Barota | : | a.: Vanja fampiasa amin'ny tafondro na amin'ny fampikoavana tany na man-da; vanja alevina.
Ahitsio |
Bary | : | Baribary p.t.: Enti-milaza ny maso misokatra sy mihiratra tsara ary falifaly: Bary maso, baribary maso.
Ahitsio |
Basasaka | : | Jer. Bosasaka.
Ahitsio |
Basesa | : | (Tsm) a.: Karazan-dihy sy hira mampiavaka ny foko betsimisaraka .
Ahitsio |
Basibasy | : | a.: Kilalao misarimbasy.
Ahitsio |
Basila | : | (fr, bacille) a.: Mikraoby miditra amin'ny antokon' ny bakteria, miendrika tehina kely kilavalava amin'ny fahitana azy amin'ny mikraoskopy, fototry ny aretina maro toy ny raboka.
Ahitsio |
Basirano | : | a: Karazam-pitaovana ampiasain'ny dokotera hanadiovana amin'ny rano ny ao anatin'ny tena: na ny tsinay izany raha sendra mitohana tsy mahavalana na ny tranonjaza rehefa avy miteraka. (Misy zavatra telo amin'ny basirano dia ny fitoeran-drano, ny fingotra lava fandehanan'nY rano ary ny vavam-basirano).
Ahitsio |
Basivava | : | p. t.: Enti-milaza: Olona mpiteniteny izaitsizy, mipoapoa-bava toy ny basy: Tsy nahita olona basivava ohatra an'iny Rakoto iny aho: izany lahy ka azy irery ny fitenenana mandritra ny adiny iray. ? Olona mpilaza habobo, mpirehaka. • Olona tsy mahatam-bava ka milaza izay tsy tokony bambara: Ise indray izao, Rabary, no basivaua nitantara izany tany amin-dry zoky tany.
Ahitsio |
Baskety | : | (fr. basket-ball) a.: Lalao fanatanjahantena misy mpilalao dimy an-daniny avy ka ny ifaninanan'izy roa tonta dia izay hampidirana baolina imbetsaka indrindra ao anatin'ny haraton'ny an-kilany avy.
Ahitsio |
Basy | : | a.: Fiadiana ampiasaina hitifirana amin'ny bals asesiky ny vanja. (Ny tenan'ny basy dia hazo, fa vy kosa ny fem-basy sy ny vy lavalava boribory fivoahan'ny bala).—•-? F,-p.: Basy ambiaty: kibasibasy atao amin'ny ambiaty. / Basy katsaka: kibasibasy atao amin'ny tahon-katsaka. / Basy kely: basy misy vimiaina manosika balakely, kilalaon'ankizy. / Basy maro voua: basy mahalefa hala ma-ro mifanesy, nefs fahanana indray mandeha monja. I Basy maty: basy efa simba tsy mipoaka intsony. • H. o.: Enti-milaza olona tsy mahalala menatra, tsy valahara, nanaovana ny mt. hoe mibasy maty: Tsy menatra manao ratsy. I Basy pole ta: basy fohazo barika hy azo andefasana hala maro mliesy. I Basy tsy mitent': h.o.: tetika na fiokoana miafina tsy fantatra raha tsy efa tonga ny andro hanatanterahana azy. / Basy volotsangana: kibasibasy atao amin'ny volotsangana ary ampiasaina amin'ny asampinga na amin' ny fanazaran-tena. * Ohab. sY Fiten.: Basy atifikavana ka arangaranga ihany: Enti-milaza fa tsy mba mihatsaravelatsihy ny tena ka na hamely aza dia aharihary ny atao. / Basi-na ariary Tito: tsy takatry nt' ory, tsy tian'ny mpanana (fer. A-triatry)• 1 Basy angalisa roui-haro (ilay hazo tahony io): anaran-tsy very no sisa: entimilaza zavatra, na olona koa aza, izay nahavita be tamin' ny androny, nefa efa antitra na simba ka ny anarany sisa mijanona.
Ahitsio |
Basy | : | t. p.: Aoka izay! mangina!
Ahitsio |
Bata | : | ft.: Enti-milaza fanaingana zavatra amin'ny tanana. 4 t.i.f.: Bataina, abata, voabata, nobinata J mambata, fambata, mpambata J ambatana, fambatana / mibata, fibata, mpibata / ibatana, fibatana / mahabata.
Ahitsio |
Bataina | : | (bata) mt. ih. (batao): Aingaina amin'ny tanana: Tsy zaka bataina io vata io.
Ahitsio |
Batanina | : | a.: Mitovy amin'ny Batàna.
Ahitsio |
Batata | : | (fit.-p.) a.: Vomanga.
Ahitsio |
Batavia | : | a.: Karazan'akondro bozenizeny fa be voa.
Ahitsio |
Batemy | : | (fr. baptême) a: (Fiv. kat.) Sakramenta iterahan'ny olona ara-panahy amin'ny fidirana ho isan'ny kristianina zanak' Andriamanitra satria voadion'ny rano tamin'ny fahotana izy. –.
Ahitsio |
Baténa | : | a.: Hazo andraiketana ny tolana amin'ny varavarana. ¶ M. h.: Batanina.
Ahitsio |
Batera | : | (fr. tabatière) a: Anaran'ny tongobolo fitoeran'ny paraky kisoka.
Ahitsio |
Bateria | : | (fr. batterie) a.: Manda mafy. 1 Rarivato na fototra amin'ny fanorenan-trano na tamboho avo.
Ahitsio |