Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fivilavila: (vilavila) o.: Toetran' ny olona na zavatra mivilavila, izany hoe miolanolana, tsy mahitsy fa melomeloka. Ahitsio
Fivilavilana: (vilavila) a.: Fiolikolehana, fiolanolanana. Ahitsio
Fiviliana:(vily) Fiolahana, fiolehana: Eto ny fiviliana mankany Viliahazo. Fisafelehana: Ny fivilianay tany amin-dry nenitoa no tsy nahatongavanay tamin'ny 8 ora marina. Fialana, fivionana, fihodivirana: Ny fiviliana tamin'ny lalana tsara no nahatonga azy ho jiolahy toy izao. Ahitsio
Fivily: (vily) a.: Toetran'ny olona na zavatra mivily, izany hoe miolaka, misafelika, miviona, mihodivitra. Ahitsio
Fivimbina: (vimbina) a.: Fomba entina mivimbina, izany hoe mitondra zavatra amin' ny tanana. Ahitsio
Fivimbinana: (vimbina) a.: Fitondrana zavatra amin'ny ta-nana: Tsy misy mahamenatra ny fivimbinana an'io kitapo io, 1 Flarovana, fitahiana: Ny fiuimbinan'Andriamanitra anie homba anao! Ahitsio
Fivindahana: na Fivindavindana (uindaka, vindavinda) o.: Fitenenana an-katezerana, fikitakitàna. Ahitsio
Fivindaka: na Fivindavinda (vindaka, vindavinda) a.: Fitenenana an-kotezerana, fikitokitàna Ahitsio
Fivindina: (vindina) a.: Toetzan' ny zavatra mivindina, izany hoe mivonto: Ny fivindin' ny takolany no tsy nahalalako azy. Ahitsio
Fivindinana: (vindina) a,: Fivontosana, fibontsonana. Ahitsio
Fivinirana: (vinitro) a.: Fahatezerana, fampisehoana endrika tsy faly. Ahitsio
Fivinitra: (vinitra) a.: Toetran' ny olona mivinitra, izany hoe tezitra, mampiseho endrika tsY falY. Ahitsio
Fiviniviniana: (viniviny) a.: Fahatezerana, fampisehoana endrika tezitra, malonilôny; fihenahenana tsy miteny. Ahitsio
Fiviniviny: (viniviny) a.: Toetran'ny olona na ny endrika miviniviny, izany hoe tezitra, mampiseho endrika tezitra. Ahitsio
Fivioka: (vioka) a.: Toetran'ny olona mivioka, na midify, mandositra, mitsoriaka. Ahitsio
Fiviona: (viona) a.: Toetran' ny olona na zavatra miviona, izany hoe mibirioka, mihodivitra, mivily. miviogna(Betsileo) Ahitsio
Fivionana: (viona) a.: Fihodivirana, fibolidiana, fiviliana, fibiriohana. Ahitsio
Fivirioka: (virioka) a.: Toetran' ny zavatra mivirioka, izany hoe mifaraingo, mibilabila. Ahitsio
Fiviroka: na Fivirotra (viroka, virotra) a.: Toetran'ny olona miviroka na mivirotra, izany hoe tailana na ratsy toe-batana. Ahitsio
Fivitrana: (vitrana) a.: Toetran' ny zavatra mivitrana, izany hoe mizaitra ho iray. Ahitsio