Litera b

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Bakobakoroa: a,: Teny ilazana ny feon'ny voromahailala. Ahitsio
Bakoly: a.: Karazan-kazo salasalany (5 na 6 metatra); ny raviny lehibebe mitarehi-na fo, ny voany ohatra ny haben'ny totohondry, ka misy voa 3 na 6 ao anatiny, izay akana diloilo anaovana savony na labozia. Anaran-kafa ilazana ny bakoly: savokara, savoga na mofotra. Ahitsio
Bakoly: a: Karazan-tanimanga madio sy madini-bolo izay amboarina mba hamiratra sy tsy ho tantera-drano ka anaovana fanaka, toy ny villa, kaopy, sady tsara tarehy no mihaia. Ahitsio
Bakora: p. toe.: Malemy toa mirorarora fa tsy mba mifintimpitina. • H.o.: Nofo bakora: Enti-milaza hatanorana vao misondrotra toy ny voninkazo vao mivelatra. Ahitsio
Bakotoka: (fit.-p.) a,: Lahy na vavy tokana tsy manan-jandry tsy manan-joky, vato boribory, tsy ary ambony tsy ary ambany. Ahitsio
Bakteria: (fr, bactérie) a: Karazana mikraoby zavamaniry, ka mitsinjara efatra indray izy ireo, dia ny basila, ny kaoka, ny vibrio ary ny spiroketa. Ahitsio
bala:Firaka boribory alefan'ny basy amin'ny herin' ny vanja. [Balana], [voabala], [nobinala] balabala, abalabala 1 balabalana. - F.-p.: Bala mangatsiaka, bala maty, baba sasatra: bala maty afo, tsy mipoaka, tsisy hery. l Baba mihanta: bala misisika any anaty nofo ka tsy mety miala ao raha tsy didiana. / Balam-basy, balantafondro; bala very maina: enti-milaza fikirizana na asa natao tsy nisy vokany. Bala atifi-danitra, bala atifi-potaka. * Ohab.: Bala asesiky ny vanja ka tsy mianina raha tsy any an-tampony: enti-milaza olona mikiry manao zavatra ka tsy mijanona raha tsy tonga amin'izay kendreny. Ahitsio
Balady: p. t.: Haingam-pandeha (mitovy hevitra amin'ny ma-lady ihany, saingy fahita indrindra amin'ny angano) Tongo-balady: tongotry ny bonia amin'ny angano, izay faingam-pandeha izaitsizy. Ahitsio
Balahazo: a.: Tolona mifamihina. Ahitsio
Balahazo: (Atd) a.: Mangahazo. Ahitsio
Balalengo: (Ski) a.: Karazan-kazandrano be taolana. Ahitsio
Balamaso: p. t.: Enti-milaza olona njola izay mitifitra mivoaka ny masony. Ahitsio
Balana:Mitovy dika amin'ny Balamaso Ahitsio
Balantony: Balangondangony p. t.: Tsara bika fatratra, lava vaventy kingakinga. Ahitsio
Balantsiny: (Ski) a.: Mahazàka manohana ny sakan-tsalazantsambo fihantonan-day. Ahitsio
Balaonina: (fr. ballon) a.: zavatra boribory goavana feno gaza maivana noho ny aera ka misavoana eny amin'ny habakabaka ary dia atosiky ny rivotra na ampandehanin' ny milina; nasiana fitoerana karazana lakam-piara mifatotra aminy izay nisy ny olona mpandefa sy ny mpandeha. Azo lazaina ho razam-ben'ny aroplanina ny balaonina. Kilalaon-jaza vita amin'ny tenan-javatra manify dia manif y (fingotra, kanikanin-kena) izay bontsinina amin'ny rivotra: Nividy balaonina te-Io ho an'ny zanany izy tamin'ny fety, nefa tsy nisy tapak 'andro akory dia vaky daholo izy tebo. Ahitsio
Balaza: a.: Ilay sosona faharoa amin'ny hoditra anatY; mate-vina izy io ary ao anatiny no misy ireo kitapo kely mitahiry menaka izay manamandina ny hoditra sy ny volo. Ahitsio
Bàleke: na Bàliky (Ski) a.: Fomba fandavoana amin'ny ringa, raha raisina amin'ny salakany avy ao an-damosiny ilay miady amin'ny tena. Ahitsio
Balelaka: p. t.: Be vava, mivelatra ny vavany nefa marivo aty: Tsy mahalany firy ny harona balelaka. • Misokatra be (fiteny amin'ny vozon'akanjo, maso): Batela-bozona be ilay akanjonao maitsomaitao. / Balela-maso id zaza - t.i.f.: Mibalelaka. Ahitsio
Baliaka: p. t.: Enti-milaza ny zavatra (maso, voninkazo, vozon'akanjo, masoandro...) izay mivelatra miseho mazava tsara, kanefa raha ny maso no lazaina, dia bary no fampiasa matetika kokoa, ary raha ny vozon'akanjo dia balelaka. Ahitsio