Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Akipily: (kipily), mt. at. (akipilizo): Alefa hirimorimo, atoraka: Nakipiliny teny amiko ilay tehina. Ahitsio
Akiramborambo: (kiramborambo), mt. at. (akiramboramboy): Avela hikirazorazo, hitaritarika avy ao aoriana: A-za akiramborambo toy izao ny zoron-dambanao. Ahitsio
Akiraro: (kiraro), mt. at. (akiraroy): Enti-milaza ny kiraro atao amin'ny tongotra: Tsy hitako izay hakiraro azy, fa makadiry loatra ny tongony. Ahitsio
Akiraviravy: (kiraviravy), mt. at. (akiraviravezo): Atao mikiraviravy, atao mikirazorazo: Aza akiraviravy any ivelan'ny lavarangana ny tongotrao. Ahitsio
Akirazorazo: (kirazorazo), mt. at. (akirazorazoy): Ahantona mihevaheva tsy mitehi-tany. Ahitsio
Akirindro: (kirindro), mt. at. (akirindroy): Atao matevina, mifanety: Aza akirindro ny fambolinao ireto zanakazo ireto. Ahitsio
Akiririoka: (kiririoka), mt. fit. (akiririohy): Entina hikiakiavana. Ahitsio
Akisa: na Kisa a.: Ady tadiavina amin'ny zavatra tsy misy antony, ady amin'ny tsinontsinona: Mila akisa lava izao amin'Ikoto ny zanaky ny ato avaratra. ¶ M.h.: tonony, vaniny, antsongony, antsontsanY, antendrivary. Ahitsio
Akisa: (t.tr.), p. t.: Mpampihomehy, mpanao kivazivazy, tia vosotra, tia sangy. ¶ M. h.: mahatsikaiky, hatsikana, arira, satriatria, mariadriaka. Ahitsio
Akisaka: (kisaka), mt. at. (akisaho): Afindra toerana tsy lavitra: Nakisany fotsiny ilay vato dia lasa izy, fa tsy navariny any an-kady. / Akisaho ny sezanao fa tsy mahita aho Ahitsio
Akitakita: (kitakita), mt. at. (akitakitao): Aforiporitra. ? A-tao ratsy fitondra, levilevena. Ahitsio
Akitamby: (kitamby), mt. at. (akitambio): Atao kitamby. Ahitsio
Akitika: (kitika), mt. fit. (akitiho): Entina mikitika, manohina. Ahitsio
Akitikitika: (kitikitika), mt. fit. (akitikitiho): Entina manitikitika, manibokibo: Ahitra no nakitikitiny ny zazakely ka torantorana er? ilay zaza. Ahitsio
Akitoatoa: (kitoatoa), mt. at. (akitoatoavy): Atao kisendrasendra. Ahitsio
Akitra: (kitra), mt. fit (akitrao) Entina mampiady: Tsy nahita zavatra hakitra ny angely izy ka lasa. Ahitsio
Akitrana: (kitrana), mt. at. (akitrano): Asaina mikitrana, miady; ampiadina. Ahitsio
Akitroka: (kitroka), mt. at. (akitrohy): Terena hiady tsara: Nakitrony ny nifiny sady navandravandrany ny masony. Ahitsio
Akivilivily: (kiuilivily), mt. at. (akivilivilio): Ahetsika mankatsy sy mankaroa, akipilipily: Akivilivilio ny tananao dia hafana ianao. • Ahodinkodina: Nakiviliviliny ny antsamotady ka nahavoa ny omby ny vato. Ahitsio
Akivy: (kivy), mt. fit. (akivio): Entina hanakivy, manaketraka. Ahitsio