Litera d

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Dray: t.p. : Enti-milaza hatairana na hagagana na fangirifiriana koa aza indraindray : Dray! mahafinaritra izany fiposahan'ny masoandro auy any ambadiky ny tendrombohitra toa marna' afo mivaivay ! Ahitsio
Dredridredry: a.: Taraindraina; tomanimany lava na fikonetaka toy ny misy maharary, na mampiseho hantahanta. - t.i.f. : Midredridredry, fidredridredry, mpidredridredry 1 idredridredrena, fidredridredrena. Ahitsio
Dredro: a. : Dokadoka mba hahazoan-tsitraka. - t.i.f. : Dredroina 1 m anadredro, fanadredro, mpanadredro j anadredroana, fanadredroana ) midredro, fidredro, mpidredro / idredroana, fidredroana. Ahitsio
Dreho: a. : Fandeha na famindra matetitetika tsy mba la-va dingana, sady toa mihozohozo. Ahitsio
Driahina: (driaka) mt.ih, (driaho) : Rahonana izaitsizy, tezerana. Ahitsio
Driaka: (t.tr.) a. : Fandrahonana, fampitahorana amin-teny. Ahitsio
Driatra: a. : Jar. Amalombandana. Ahitsio
Dridra: a: Anarana ilazana karazana vay ohatra ny zavatra mibontsina kely amin'ny voalohany na ohatra ny faritra tera-mena eo amin'ny hoditra amin'ny ranjo; mitombo faingana ireo ka mety hahatratra 10 sm ny savaivony; misy fanaviana, fanaintainana ary fanapoizinana ny tena manontolo miaraka aminy. 6 f. : Dridraina. ,t Ohab. : Dridran'Ingiio: andrasan-ko sitrana vao manapa-kozatra : enti-milaza aretina na toe-javatra sarotra itadiavam-panafody, ka arakaraka ny anantenana azy ho sitrana no vao mainka mampitombo ny fahavoazana aterany. Ahitsio
Dridraina: p.t. : Be dridra, feno dridra. Ahitsio
Dridridridry: a. : Fitaraindrainana noho ny aretina na ny fahoriana : Tsy te handre ny fidridridridrin'to marary io aho. •Famoahana feo maharitra hafahafa noho ny fikasohana tsy malama tsara : A-katony tsara ny varavarana fa tsy tantiko ny fidridridridriny tontolo andro. - t.i.f. : MidridridridrY, fidridridridry, mpidridridridry / idridridridriana, fidridridridriana. Ahitsio
Dridroka: na Dridrodridro a. : Feon-javatra midilotra; feonjavatra roa mifampikasokasoka ka mikiririoka na mampangintsina any an-tsofina any. - t.i.f. : Midridroka / midridrodridro, fidridrodridro, mpidridrodridro / idridrodridroana, fidridrodridroana. Ahitsio
Dridry: (Btm) a. : Karazam-boronkely. Ahitsio
Drikina: ft. : Enti-milaza fanoherana an-katezerana. - t.i.f. : Midrikina,fidrikina, mpidrikina / idrikinana, fidrikinana. Ahitsio
Drivo: (Ski) a. : Fomba fandavoana amin'ny ringa. Ahitsio
Drodroka: p.t. : Lo tanteraka; tena malemy sy mifotetaka : Efa drodroka mihitsy it9 hazom-baravarana it? ka tokony hosoloana. Ahitsio
Drokidrokina: (drokidroky) mt.ih. (drokidrokio) : Tambatambazana, kolikolena : Nodrokidrokiny ny mpiambina dia namela azy hivoaka. Ahitsio
Drokidroky: a. : Tambitamby misy hafetsena, fanaovana izay hahafaly mba hanambakana. - t.i.f. : Drokidrokina, voadrokidrokY / mandrokidroky, fandrokidrokY, mpandrokidrokY / androkidrokiana,fandrokidrokiana. Ahitsio
Dronadrona: ft. : Enti-milaza fanifakifahana feno fampahoriana. Ahitsio
Dronadronaina: (dronadrona) mt.ih. (dronadronao) : Akifakifaka, atositosika, kizakizaina, ampijalina toy ny olomeloka. Ahitsio
Drondro: (Ski) a. : Habokana amin'ny biby. Ahitsio