Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fanagorabaka: (gorabaka) a : Fomba entina managorabaka, mandoaka makadiry, manao lavaka lehibe sy malalaka. Ahitsio
Fanagoragora: (goragora) a. : Fomba entina mamatotra malemilemy mora vahana. Ahitsio
Fanagoragorana: (goragora) a. : Famatorana malemilemy mora vahana. Ahitsio
Fanagorampa: (gorampa) a. : Fomba entina managorampa, mamikavika, manjojotra, Ahitsio
Fanagorampana: (gorampa) a. : Famikavikana,fanjojorana. Ahitsio
Fanagorobahana: (gorobaka)a.: Fandoahana tanteraka an-daniny sy andaniny avy. Ahitsio
Fanagorobaka: (gorobaka) a. : Fomba fandoahana tanteraka andaniny sy an-daniny avy. Ahitsio
Fanagorodana: (gorodana) a. : Fomba entina managorodana, misotro (zavatra) atao rodobe. Ahitsio
Fanagorodanana: (gorodana) a.: Fandrarahana na fisotroana (zavatra) atao rodobe. Ahitsio
Fanagororoana: (gororoana) a. : Fomba fidinan'ny rano toa misy feo manao hoe gorrr,.. Ahitsio
Fanagororoanana: (gororoana) a. : Fampidinana rano toa misy feo manao hoe gorrr,.. Ahitsio
Fanaha: (haha) a. : Fomba entina manaha, mamelatra eo amin'ny hainandro mba ho maina. Ahitsio
Fanaha: (taha) a. : Fomba entina manaha, manonitra, ma-nome talla. Ahitsio
Fanahafana: (hahaka) a. : Fanaparitahana, fanelezana; fandanilaniana; fanalana baraka. Ahitsio
Fanahafana: (tahaka) a. : Fitoviana amin'ny ray aman-dreny na amin'ny olon-kafa lafin-kavana eo amin'ny tarehy na toetra. Ahitsio
Fanahaka: (tahaka) a. : Foinba entina manahaka, mifandray amin'ny ray aman-dreny na olon-kafa lafin-kavana eo amin'ny tarehy na toetra. • p.t.: Azo tahafina, tokony hotahafina. Ahitsio
Fanahàna: (haha) a. : Famahàna, fanalana amin'ny fatorana, fanasaratsarahana, fandravana, famotsorana (olomeloka). Ahitsio
Fanahana: (ahana) a. : Fomban' ny olona manahana, izany hoe miandry mitanaka. Ahitsio
Fanahàna: (taha) a. : Fanomezana zavatra hatao taha na o-nitra. Ahitsio
Fanahanana: (ahana) a. : Fiandrasana mitanaka. Ahitsio