Litera d

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Dabokandro: a. : Enti-milaza ny fiompiana omby atondraka, izany hoe asaina miraoka amin'ny tany be ahitra any an'efitra sy eny amin'ny andro fotsiny eny, ka matavy sy tonga vaventy (daboka). - F.-p. : Mpanao dabokandro : mpampiraoka omby any an'efitra, mpivarotra omby. Ahitsio
Dabolera: (fr. doublure) a : Sosony na saikiny zairina ao anatin'ny akanjo na ny satroka mba hampahateza ny eo ivelany ary hahatsara azy sa-tria manenjana sy manatevina azy : Daboleran-tsatroka. Ahitsio
Dada: a. : Fiantsoana na filazana ny ray niteraka : Tsy hisaraka aminao aho, ry dada. / Nankaiza dry i dada izay? / H.i. : Teny entina manaja ny lehilahy be taona, tokotokony ho rain'ny tena: Hialoha lalana anao aho,ry dada, fa aza fady. Ahitsio
Dada: a. : Dihy tsinjaka mitsamboamboatra arahin'ny amponga, izay fanaon'ny lehilahy ihany : *0hab. : Ny tsinjaka maro mpahay fa ny dada no sarotra ianarana. Ahitsio
Dadabe: a. : Fiantsoana ny rain'ny ray na ny rain'ny reny : Andeha ho aiza ianao, ry dadabe ? ¶ M.h. : Kakibe, fa azo ampiasaina koa hilazana tsotra ny rain'ny ray na ny rain'ny reny ; raibe : La-sa any an-tsena i dadaben'i Soa. . Teny fanajana ilazana lehilahy efa zokiolona tokony hanana zafikely. Ahitsio
Dadaboka: a : Fianjerana amin'ny tany, fahapotrahana tanteraka. - t.i.f. : Adadaboka, voadadaboka f midadaboka,fidadaboka / idadabohana, fidadabohana. Ny hevitr'ireo dia mitovy amin'ny sampantenin'ny Daboka ihany. Ahitsio
Dadadada: a. : Firadaradana na fitenenana miahotrahotra fanaon'ny ankizy vao mianamiteny. - t.i.f. : Midadadada, fidadadada, mpidadadada ( idadadadana, fidadadadana. Ahitsio
Dadafara: a. : Teny iantsoana na ilazana ny faralahy amin' ny iray tam-po amin'ny ray na ny reny : Andeha hitsena an'i dadafara izahay fa ho tonga anio izy. Ahitsio
Dadaka: a. : Teny mikorontana sy misafotofoto noho ny fahamaikana hilaza zavatra ; kodedika. 1 t, i f. : Midadaka, fidadaka, mpidadaka ( idadahana, fidadahana. Ahitsio
Dadanaivo: a. : Teny iantsoana na ilazana lehilahy iray tampo amin'ny ray na ny reny, eo anelanelan'ny lahimatoa sy ny faralahy : Aoka re, ry dadanaiuo, fa tapaka ny tsinaiko amin'ny hatsikana ataonao. Ahitsio
Dadasika: p.t. : Toerana na faritra lehibe sy malalaka. - t.i.f. : Midadasika, fidadasika. Ahitsio
Dadatoa: a : Teny iantsoana na ilazana ny lahimatoa amin'ny iray tam-po amin'ny ray na ny reny : Lasa androany nankany andafy ny dadatoanay. 1 H.i. : Teny iantsoana (fa tsy ilazana) lehilahy lehibe heverina ho mendri-kaja : Aoka re, ry dadatoa, fa marina ny teninao. Ahitsio
Dadiampela: (Ski) a : Renibe. Ahitsio
Dadibe: (Tsm.) a : Renin'ny renibe. Ahitsio
Dadilahy: (Ski na Tsm) a : Dadabe, raibe. Ahitsio
Dadivavy: (fit.-p.) a : Renibe. Ahitsio
Dady: (Ski) a : Raibe na renibe. Ahitsio
Dafo: na Dafy (Tsm) a : Omby misy pentina lehibe eo amin' ny takibany (dafo mainty, dafo mavo, dafo mena, dafo tombolôho). Ahitsio
Dagaga: a : Fahavarianana amin'ny fahitana zavatra tsy ~ mbola hita, mahagaga. Ahitsio
Dahalo: a. : Jirika mpanao tontakely. ¶ M.h.: Malaso. Ahitsio