Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fanafànana: (afana) a. : Fanadiovana, fanalavitana ny ratsy. Ahitsio
Fanafarana: (hafatra) a. : Fampanaovana zavatra olona Hadinony ny fanafarana anjanany ka tsy aisy tonga ireo olona saiha hasaina. 1 Fampakana, fividianana zavatra any lavitra : Sarotra ny fanafarana entana any am-pita. Ahitsio
Fanafatra: (hafatra) a : Fomba enti-manafatra. 1 p.t. : Azo hafarana. Ahitsio
Fanafenana: (afina) a. : Fametrahana zavatra amin'ny toerana iray tsy hahitana azy; fanaronana zavatra mba tsy ho hita : Dia heuerinao ho mora ue ny fanafenana zauatra makadiry toy io? 1 Toerana anafenana zavatra mate-film : Ato no fanafenan-dRakoto ny fanalahidy. ? H.i. Ahitsio
Fanafiana: (tafy) a. : Fanomezana akanjo, fitafiana : Ny fanafiana an' io zaza io no hanahirana ahy, fa ny momba ny sakafony, izay haninay ue tsy hohaniny ? Ahitsio
Fanafihana: (tafika) a. : Fanatonana mba hamely amin' ny basy aman-defona; fibosesehana hanafika. Ahitsio
Fanafika: (tafika) a. : Fomba entina manafika tany na olona. 1 p. t, : Azo tafihina. Ahitsio
Fanafintohina: (tafintohina) a.: Fomba entina manafintohina, manao izay hahatezitra. Ahitsio
Fanafintohinana: (tafintohina) a. : Antony mahatezitra. ? Fitarihana ny hafa hanao ratsy noho ny fahitany ny tena nanao io ratsy io : Loza ho an'izay hiauian'ny fanafintohinana. Ahitsio
Fanafitafiana: (tafitafy) a. : Famohana sasaka ny varavarana. Ahitsio
Fanafitafy: (tafitafy) a. : Fomba entina manafitafy, mamoha sasaka ny varavarana. Ahitsio
Fanafo: (tafo) a. : Fomba entina manafo, mametraka tafo. 1 p. t. : Azo tafoana. Ahitsio
Fanafoana: (tafo) a. : Fametrahana tafo. Ahitsio
Fanafody: (fanafana ody) a. : Zavatra entina hanasitranana aretina, na sotroina, na ahosotra, na atsindrona, na trohina, na asisika, na evohana. Ahitsio
Fanafohezana: (fohy) a. : Fanaovana ho fohy : Faly ny mpianatra raha misy fanafohezana ny fotoana ianarana. 1 Filazan-javatra amin' ny teny fohy : Ny R.D.M. dia fanafohezana ny hoe Repoblika Demokratika Malagas y, Ahitsio
Fanafokana: (foka) a. : Fanesoesoana, fanazimbazimbana. Ahitsio
Fanafomporana: (fompotra) a. : Fandaniana, atao majifa indray mihelatra. Ahitsio
Fanaforana: (safotra) a. : Fanatoranana, fanaovana izay hahasafotra, fanjenjenana. Ahitsio
Fanafotra: (safotra) a. : Fomba entina manafotra, manatorana, manjenjina, Ahitsio
Fanafy: (tafy) a. : Fomba entina manafy, manome lamba na akanjo hitafiana. 1 p.t. Azo tafiana, tokony hotafiana : Ny mahantra tahaka ireny no fanafy. Ahitsio