Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fampitanana: (tanana) a. Zavatra apetraka ho antoka : Tsy manam-bola intsony Ra-koto ka ny famantaranandrony no napetrany ho famp i tana na. Ahitsio
Fampitsarana: (tsara) a. Vo-la nomena fahizay ireo olona nampisotro tangena ho mari-pankasitrahana, raha tahiny ka velona soa aman-tsara ilay nampisotroina. ? Vo-la omena mba hahazoana mampiditra ady na raharaha hotsarain' ny fitsarana hanaovana fampinomana. Ahitsio
Fampitsoahana: a. : Ody natao mba tsy hampisy hery ny tangena tamin'ny fampinomana. Ahitsio
Fampivalanana: (valana) a. : Fanafody mampivalana, atao hoe koa Famalanana. Ahitsio
Fampoehana: a. : Karazan-javatra kely atao hidina fehikibo na solo-na bokotra amin'ny akanjo. Ahitsio
Fampohaza: a. : Tantanana makadiry. Ahitsio
Fana: a. : Toetran'ny zavatra nohafanaina fanindroany indray : Fanam-bary. Ahitsio
Fana: a. : Fanaovana izay hampahafana ny vehivavy vao avy niteraka mba hisorohana ny sovoka. - t.i.f. ' Mifana, fifana, mpifana / ifanana, fifanana. Ahitsio
Fanabakana: (baka) a. : Fampihatahana ho toy ny V, fampivelarana tendron-javatra roa hisamaka kokoa. Ahitsio
Fanabanahana: (banaka) a. : Famohana. Ahitsio
Fanabanaka: (banaka) a. :Fomba entina manabanaka, mamoha. ? p, t. : Azo banahina. Ahitsio
Fanabanga: (banga) a. : Fomba entina manabanga., manala, mampihena isa. Ahitsio
Fanabangana: (banga) a. : Fanalana, fampihenana isa:Tsy ekeko ny fanabangana isa ny mpiasako etc'. Ahitsio
Fanabantiana: (banty) a. : Fanaovana tsinontsinona, fanamavoana, famasohana. Ahitsio
Fanabanty: (banty) a. Fomba entina manabantY, manamavo, manao tsinontsinona. Ahitsio
Fanabaraingo: (baraingo) a. : Fomba entina manabaraingo, manao izay hahatonga baraingo, meloka, biloka. Ahitsio
Fanabaraingoana: (baraingo) a. : Fanaovana izay hahatonga baraingo, meloka, biloka : Toa ho sarotra ny fanabaraingoana io metaly io izany! Ahitsio
Fanabarera: (barera) a. : Fomba entina manabarera, izany hoe sady manaborotsaka no managorera lamba tafina, elatra... Ahitsio
Fanabarerana: (barera) a. : Fanaovana izay hahatonga gorerarera,fanagorerana. Ahitsio
Fanabataba: (tabataba) a. . Fomba entina manabataba. Ahitsio