Bonaka | : | Jar. Bonabona.
Ahitsio |
Bonanaka | : | p. t.: Sady lehibe no matavy, botrabotra sy botrefona. - t.i.f.: Mibonanaka, fibonanaka, mpibonanaka.
Ahitsio |
Bonara | : | a.: Karazan-kazo an'ala maniry indrindra any amin' ny tanin'ny Sakalava izay mampiasa ny hodiny amin' ny fanaovana tombokavatsa.
Ahitsio |
Bonenika | : | p. t.: Morabe, tsy moka mahery sady tsy rototra. - t.i.f.: Mibonenika, fibonenika, mpibonenika.
Ahitsio |
Bonga | : | a.: Sombin-tany mivaingana, dongona kely. ¶ H. i.: Tendrombohitra na havoana avo sady lehibe: Any ambadiky ny bonga roa ambin'ny foira 6 t.t.f.: Bongaina J mibongabonga.
Ahitsio |
Bonga | : | a.: Filazana, amin'ny foko sasany, ny vihina, na ireo vongana roa eo ambanin'ny filahiana, 4 Bongabe.
Ahitsio |
Bonga | : | a.: Anarana iantsoana ny sakoivy raha mbola tsy miofo ho voangory (amin'ny foko sasany).
Ahitsio |
Bongabe | : | a.: Aretina mahatonga ny bonga ho ngezabe sy makadiry.
Ahitsio |
Bongaina | : | p. t.: Mibongabonga: be bonga, ahitana sombin-tany mivaingana betsaka: Hafahafa izany aty aminareo izany fa tany bongaina, tany mibongabonga aoka izany.
Ahitsio |
Bongo | : | a: Hazo madinika akana heza fampandairana loko.
Ahitsio |
Bongo | : | a: Trano na lava-boalavo ipetrahany.
Ahitsio |
Bongo | : | p. t.: Enti-milaza ny tarehy na ny maso toa mivonto mivindimbindina: Bongo endrika izy. / Bongo maso ny zandrinao fa mahery mitomany. * Ohab.: Vivy nanitrika ka bongo mason'ny nahiny (ny sitrapony): enti-milaza nY olona voan'ny nataon'ny sitrapony ihany, nandrora mitsilany.
Ahitsio |
Bongo | : | (Ski) a: Fitsimponana ny sisa tsy voaotin'ny mpioty kabaro.
Ahitsio |
Bongo | : | a.: Sombin-tany mivaingana.
Ahitsio |
Bongo | : | a.: Anaran-kazo fakana loko mainty handokoana landy na kofehy, ary nampiasaina koa ho fanafody.
Ahitsio |
Bongo | : | a.: Anarana ilazana ireo fakofako sy zavatra malemilemy angonin'ny biby sasany mba hilafihany. ¶ H. i.: Trano tsizarizary sady iva: Trano bongo. * Ohab.: Trano bongo misy ronono ka sarotra atao maiahelo: enti-milaza fa na ny mahantra aza dia mety hanana izay mahasambatra azy.
Ahitsio |
Bonia | : | a. sady p. t.: Enti-milaza olona mahira-tsaina sy mahatsinjo lavitra ary mahavita zava-mahagaga amin'ny angano.
Ahitsio |
Bonia | : | p. t.: Enti-milaza ny maso misokatra tsara mahafinaritra, mahatehotia, baliaka. ¶ M. h.: Baholy.
Ahitsio |
Bonibony | : | a.: Aretina mamorofotra madinika mpamely ny zaza; ny bonibony dia manomboka amin'ny fanaviana maivamaivana sy aretin'andoha ary aretin-tenda kely, dia miseho amin'izay ny mamorofotra rehefa afaka indray na indroa andro; indraindray anefa, mety tsy hiseho ny bonibony, atao hoe milentika izy amin'izay, ka ratsiratsy kokoa aza izy amin'izay noho ny raha mise-ho.
Ahitsio |
Bonobonoka | : | a.; t.v.r.: Bonoka.
Ahitsio |