Litera b

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Bofotra: a.: Jer. Bofona. Ahitsio
Bohafina: (bodaka) mi. ih. (bohafy): Abontsina '.io ngeza, asavovona be. Ahitsio
Bohaka: ft.: Enti-milaza fibontsinana ho ngeza. - t.i.f.: Bohafina, voabohaka, tafabohaka 1 manabohaka, fanabohaka, mpanabohaka 1 anabohafana,fanabohafana ) mibohaka, fibohaka, mpibohaka j ibohafana, fibohaf ana 1 mahabohaka. Ahitsio
Bohibohy: a.: Ham bo, fihamboana, ebo, fieboana. Ahitsio
Bohihy: a.: Fikirizana hitana ny hevitry ny tena, di-doha tsy azo ahodina. ¶ M. h.: Dohika, bohika, tohika. • Fanaovana an-keriny, bohika. - t.i.f.: Mibohihy, fibohihyf mahabohihy, bohihihihy. Ahitsio
Bohika: a.: Kiry sy di-doha. - t.i.f.: Mibohika, fibohika. Ahitsio
Bohirina: (bohitra) mt. ih. (bohiro): Atao mibontsina. Ahitsio
Bohitra: a.: Zavatra na toerana vorivory mibontsina mivohon-tsotro ¶ M. h.: Fivohitra, fivohintsotro, fivohom-pafana. - t.i.f.: Bohirina, abohitra 1 mibohitra, fibohitra, mpibohitra f ibohirana, fibohirana. Ahitsio
Bohy: a.: Fanosehana ny hafa hihataka mba hahazoana toerana bebe kokoa. • Fihetsika sy teny entina mampiseho hery amam-pireharehana. • Fitanana zavatr'olona amin-ditra. - t.i.f.: Tafabohy l mibohy, fibohy, mpibohy / ibohiana na ibohizana, fibohizana na fibohiana l mahabohy / bohibohy. Ahitsio
Boiboika: a.: Vay, fery maharitra ary manitatra. ¶ M. h.: Dridra, Ahitsio
Boika: Boiboika a.: Fivoahan' ny rano na ny ra mivoaka tsy an-kijanona avy ao anatin'ny tany na ny tena, fifantsitsirana. - t.i.f.: Aboiboika f miboiboika, fiboiboika, mpiboiboika / iboiboihana, fiboiboihana. Ahitsio
Boina: p, t.: Tsy miraharaha, tsy miahy: Vehiuwy boin-janaka Rauelo. Ahitsio
Boitra: ft.: Enti-milaza fisehoana mamorofotra, poitra mifantsitsitra. - t.i.f,: Miboitra, fiboitra f iboirana, fiboiana / mahaboitra 1 boiboitra. Ahitsio
Boka: a.: Aretina mandrakotra fery mirofotra ny tena manontolo, manomboka amin' ny tanna na ny tongotra. (Amin'io hevitra io anefa, dia ny teny hoe habokana no mazàna ampiasaina, fa ny hoe boka dia enti-milaza ny olona mararin'io aretina io, izay atao hoe marary hoditra): Maro ankehitriny ny trano itsaboana ny boka. - t.i.f.: Habokaina f voaboka f manaboka, fanaboka, mpanaboka f anabokana,fanabokana I manaboka f bokabokaf habokana fraboka. Ahitsio
Boka: (Ski) a.: Ny atin'ny voan'ny lombiry fanao amin' ny zanatsirika. 1 Tandroka tsentsenana volovolon-javatra na vovo-kazo atao fandrehetana paik'af o. Ahitsio
Bokabe: (Ski) a.: Karazam-bahy fanaovana fingotra ny voany. Ahitsio
Bokaboka: p. t.: Misy mivontovonto kely na mivotrovotro: Toa bokaboka itf voankazo itf izany ka tsy tiako. * Ohab.: Ataovy toy ny londy, ny bokaboka mameno ny kely andilana: aoka hifanampy ka ny manana tombony hameno ny tsy ampy. Ahitsio
Bokaina: na Habokaina (boka) mt. ih (bokao, habokao): Haratsina izaitsizy, alana baraka, zimbazimbaina: Aza bokainao, habokainao ny entanay. Ahitsio
Bokaka: a.: Ditin'akondro mora mirehitra raha vao maharay tselatr'afo avy amin'ny vato kapaika izay nampifampikasohina. Ahitsio
Bokàtra: Bokatraka p.t.: Enti-milaza ny soratra vaventy mibakabaka na rary misy elanelany be, na rary na tenona be maso. Ahitsio