Litera b

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Bonohina: (bonoka) mt. ih. (bonohy): Rakofana tsara mba hafana. Ahitsio
Bonoka: a.: Fifonosana amin' ny fitafiana maf ana. - t.i.f.: Bonohina, abonoka, voabonoka, tafabonoka I manabonoka, mambonoka, fanabonoka, fambonoka, mpanabonoka, mpambonoka J anabonohana, fanabonohana / mibonoka, fibonoka, mpibonoka J ibonohana, fibonohana J mahabonoka J bonobonoka. Ahitsio
Bonoky: (Atf) a.: Toto-mangahazo afangaro amin'ny akondro ka andrahoina anaty ravin-dravinala. Ahitsio
Bononoka: a.: Mangahazo voavaofy ary nalona tao anaty rano mandeha nandritry ny efatra na dimy andro; rehefa tapitra io fetr' andro io dia sasana tsara ary andrahoina amin'ny entona, ary azo hanina amin'izay; ny bononoka izay toy ny an'ny faorimazy "camembert" ny fofony dia ankafizin'ny tantsaha, indrindra amin'ny faritr'Ambatolampy sy Arivonimamo. Ahitsio
Bonoraka: (boraka) mt. ih. misy tsofoka on : Voaboraka, borahina, vahana : Nobonoraka ny entany ka inona no tao hoy ianao Vato kely. Aposaka, ambara, aseho : Nobonorany tamiko ny tao am-pony. Ahitsio
Bonory: (bory) mt ih. misy tsofoka on : Voabory, borina na boriana : Tsy nobonoriny tsara ny rambon'it? alika US) ka hafahafa. Ahitsio
Bontana: o.: Taovolo atao mihorongorona hisy bokony eo an-katoka. - t.i.f.: Manabontana, f na abontana, mpanabontana J anabontanana, fanabontanana. a F.-p.: Tsy mahavaly bontana : matetika no mifanabontana ny vehivavy taloha, ka raha nisy olona nanabontana ny volonao, nefa aty aoriana tsy mba mety manabontana ny azy ianao, dia natao hoe Tsy mahavaly bontana ianao, izany hoe tsy mahavaly ny soa nataon'ny olona anao. Ahitsio
Bontana: p. t. : Fizihirana mitokana ; fivontosana izay miavaka. - t.i.f.: Mibontana, fibontana i ibontanana, fibontanana. Ahitsio
Bontana: a. : Karazam-bibikely mivelona eny amin'ny ravim-paraky. Ahitsio
Bontàna: (Ski) a.: Hazandrano kely be kibo, tsy azo hanina atody fa mahafaty. Ahitsio
Bontanaka: a. : Biby maintimainty toy ny fandaibe, sady volovoloina ihany koa saingy tsy mba mandratra ny lainy ; mipetaka mivangongo mitambatra ranoray eny amin'ny vatan-kazo loaka no mazàna ahitana azy. Ahitsio
Bontèna: a.: Karazan-kazo vaventy, anisan'ny ngeza eto ambonin'ny tany. Ahitsio
Bontolo: p. t.: VaventY makadiry ary iray tsy mivaky Kanety bontolo. - F.-p.: Bontolo fo : tokanteny, izany hoe tsY mba mivadibadika amin'ny teny ataony fa rehefa izay dia izay. / Lamba bontolo : lamba tsy mivitrana. / Olona bontolontolo : olona fohy nefa vaventy, boribory. / Manao bontolo fotsiny amin'izao : manao an'aina sy amborivory fotsiny, milaza hevitra an-terisetra sy tsy maintsy arahina na marina na diso. Ahitsio
Bontsina: a. : Fivontosana ; fizihirana na fibibahana fa somary malemy mievotrevotra. ? H.o.: Fampirisihana hanao ratsy ; famokisana. - t.i.f.: Bontsinina, abontsina, voabontsina i manabontsina, na mambontsina, fanabontsina, mpanabontsina / anabontsinana, fanabontsinana / fibontsina, mpibontsina / ibontsinana, fibontsinana / mahabontsina / bontsimbontsina. Ahitsio
Bontsinina: (bontsina) mt.ih. (bon tsino) : Atao mizihitra : Bontsino ny baolina fa noana izy izany. •H.o.: Ambosina, vokisana : Nobontsinin' olona izy maton nahavita izany. Ahitsio
Bony: a.: Jer. Abony. Ahitsio
Bora: (Ski) a : Enti-milaza ny katsaka izay vao miantomboka miforona ny voany. Ahitsio
Borabora: p.t. : Ratsy fehy, malemy fatotra : Borabora ny fehin'ny en tana fa ataouy mafimafy aloha vao mande-ha. • VaventY fa malemy Zazalahy borabora i Naivo vauenty fa kely aina. ? Mi-harda vatana, na ratsy fitafy : Borabora fitafY lava izao iny olona iny. • Malai-mihetsika, mitavozavoza : Olona borabora amin'izay rehetra ataony Rakoto. - t.i.f.: Boraboraina, aborabora, voaborabora, tafaborabora / mamorabora na manaborabora, famorabora na fanaborabora, mpamborabora na mpanaborabora 1 amoraborana, famoraborana / miborabora, fiborabora / iboraborana, fiboraborana 1 mahaborabora. Ahitsio
Boraboraina: (borabora) mt.ih. (boraborao) : Atao miborabora. Ahitsio
Boradaka: Jar. Baradaka. Ahitsio