Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Aka: ft.: Fangalana. t.i.f : alaina 1 maka, faka, mpaka 1 akana, fakana 1 mampaka 1 mifampaka 1 am-Pakana. Ahitsio
Aka: ft.: Fodiana (adala na marary...), safary. - t.i.f.: akaina, akavina 1 manakà, fanakà / anakana, fanakana 1 miakà, fiakà, mpiakà 1 iakavana, fiakavana. Ahitsio
Aka: a.: Teny fampiasan'ny zazalahy na ny tovolahy hilazana olona tsy tononina anarana: Ray aka: ilay iny. Ry ilay aka: ry zalahy. Ry ilay aka ireo no nitifitra ny voromailalanao. Ahitsio
Akabary: (kabary), mt. at. (akabario): Enti-milaza ny antony itenenana, ibedibedena. Ahitsio
Akabo: a.: Teny fampiasa amin'ny sikidy. Ahitsio
Akademia: (h, académie) a,: Fikambanan'olona manampahaizana, mpanoratra, mpanao fikarohana momba ny antokom-pahalalana samihafa. - Akademia Malagasy: Akademia naorina tamin' ny 23 Zanvie 1902 mba handinika sy hamakafaka ny momba ny teny, tantara, toe-tany, biby sy zavamaniry eto Madagasikara ary ny fomba amam-panaon'ny mponina, haisoratra, zavakanto hi-ta eran'ny Nosy. Ahitsio
Akady: (kady), mt. at. (akadio) Atsangana hatao kady: It? hazo it? akady eo amin'ny tanintsika. Ahitsio
Akafankafana: (kafankafana), mt. at. (akafankafano): Asaina mikafankafana, mikamentsona, mikafara. Ahitsio
Akahankahana: (kahana), mt. fit, (akohankahano): Entina miantso. Ahitsio
Akaikitra: (kaikitra), mt. fit. (akaikero): Entina manaikitra: Ny uanginy no nakaikiny ny tongotro. Ahitsio
Akaiky: p.t.: Tsy lavitra: Aza matahotra ianao fa akaiky ihany nr tranonay. ? Antomotra na akaiky ara-potoana: Efa akaiky itv ny fanadinana, rankizy, ka mikezaha mafimafy kokoa indray. ? ppk.: Anila, ankila: Mipetraha eto akaikiko ianao. *Mi-. mifanolotra, mifanolobodirindrina: Akaikin'ny tranonay ny fonenany. ~ Tsy lavitra ara-pihavanana: Akaiky anay kokoa Rakoto noho ianao, satria zanak'olo-mpirahalahy izahay, fa isika kosa mbola zafin'ny mpianadahy. 1 t.i.f.: akekena, akekezina 1 manakaiky, fanakaiky, mpanakaiky / anakekezana, fanakekezana / mihakaiky 1 mampifanakaiky /ampifanakaikezina. - F.-p,: Akaiky jerena: ilazana toerana izay toa akaiky raha tazanina, nefa lavitra rehefa aleha; lauitra akaiky: ilazana toerana izay akaiky ihany raha alaina an'eritreritra na tombanana atao toratady, fa ny lalana mankany no lavitra; mamely akaiky: mamely olona eo akaikin'ny tena amin'ny safeli-teny; mandry akaiky: miala man-dry nefa tsy lavitra ny tranon'ny tena (avy amin'ny ohab. hoe: Mandry akaiky ohatra ny menaka). * Ohab.: Ny akaiky vilany feno arina: izay tratra antso no mahazo fahasahiranana rehefa misy ilana fanampiana. Ahitsio
Akaina: Akavina (akà), mt. ih. (akao na akay): Odiana tsy fantatra, lalaovina, hanihanina. Ahitsio
Akainkona: (kainkona), mt. at. (akainkony): Atao mikainkona, miforitra: Nakainkon' ilay marary ny tanany ka taitra daholo ireo hauany. Ahitsio
Akaito: t.p.: aoka fa! Ahitsio
Akaka: (kaka), mt. at. (akakao) Atao kaka, asisika mba hanohana: It? sila-hazo it? akaka eo. Ahitsio
Akaka: a.: Fiakanakanana, fivakavakana, fihambahambana. t.i.f.: Miakakà, fiakakà, mpiakakà 1 iakakana, fiakakana. Ahitsio
Akakakaka: (kakakaka), mt. at. (akakokakao): Asaina mikakakaka na mihomehy manao feo mafy toa rano vaky. Ahitsio
Akalana: a.: Karazam-panaky ny Ntaolo, iva, fohy tongotra, natao fitoerana raha kely ary fikapana hena raha lehibebe; avy amin'it? karazany faharoa it? no niavian'ilay fomba fiteny manao hoe: Misolo uaika ny akalana ha mikapa hena ambon y fe. - t.i.f.: Akalanina. ~ F.-p,: Akalam-bay: fakan' aretina amin'ny vay, izay manjary nana fotsy ao anatin'ny vay raha tsy afaka, ka mety mbola hanararaotra ny vay. Ahitsio
Akalanina: (akalana) kit. ih. (akalano): Asiana akalana. Ahitsio
Akalo: a.: Fanoto. Ahitsio