Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Foibe: (foitra be) a.: Toerana afovoany ihaonan'ny tsipika rehetra amin'ny fanorona. 1 Toerana lehibe indrindra fikarakarana zavatra na raharaha iray: Foibem-pitaizana ny zaza marenina sy jamba. Ahitsio
Foibenkodiarana: a.: Ray faritra afovoany indrindra amin' ny kodiarana izay itsofohan' ny lahitangerina ary irantsandrantsanan'ny tanankodiarana. Ahitsio
Foibentaosarintany: a.: Foiben' ny antokon-draharaha misahana ny fanaovana sarintany. Ahitsio
Foijaza: a.: Akoran-dandim-bibikely izay ametrahany ny atodiny./ Kambo, Ahitsio
Foina: a,: Sakana, tsy famelana hihetsika na hipaika intsony (fanorona). - t.i.f.: Foinana / voafoina / mamoina, famoina, mpamoina / amoinana, famoinana / mahafoina. Ahitsio
Foinana: (foina) mt.ih. (foino): Tsy avala hihetsika na hipaika. Ahitsio
Foitra: a,: Holatra boribory eo afovoan'ny kibo, vokatry ny nanapahana ny tady nifandraisan'ny reny tamin-janany tamin'ny nitondrany azy tao am-bohoka, - F.-p.: Didy foitra: a) Fandidiana, eo am-pahaterahan' ny zaza, an'ilay tady nifandraisany tamin-dreniny nandritra ny mbola naha-tao ankibo azy, b) Famorana. /Foikazo: tonon'ny hazo izay miforona eo amin'ny toerana nisy rantsana tapaka. / Foitr'ampinga: ilay boribory mivohitra eo afovoan'ny ampinga. / Foi-jaza; foibe (jar. ireo teny ireo) / Foitra tao-ho: foitra any an-damosina, zavatra tsY mety hisy, tsY azo heverina: Foitra ivoho izany, Rangahy ity a! ¶ M.h.: Gisa mainty. Ahitsio
Foizina: (fo) p.t.: Mora tezitra aoka izany, kitokitoina. Ahitsio
Foizina: (foy) mt.ih. (foizo): Atao izay hahavakian'ny atody misy azy. 1 Potsirina, vonoina: Foizo io hao io. Ahitsio
Foka: a,: Ny sisa mijanona ao anaty tany amin'ny hazo nokapaina, tronga. Ahitsio
Foka: a.: Karazan-kala (Phrynaracne foka). Ahitsio
Foka: a.: Fitrohana ary fitelemana; fisintonana (setroka na rivotra) hiditra any anaty. i tif,: Fohina, voafoka / mifoka, fifoka, mpitoka / ifohana, fifohana 1 mahafoka. Ahitsio
Foka: na Fokafoka p.t.: Adala, tsy misy saina, ketrina. i t.i.f.: Afokaina f manafoka, fanafoka, mpanafoka / anafokana, fanafokana / mahafoka. Ahitsio
Fokarina: (fokatra) mt. ih. (fokaro): Alana, badina ao anaty tany: Be ny arintany azo fokarina any Soalary. / Fo-kapo ny lamba ao anaty vota. ? Velomina, fohazina indray: Nofokariny daholo ny fanao taloha. 1 Aseho mibaribary: Nofokarin'ny mpanozon-doha ny helony rehetra, Ahitsio
Fokatra: a.: Fampisehoana ankarihary ny tao anaty tany, ny lasa. ¶ M.h.: Fongatra, - t.i.f.: Fokarina, voafokatra / mamokatra, famokatra, mpamokatra 1 amokarana, famokarana / mifokatra, fifokatra, mpifokatra 1 ifokarana, fifokarana 1 mahafokatra. Ahitsio
Fokatra: a.: Fampisehoana ny tapotsi-maso amin'ny olona tiana hoharabina. Ahitsio
Foke: (Ski) a.: Ilay milohantapenaka aloha indrindra amin'ny sambolay, Ahitsio
Foko: a.: Fiaviana nisehoana, firazanana: Na foko inona ianao na foko inona dia Malagasy ihany. ? Ny fitambaran'ny olona iray fiaviana: Ny foko Antaimoro dia iaraha-mahalala fa taranaky ny Arabo. - t.i.f.: Mifoko I ifokoana, fifokoana. - F,-p.: Fokom-pirenena: firenena tafaray. / Hitam-poko, hitam-pirenena: hitan'ny olona rehetra izao. Ahitsio
Fokofoko: ft.: Niavian'ny hoe mifokofoko. Ahitsio
Fokonolona: a.: Firaisam-pileovana sy fitondran'ny mponina amin'ny tanàna iray na amin'ny vohitra madinika mifanakaiky ka manan-jo eo anatrehan'ny fan,jakana izany fileovana izany. (Nisy taloha olona vitsivitsy nikarakara ny fokonolona natao hoe loholona na ray amandreny ny fitambarany, ary iray kosa nofidina ho mpitondra, izay nomena ny anarana hoe mpiadidy na lehiben' ny tanna na ben'ny tanàna). Ahitsio