Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Akororosy: (kororosy), mt. at. (akororosio): Atambotsotra hidina, akorotsaka, aongana. Ahitsio
Akorosy: (korosy), mt. at. (akorosio): Atao mikorisa sady atosika. Ahitsio
Akorotsaka: (korotsaka), mt. at. (akorotsaha): Aidina; akoriana: Rano mahamay no nakorotsany tamin'ny lohako. / Nakorotsaka tao an-daua-bary ny uary . Ahitsio
Akory: p. rat.: Fanontaniana toetoe-javatra: Akory ianao: manao ahoana ianao? - F,-p.: Akory izato izy: mitovy amin'ny akory ianao; / manao akory: miarahaba; / mifanao akory: mifampiarahaba; / tsy akory: fanamafisana bebe kokoa ny fandavana: Aza miantehitra aminy ianao fa tsy ho avy izy tsy akory; / tsy ,.. akory: tsy velively, tsy ... na kely aza: Tsy fantatro akory izay lazainao; / akory hatao: enti-milaza tsy fahitana hevitra na zavatra hafa hatao intsony. Ahitsio
Akosesy: (kosesy), mt. at. (akoseseo): Atao haingana tsy misy fiatoana: Akosesy loatra ny asa eto ka tsy vitako intsony. Ahitsio
Akosina: (kosina), mt. at. (akoseno): Avala hihosina amin'ny loto, asaina miaraka amin'ny olona tsy mitovy saranga. Ahitsio
Akositra: (kositra), mt. fit. (akosiro): Entina manakositra na maka afo, amin'ny fampihodinana hazo kely eo ambonin'ny hazo iray hafa. Ahitsio
Akosoka: (kosoka), mt, fit. (akosohy): Entina mikosoka, na manala loto amin'ny fikosehana mafy: Taolan-katsaka no akosoky ny olona sasany ny lam ba sasana. Ahitsio
Akotana: (kotana), mt. at. (akotany): Asaina mikotana, akorontana; ampikomina. Ahitsio
Akotifahana: a.: Lamba landy izay vita tenona mihitsy ny sorany. Ahitsio
Akotrana: (kotrana), mt. at. (akotrano): Avala hikotrana, hikatroka: Nakotran'ny saka tao an-dakozia tao ny vilany. Ahitsio
Akotrefaka: (kotrefaka), mt.at. (akotrefaho): Asaina mandringa, akotringa. Ahitsio
Akotretrika: (kotretrika), mt. at. (akotretreho): Avelahitomany lava, hifararemotra, hiketriketrika. Ahitsio
Akotrika: (kotrika), mt. at. (akotreho): Asaina kotrehina, ampikotrehina: Atody telopolo no nakotrik'i Lita ka roapolo no foy. Ahitsio
Akotringa: (kotringa), mt, at. (akotringao): Atao mikotringa: Nahoana no akotringa i-t? tongotrao havia? Ahitsio
Akotroka: (kotroka), mt. at. (akotrohy): Atao mikotrokotroka, mirohondrohona: Akotrohy kely ny orga fa fety anio. ? mt. fit.: Ampiasaina mba handrahoana, entina mahandro: Vilany iza no akotroka ireto oomanga ireto? Ahitsio
Akotry: a.: Voam-bary tsy voatoto; ny vary tsy afa-kodiny: Be akotry izany uary izany. ? F.-p.: Eran'akotry, lanjan' akotry: kely bitika, variraiventy: Axa manantenainona amin'ny fananako ialahy, ry Bema, tsy hahita eran'akotry ialahy akory; / mamaky akotry: fetsy, kapetsy (M.h. jer. Fetsy); mahihitra (M.h. jar. Mahihitra). Ahitsio
Akotsa: (kotsa) mt, at. na fit. AlĀ« (akotsao): Entina manakotsa, mandena tanteraka. Ahitsio
Akotsaba: (kotsaba), mt. fit. (akotsabao): Entina mampamoaka feo ny rano itsapahan'ny tongotra. Ahitsio
Akotsetsa: (kotsetsa), mt. at. (akotsetsao): Asesy lazaina ka tsy misy handatsahan'ny sasany akory, aroso lazaina tsy iandrasana ny tenin'ny sasany ho vita akory. Ahitsio