Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Famongika: (vongika) a. : Fomba entina mamongika, mamesatra, mampitondra entamavesatra. 1 p,t. : Azo vongehina, azo vesarana. Ahitsio
Famongitrika: (vongitrika) a. : Fomba entina mamongitrika, mampivandravandra (ny maso) toy ny hamono, Ahitsio
Famongorana: (fongotra) a. : Fandravana, fandaniana tanteraka, fandripahana, fandringanana ho lany fara. Ahitsio
Famongovongo: (vongovongo) a. : Fomba entina mamongovongo, manao anentana. Ahitsio
Famongovongoana: (vongovongo) a. : Fanaovana anentana. Ahitsio
Famoniana: (vony) a. : Fahavakisam-bony. Ahitsio
Famonjafonjana: (fonjafonjo) a : Fandraidraisana dia fanapolipolesana, famenjafenjana. Ahitsio
Famonjena: (vonjy) a : Fitondrana vonjy, fanalana amin' ny loza : Noho ny famonjendRakoto no tsy nahafaty andrano an' i Naiuo, ? Fanampiana : Misaotra amin'ny famonjenao fa raha tsy ianao tsy nilaoka ireto kambory kely ireto. ? Fanatrehana, fandehanana mba ho tonga amin'ny,.. : Ataovy zaua-dehibe ny famonjena fotoampivauahana ny alahady, Ahitsio
Famonjy: (vonjy) a. : Fomba entina mamonjy. ? p.t. : A-zo vonjena. Ahitsio
Famonkenana: (uonkina) a. : Famoretana, Ahitsio
Famonkina: (vonkina) a.: Fomba entina mamonkina, ma-montra ho fohy. ? p,t. :A-zo avonkina. Ahitsio
Famono: (vono) a, : Fomba entina mamono. ? p,t. : Azo vonoina. Ahitsio
Famonoana: (vono) a. : Fikapohana, fanalana ny aine : Famonoana olona mihitsy izany ! ? Fanafoanana, fikosehana : Famonoana anarana ? Fitsofana : Famonoana a-fo. Ahitsio
Famonodindo: a : Fandroahana lolo na matoatoa amin' ny fanipazana vakin-tavoahangy na voan-tsaramaso na katsaka. ? Karazan-javamaniry (Secamone oleaefolia). Ahitsio
Famonona: (uonona) a. : Fomba entina mamonona, manomana. ? p. t. : Azo vononina. Ahitsio
Famononana: (uonona) a. : Fanomanana mialoha; fanangonana. Ahitsio
Famonosana: (fono) a. : Fandrakofana, fanafenana. Ahitsio
Famonototozy: a. : Karazan-javamaniry (Rhodocadon Madagascariensis). Ahitsio
Famonta: na Samonta (Ski) a. : Fisondrotan' ny ranomasina be indrindra amin' ny tsinambolana sy ny fenomanana. Ahitsio
Famontirika: (uontirika) a. . Fomba entina mamontirika, mampivandravandra ny maso toa hivoaka ny taola-maso mihitsy. Ahitsio