ajale: (Ski) o,: Tsiny fototry ny loza (fitenin'ny mpisikidy). Ahitsio
Ajaly: (jaly), mt. at. (ajalio): Ampahorina, ampitondraina fahoriana mafy. Ahitsio
Ajananaika: Ajananaka (fananaika, jananaka), mt. at. (ajananaho): Avala hivoaka tsy an-kiato (rano, ra), afantsitsitra: Najananakan'i Bozy ny ran'ilay akoho novonoiny ka nahasosotra. Ahitsio
Ajanjana: (janjana), mt. fit. (ajanjano): Entina miianjana, mamely amin'ny zava-maranitra, mikapa. Ahitsio
Ajanona: (janon), mt. at. (ajanàny): Aato, tsy tohizina: Najanona ny fanaovan-trano fa lany ny vola. 1 Tsy avala hanohy ny dia: Najanon'ny mpamily teny antenatena lalama izahay. 1 Avala: Najanony teto ny zanany fa lasa izy. Apetraka: Ajanony tsy hianatra intsony ity zanakao itY fa efa lehibe nefa tsy manan-tsaina. Ahitsio
Ajaradona: (jaradona), mt. at. (aiaradony): Ajoro mahitsY. Ahitsio
Ajaridina: (jaridina), mt. at. (ajaridino): Ajoro mahitsy tsara tsy mihetsika. Ahitsio
Ajarika: (jarika), mt. at. (aiariho): Ajoro ela miandry. Ahitsio
Ajaroboka: (jaroboka), mt. at. (ajarobohy): Asoka na alentika ao anaty rano, avarina ao anaty rano tsy hipoitra. Ahitsio
Ajedana: (jedana), mt. at. (ajedano): Vonoina atao jihitra: Andro lehibe tamin'izay ka najedana daholo ny vorombe sy ny vorontsiloza Ahitsio
Ajehojeho: (jehojeho), mt. at. (ajehojehoy): Ampandehanina mora. Ahitsio
Ajejajeja: (jejajeja), mt. at. (ajejajejao): Arehitra be mba hilelaka, hitambolimbolina ny lelafo. Ahitsio
Ajery: (jery), mt. fit. (ajereo): Entina mijery: Maso tezitra no najeriny ahy. Ahitsio