Borahina | : | (boraka) mt.ih. (boraho) : Alaina ary vahana hisaratsaraka : Noborahin'ny Polisy nY entany tao an-tranony ka nahitana zauatr'olona maro. • Ambara, aseho tsy misy afenina : Borahy amiko ny ao an-tsainao.
Ahitsio |
Boraingina | : | na Boraingona a.: Fanaovana jadona amin-kery, fiteniko fe lehibe: Loza izany raha olona hanao didy boraingina: na tiana na tsy tiana, na mety na tsy mety, tsy maintsy atao. - F.-p.: Valy boraingona : valin-teny jadona tsy mifanaraka akory amin'izay tokony ho izy.
Ahitsio |
Boraka | : | Mivaha fatorana, misokatra fonosana, mivoraka. - t.i.f. : Borahina, aboraka, nobonoraka, voaboraka, tafaboraka 1 mamboraka na manaboraka, famboraka na fanaboraka, mpmmboraka na mpanaboraka 1 amborahana na anaborahana, famborabana na fanaborahana 1 miboraka, fiboraka 1 iborahana, fiborahana / mahaboraka / boraboraka.
Ahitsio |
Boraka | : | a : Anaran-javamaniry fampiasa atao fanafody.
Ahitsio |
Boraketra | : | (angl. brochet) a. : Efi-teny ( ).
Ahitsio |
Boramena | : | p.t. : Enti-milaza tarehy tezitra na menatra ka mena : Boramena teo no ho eo izy raha uao norahonandRakoto. f' a : Anarana omen'ny olona ny karazan'olona fotsy somary mena mba hanarabiana sy hanesoana azy.
Ahitsio |
Borarahana | : | (boraraka) mt.pdr. (boraraho) : Andrarahana zavatra, rano be dia be : Noborarahana rano ny lohany uao nisava ny hamamoany.
Ahitsio |
Boraraka | : | a.: Fandrarahana rano ka atao mitosaka sy mitobaka be. - t.i.f.: Borarahana, aboraraka / manaboraraka, fanaboraraka, mpanaboreraka 1 anaborarahana, fanaborarahana 1 miboraraka, fiboraraka / i-' borarahana, fiboraahana 1 mahaboraraka / boraradraraka.
Ahitsio |
Borasaka | : | a : Mitovy amin'ny hoe Boraraka.
Ahitsio |
Borataka | : | p. t. : Ngeza sy vaventy vahana ary matavy ; makadiry sady botrefana na botabota.
Ahitsio |
Borbka | : | a.: Mitovy hevitra amin'ny Baraka.
Ahitsio |
Boreda | : | a.: Anaran-javamaniry.
Ahitsio |
Boredehina | : | (boredika) mt.ih. (boredeho) : Tenenina baingana : Tsy fantatro izay teny noberedehiny teo.
Ahitsio |
Boredika | : | a : Tenin'olona ankisesy izay tsy azo tsara ny lazainy noho ny hafainganam-piteniny sy ny fanononany ratsy ny teny. • Teny tsy fantatra, teny baiko. - t.i.f.: Boredehina, aboredika 1 manaboredika, fanaboredika, mpanaboredika / anaboredehana, fanaboredehana miboredika, fiboredika, mpiboredika 1 iboredehana, fiboredehana / mahaboredika boredidredika.
Ahitsio |
Borera | : | p.t.: Malemilemy sy o-sa ; gorera : Zaza borera. - t.i.f.: Boreraina / manaborera, fanaborera, mpanaborera 1 miborera, fiborera / iborerana, fiborerana / mahaborera 1 borerarera.
Ahitsio |
Boreraina | : | (borera) mt.ih. (borerao) : Atao migorera, atao mivaroraka : Noborerainao ny entana ka aiza no tsy ho be uery.
Ahitsio |
Boresa | : | p,a : Votsa fihetsika, mitavozavoza. - t.i.f.: Miboresa, fiboresa, mpiboresa 1 iboresana, fiboresana / boresaresa.
Ahitsio |
Boretaka | : | p.t. : Malemy mandrevo na bodaka : Vary son boretaka. • Enti-milaza olona mipetraka mitsotra amin' ny tany tsy maharay tena. - t.i.f, : Aboretaka, voaboretaka, tafaboretaka 1 manaboretaka, fanaboretaka, mpanaboretaka 1 anaboretahana, fanaboretahana / miboretaka, fiboretaka, mpiboretaka / iboretahana, fiboretahana 1 mahaboretaka 1 boretadretaka.
Ahitsio |
Boriborina | : | (boribory) mt.ih. (boriborio) : Atao boribory, tsy asiana motiny na ambiny kely mihoatra, na banga hofenoina : Boriborio ho ariary zato re ny uidin'it? latabatra nataonao folo amby zato t? e!
Ahitsio |
Boribory | : | p.t. : Enti-milaza vaingan-javatra tsy misy zoronjorony na lavany sy sakany fa toy ny laoranjy na ny baolina : Boribory ny kanety ilalaaouan'ny ankizy. * F.-p.: Haxo boribory : hazo tsy nofisahana fa nendahan-koditra f otsiny, ka ampi'_ asaina atao andry, rairaindrihana.... / Valy boribory : valin-teny tsy mifanendrihendry fa ataotao fotsiny noho ny tsy fahampian-tsaina na ny hatezerana. / Olona boribory : olona tsy manan-kavana fa izy irery tsy ambra tsy lambo no sisa velona eto antany. - t.i.f.: Boriborina / manaboribory, fanaboribory, mpanabofibory / anaboriboriana, fanaboriboriana.
Ahitsio |