Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Faharatsiana: (ratsy) a. : Toetran'ny zavatra na olona ratsy; zava-dratsy, heloka : Diso indray mandeha ue izy dia tsy maintsy houesarana ny faharatsiana rehetra eto ambonin' ny tany ? Ahitsio
Faharazana: (razana) p.mt Hatram?n' ny andro niainan' ny razana Fomba nentimpaharazana. Ahitsio
Faharazodrazoka: (razodrazoka) a. : Fahosaosana, hareradrerahana. Ahitsio
Faharenesana: (re) a. : Ireo fandrenesana dimy (jar. Fandrenesana). Ahitsio
Faharoa: (roa) p. l.: Mitana ny laharana manarakaraka ny voalohany: Ny fevrier no vo-(ana faharoa amin'ny taona, Ahitsio
Faharokoroko: (rokoroko) a. : Toetran'ny zavatra marokoroko, maraorao. Ahitsio
Fahasalamana: (salama) a : Toetran'ny vatana salama, izany hoe tsy manana aretina ka miasa tsara ny organina amin'ny tena. Ahitsio
Fahasanganehana: (sanganehana) a. : Firoahana, fisalasalana tsy mahita izay hofidina. Ahitsio
Fahasitranana: (sitrana) a. : Fanaretana, fialan' ny aretina. Ahitsio
Fahasivy: (sivy) P.I. : Enti-milaza ny filaharana manaraka ny fahavalo. Ahitsio
Fahasivy: (Btl) a. : Avelo, lolo. Ahitsio
Fahasoavana: (son) a. : Fitahiana, soa lehibe : Fahasoavana ho anao izao nahafahanao fanadinana izao ka hararaoty tsara. Fanomezana voajanahary nomen' Andriamanitra noho ny soa nataon' i Kristy mba hahazoana ny fiainana mandrakizay (fin. kat.) : Mampahazo fahasoavana ny sakramenta. Ahitsio
Fahasola: (soin) a. : Toetran' izay sofa, tsy misy volo intsony fa efa nhintsan. Ahitsio
Fahasorisorena: (sorisory) a. : Fahasosorana, fahadisadisana, fahadikidikiana. Ahitsio
Fahatahorana: (tahotra) a. : Tahotra olona na zavatra : Ny fahatahorana an'Andriamanitra no uoaloham pahendrena. Ahitsio
Fahatelo: p.l. : Mitana ny laharana manaraka ny faharoa : Alarobia ny andro fahatelo amin'ny herinandro. ? a. : Halavan-drefy mitovy amin' ny refy telo na mamaky tratra inenina. Ahitsio
Fahatelobe: a. : Laharana fahatelo amin'ny sikidy. ? H.o, : Havana mpandroba, izany hoe tsy mikendry afa-tsy ny hahalany ny harenan' ny havany. Ahitsio
Fahatelon-tanana: a. : Lalàna araka ny fomban-tany malagasy mametra fa raha misy mpivady misaraka, ny ampahatelon' ny harin' izy mivady no anjaran-dravehivavy, fa ny an-droatokony kosa mijanona ho an-draleh?lahy. Ahitsio
Fahatezerana: (tezitra) a. : Fihetseham-po mitroatra tampoka vokatry ny fo sendaotra tsy voatsindry sy ny saina tsy mieritreritra ka tsy afaka intsony handanjalanja izay tokony hatao. Ahitsio
Fahatokiana: (toky) a. : Fanantenàna lehibe, hasahiana : Mandroso amim-pahatokiana hamely ny fahavalo ny miaramila. Ahitsio