Litera d

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Diovina: (dio) mt ih. (diovy) : Sasana, atao afa-doto : Diouy ny akanjonao fa fety rahampitso. ? H,o. : Diovy ny fonao. ~ Fotsina : Efa nodiovin'ny miaramila ve ny benitra. ? Nangalarana, atao mafafa: Nodiovin'ny dahalo ny tanàna tao Ananona. Ahitsio
Dipaina: (fr. du pain) a. : Karaza-mofo vita amin'ny lafarinina, ary foto-tsakafon'ny firenena maro, indrindra ny any Eoraopa. Ahitsio
Diplaoma: (fr. diplôme) a. : Taratasy filazam-pahaizana avY amin'ny Sekoly ambony, Ahitsio
Diplio: (fr, du plomb) a. : Baia firaka. Ahitsio
Dipoavatra: (du poivre) a, : Zavamaniry masiatsiaka karazana tsiperifery, fampiasa hampahatsiro sakafo, ka amin'ny endrika roa no isehoany : na vovobovoka mainty avy amin'ny voankazo aminy nototoina, na vovobovoka fotsy, avy amin'ny voany madinika ao anatiny kosa nototoina. Ahitsio
Dirandoza: (idiran-doza) : Tenim-piontanana mivoaka ny vava raha mahare fa nisy voina lehibe nitranga tamindRanona tatsy na tamindRanona taroa : May, hono, ny tranon-dRazafy ar? Ankorahotra. Dirandoza mari-na! Ahitsio
Diridiry: ft, : Enti-milaza : Fihenjanana tsy mety mllefitra. ~ Ny maso mivandraka sy misokatra be. Fihenahenana na kiry tafahoatra izaY manjary avona sy fireharehana. 6 : Adiridiry 1 midiridiry, fidiridiry, mpidiridiry 1 idiridiriana, fidiridixiana. Ahitsio
Dirina: (ditra) mt, ih. (diro) : Anaovana kiry : Nodiriny teo ny lambako ka lasany. Ahitsio
Dirotanty: na Doratanty a : FanafodY antsoina amin'ny teny vahiny hoe iodiure de sodium. Ahitsio
Disa: ft. : Enti-milaza hitsaka, hosy, fitetezana amin'ny tongotra. - t.i.f. : Disaina, voadisa / mandisa, fandisa, mpandisa 1 andisana, fandisana 1 madisa 1 fahadisa, fahadisana 1 madisadisa. Ahitsio
Disadisa: a. : Harisarisa, zavamanahirana. - t.i.f. : Madisadisa. Ahitsio
Disahina: (disaka) mt.ih, (disaho) : Vakina, potehina. Ahitsio
Disaina: (disa) mt.ih. (disao) : Hosena. Ahitsio
Disaka: Disadisaka p.t. : Valaka, sasatra. 1 Leo na tofoka tanteraka. ~ Entina milaza koa ny mongomongo, ny potipotika na torotoro. Ahitsio
Disanteria: (fr. dysenterie) a: Aretina mampivalan-dra izay mety hahatratra indroapolo na mihoatra isan'andro ka mahatonga faharerahana, fahiazana ary tsy fahampiandra Ahitsio
Disely: (fr. du sel) a: Zavatra tahaka ny vovo-tsira, fotsy, soMary mamiratra, ampiasaina' ho fanadiovan-kibo na fampivalanana; misy karazany roa ny disely, dia ny "sel de soude" ary ny "sel de magnésie", izay samy hafa ny fomba fiasany. Ahitsio
Diso: o. : Tsy ah~?-dalana ara-pitsipil a : r a'so ny lahatsoratrao.; p.t. : Tsy marina : Diso izany filazanao izany. ? Meloka : Diso tamin-drainao ianao namaly boraingona azy. ~ Tsy nahatratra : Diso fidirana Ilita ka uoasazy. / Diso rasa ianao ka ny taolana sisa ho anao. / Diso fanantenana izy ka nitoloko. ? Tsy nahita, tsy sendra : Tratra aoriana loatra ianao ka diso azy. ? Tapaka, tsy tonga : Diso hadimiana ianao nandritra ny volana. 1'Lavo tamim-pitondmn-tena : Diso tamin'izany tovolahy nanangoly azy izany, hono, i Bako. ? Maty : Ireo dimy ireo ihany ve ny zanakareo ? Ireo no velona fa nisy roa diso, tompoko. ~ p.mt, : Loatra : Diso masaka ireto voankazo ireto ka efa misy simba. - t.i.f. : Disoina / mandiso, fandiso, mpandiso 1 mifandiso 1 andisoana, fandisoana 1 mahadiso. - F.-p, : Diso be voua : nanao hadisoana lehibe dia lehibe. / Diso fampana : mihoatra ny mety, mihoa-pampana be loatra. 1 Diso lalana : very ka mandehandeha amin'ny lalana tsy izy. / Diso lalam-piainana : tsy mandeha amin'ny lalam-piainana marina. / Diso ohatra : Jer. diso fampana. / Diso tanindrazana : tsy mahita tanindrazana. / Diso voua : nanao hadisoam - pitenenana (nahatonga ilay fitenenana hoe : voua diso tsy mba kabary. / Diso valu : Be dia be tsy hita isa (jer. Betsaka). I Sakalava diso : enti-milaza zazakely maty, tas, azo. /Diso paika ka matim-bela : fiteny amin'ny fanorona ilazana fa ny fahadisoam-pamindra indray mandeha no nahafaty. ¶ M.h, : Tsontsa, solafaka, diso paika, diso tetika, diso hevitra, lavo. Ahitsio
Disoina: (diso) mt.ih. (disoy) : Tsy natao marina : Nodisoinao ny marikao ka izany no tsy nahafahanao. ? Dikaina : Nodisoinao ny lalàna ka hofaizina ianao/ Melohina : Disoiko ny hevitrao, Raondriana. Ahitsio
Dite: (fr. du thé) a. : Fisotro avy amin'ny rano ampangotrahina miaraka amin'ny ravin-javamaniry atao hoe dite; manan-kery mitovitovy amin'ny kafe ihany ny dite. Ahitsio
Ditina: na Ditiana (dity) mt.ih. (ditio) : Akambana sy araikitra amin'ny ditY. Ahitsio