Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Akolikoly: (kolikoly), mt. fit. (akolikoleo): Entina manolikoly, manambitamby, manangoly: Fampanantenana vola be no nakolikoliny ilay namany. Ahitsio
Akoma: a.: Bibilava Inhibe sy matan,iaka. Ahitsio
Akombona: (kombona), mt. at. (akombbny): TsY vela-rifla: Akombony ny bokinareo. • Hidiana, tsy sokafana: Nakombony tsara ny vavany. • Fihinina, fiazana: Akombona ao anaty tanana ny vola. Ahitsio
Akomby: (komby), mt. fit. (akombio): Entina manafana: It? lamba it? akomby ny mpifana. Ahitsio
Akondro: a.: Hazo fihinamboa, boribory ny vatany, mitapelaka boribory lavalava ny raviny, ny voniny fotsy madinidinika ary ny voany, bontolontolo lavalava, mitandahatra mikambana ho lafitra, izay milsa maromaro manodidina ny tahom-boany mdofika miafara amin'ny emboka. Voankazo mamy ny akondro, tsy mba misy olitra na biby, vokatra mandavan-taona ary saika maniry eran'ny nosy, porofoin'ny fisian'ny anarany samy hafa hatraiza hatraiza: fontsy na ontsy, katakata, kida, anampisaka, kimalao... Misy karazany maro ny akondro: afontsy, batavia, boroboaka, mavokely, ranjalia, sarika, tsiemeroa, tsilavonomby der. ireo teny ireo). Ahitsio
Akonesa: (konesa), mt. at. (akonesao): Akisaka, taritina. Ahitsio
Akonetaka: (konetaka), mt. at. (akonetaho): Ampihantaina, avala hikoneta-dava. Ahitsio
Akopaka: (kopaka), mt. at. (akopahy, akopaho): Hetsiketsehina: Akopahy ny tsihy fa be vouoka. 1 Ahofahofa: A-kopaky ny rivotra ny sain eny an-tampon'i Manjakamiadana. ~ Asaina mihodina: Akopahy ny riuotra ny uaraoarana. Ahitsio
Akopoka: (kopoka), mt. at. (akopohy): Ahetsiketsika, korofohina: Aza akopoka ny a-fo sao maty. ~ Hofokofohina: Nakopok'ilay kary ny akohonay dia maty. Ahitsio
Akora: a.: Antsoantso mafy, mety ho mari-pifaliana entina mihoby na midera, na ho mari-panesoana entina mandatsa na manebaka. t.i.f.: Akoraina, voakora / manakora, fanakora, mpanakora ) anakorana, fanakorana. Ahitsio
Akora: a.: Fonom-biby na fonon-javatra, fotsifotsy, mafy, mitovy toetra amin'ny sokay, izay miforona avy amin' ny zavatra mandrakotra ny biby ihany: Ny akoran'ny sifotra, na avy amin'ny zavatra haniny: Ny akoran'atody. Ahitsio
Akora: (Ski) a.: Sifotr'ala. Ahitsio
Akoraina: (akora), mt. ih. (akoray): Esoina amin'ny akora: Tandremo fa izay latsa-bato an-tanana akoraina. Ahitsio
Akorâka: (koraka), mt. at. (akoraho): Ampikiakiavina, asaina mibaboka, miaiky. Ahitsio
Akoralava: a.: Antsoantson'olona maro tsy misy fijanonany. Ahitsio
Akoran-javatra: a.: Anarana o-mena ireo harena sy vokatry ny tany, toy ny metaly tsy voaempo, ny landihazo..,, tsy mbola voahodina ho zavatra azo ampiasaina. Ahitsio
Akorâna: (korana), mt. at. (akorano): Asaina miresaka falifaly. Ahitsio
Akorandendy: (korandendy), mt. at. (akorandendeo): A-safotofoto tsy misy fi-laminana: Nahoana re no nakorandendy toy izao ny entana ato an-trano e! Ahitsio
Akorany: a.: Fonon'ny atody, izay mitovy toetra amin'ny sokay, feno loadoaka madinika izay idiran'ny rivotra niainan'ilay zana-borona fony tao anaty atody; ny akora dia mivoatra avy amin'ny ranon-tsokay marihidrihitra mipoitra avy amin'ny faramparan'ny fantsona ivoahan' ny atody fa rehefa tafavoaka ka tratran'ny rivotra io ranon-tsokay io vao mihamafy tonga akora. Ahitsio
Akorapaka: (korapaka), mt. at. (akorapahy): Ampanaovina haingana, asaina atao maika, akopapaka. Ahitsio