Litera d

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Daholo: (angl. the whoie) p. mt. : Rehetra tsy misy avahana : Nihoraka daholo ny mpianatra. (Marihina fa sady mamaritra ny matoanteny ny daholo no mifandray amin'ny teny lazaina : Nihinana paiso daholo ny mpianatra ; Nohanin'ny mpianatra daholo ny paiso. Araka izany dia mitovy hevitra amin'ny rehetra ihany izy saingy ny rehetra mpamaritra anarana ka atao manaraka ny anarana mandrakariva, ary izany koa matetika no mahatonga ny olona hampiasa azy roa miaraka : Nihinana Paiso daholo ny mpianatra rehetra; nohanin'ny mpianatra daholo ny palso rehetra). Ahitsio
Daholobe: a. : Fitambaran'ny olona rehetra : Foto-kevi-pifandraiso ny olona teto hatry ny e tsy vaovao ako ry ny hoe : Ny tsirairay na tao ho an'ny daholobe ary ny daholobe ho an'ny tsirairay, fototry ny fihavanana. Ahitsio
Dahy: o. : Anaram-piangotiana iantsoan'ny vehivavy ny anadahiny : Aoka re, ry dahy, fa mahatsikaiky loatra ify zavatra tantarainao. Ahitsio
Daika: Daikadaika a. : Fandeha misabakabaka na mibekabeka ka mivelatra sy tsy mitsatoka mahitsy tsara ny tongotra roa, toy ny fanaon'ny zazakely vao miana-mandeha. - t.i.f. : Midaika, midaikadaika, fidaika, mpidaika / idaikana,fidaikana. Ahitsio
Daina: a. : Famelezana amin'ny kapoka; fandabohana mafy. t.i.f. : Dainana / mandaina, fandaina, mpandaina, andainana, fandainana / mahadaina / daindaina. Ahitsio
Dainana: (daina) mt. ih. (daino) : Kapohina, dabohana mafy, havokavohana : Daino ny vy dieny mafana. Ahitsio
Daindaina: a. : Ilazana ny hafanan'ny masoandro manevokevoka, midanika mafy. * A-nambarana ny feon-javatra izay mikarantsana mampangintsina ny sofina. 1 t. f. : Midaindaina, fidaindaina / idaindainana, fidaindainana. Ahitsio
Daingidaingy: Jaingijaingy a. : Ilazana ny fandehan'ny zaza vao miana-mandeha ka mivembena toa mila hianjera. - t.i.f. : Midaingidaingy, fidaingidaingy) voadaingidaingy f idaingidaingena, fidaingidaingena. Ahitsio
Daka: a. : Famelezana amin'ny tongotra, tsipaka : Nasian'ny soavaly daka indray mande-ha izy dia tsy tafarina. ? Tohana : Asivy dakany ny lohatrano fa lava loatra. - t.i.f. : Dakana, adaka, voadaka / mandaka, fandaka, mpandaka f andakana, fandakana / mahadaka / dakadaka. a F,-p. : Voa roa ohatra ny dakam-boriky : tongotra roa no indray mamely any aoriana ka raha voany voa mafy mihitsy; voa indroa miantoana. ¶ M,h, : Daka, dakabe, diamanga, antsatoka, kapatokana, ambadika, kopala manatrika, antongomby, ankoatra, ankodina. Ahitsio
Dakana: (daka) Asiana ny daka : Nodakany indray mandeha monja ny baolina dia tafiditra tao anaty tsatokazo. Ahitsio
Dalaboboka: a. : Fianjerana mafy ka ny vatana manontolo no indray miantonta.l Fianjera andrenesana feo midoboka na mitora-jofo amin' ny vovoka. - t.i.f. : Adalaboboka/ midalaboboka, fidalabo boka, mpidalaboboka I idalabobohana, fidalabobohana. Ahitsio
Dalia: a. : Karazam-boninkazo. Ahitsio
Dalo: (Ski) a. : Loaka amin'ny sisin'ny botry natao ho fandehanan'ny rano. Ahitsio
Dalo: (t. tr.) p. t. : Fohy, zeny. Ahitsio
Dalompy:(fr, varlope) a. : Vankona lehibe misy tahony kely itazonana azy. Ahitsio
Damà: a. : Karazan-damba. Ahitsio
Dama: a : Karazam-panoto be loba fitotoana tany mba hifatratra tsara. Ahitsio
Dama:(fr. damier) a : Kilalaontsaina misy efitrefitra zato, mainty sy fotsy mifandimbindimby; ny vato dia voalahatra amin'ny laharan'efitrefitra roa farany, amin'ny andaniny sy an-kilany, ka mandroso izy ireo amin'ny laharan'efitrefitra tsy misy vato, ary dia mifampihinana amin' izay; ny an'ny dama, ihoarana no fihinana ny vato fa tsy tahaka ny an'ny fanorona izay aroso amin'ny toerana iray banga ka lany daholo ny vaton'ny ankilany amin'ny hitsin'ny tsipika nandrosoana azy; izay tapitra aloha ny vâto no resy toy ny amin'ny fanoronaihany. Ahitsio
Damadama: (Ski) a. : Vatolampy na tany tsy misy zavamaniry eny amoron-dranomasina izay voasafotry ny rano rehefa misondrotra ny ranomasina ary miseho kosa rehefa mihemotra ny ranomasina. Ahitsio
Damiaana: (fr. dame-jeanne) a : Karazana tavoahangy makadiry, kely tenda ary be kibo, fasiana divay. Ahitsio