Litera b

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Beo: a.: Feo manahaka ny fibarareokan'ny ondry ka entina miantso io karazam-biby io. Ahitsio
Beravina: a.: Enti-milaza karazan-javamaniry anankiroa, izay ny iray mamoa mitandahatra misy fofony (Cretalaria Soltiana-Légumineuses) ary ny faharoa, irony begonia fanaovana haingon-tanimboly. Ahitsio
Beriberia: (fr. béribéri) a: Aretina mahatonga reraka sy malemy ary manirano eo amin'ny ranjo, vokatry ny tsy fisian'ny vitamina B1. Ahitsio
Beririnina: a.: Anarana nilazana ireo mpandranto fahiny izay tsy niala teto Imerina tamin' ny fotoanan'ny tazo, ka tsy nidina tany ambany ravinkazo raha tsy tamin'ny ririnina, fotoana tsy misy tazo. Ahitsio
Beritelo: (fr. bretelle) a.: Zavatra toy ny tady vita amin'ny lamba na amin'ny hoditra, fitanana ny pataloa na ny akanjo tsy hiborotsaka. Ahitsio
Beroberobazaha: a.: Jer. Anambaraka. Ahitsio
Beroberoka: a: Anaran-javamaniry toy ny anana fanome ny bitro na ny kisoa. (Marina): Lactuca indica. L. (Composées). (Sihan.): Sonchus aleraceus L. * Ohab.: Anamamy no irai-sana, ka beroberoka no isarahana: Enti-milaza fifankatiavana tsara fanomboka fa nia-faxa tamin'ny ady. Ahitsio
Berohina: (beroka) mt. ih. (berohy): Itenenana teny tsy fantatra, teny vahiny. Ahitsio
Beroka: a: Teny tsy mazava, tsy fantatra fa miboredika toa mitabataba fotsiny. - t.i.f.: Berohina I miberoka, fiberoka, mpiberoka 1 iberohana, fiberohana 1 mahaberoka. Ahitsio
Besavily: a.: Anarana niantsoana ny ondry fahiny. Ahitsio
Besisika: a.: Karazan-trondrondranomamy lehibe sady tsara nofo (Megalops cyprinoi, des). Ny ahafantarana azy dia ny volony fotsY mova tsy ny voahoso-bolafotsy vasobasoka, ary ny vonon-damosiny misy tsiratsiraka lava; halavany: 60 sm., fa ny lanjany, misy maro no mihoatra ny 1 kilao sy sasany. Ahitsio
Beso: a.: Amin'ny hiia misy feo maro, ilay fizaram-peo ambany indrindra, feo ambany sy migoboka: Ny lehilahy lehibe no matetika manao ny beson-kira. - F.-p.: Beso fisaka: beso tsy dia migoboka loatra, beso maivana. Ahitsio
Besofina: a: Zavamaniry fanao kofehy ny hodiny. Ahitsio
Betafoaka: a.: Karazan-kazo mandadina, izay ampiasain' ny olona hanamanimanitra ny toaka. Ahitsio
Betaimparasy: p, t.: Teny entina ilazana lamba na akondro na hodi-tava koa aza, izay misy pentimpentina maintY. Ahitsio
Betaka: (Tsm) p, t.: Fisaka sy boribory. Ahitsio
Betaly: a.: Rojo misy masombolafotsy sy vakana fitondran'ny manamboninahitra sy ny lehibe mianjaika, indrindra amin'ny fotoana fanaovana hasoavan-jaza. Ahitsio
Betefaka: a,: Sirahazo avy amin'ny zavamaniry iray atao hoe Tefaka. Ahitsio
Betongoa: a: Lalao mahery vaika itolomana omby eo amin'ny trafony (ny fitolomana omby eo amin'ny tandrony kosa dia atao hoe: savika omby). Ahitsio
Betra: (Tsm.) a: Tondro molotra ka ny ambany no atao la-va sy velarina; potsa-molotra. Ahitsio