Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fokontany: a.: Fizaran-tany kely indrindra ary sampan fototra amin'ny fitondrana itsnjaram-pahefan; ny mponina ao amin'ny fokontany no mitambatra ho fokonolona. Ahitsio
Folahina: (folaka) mt.ih, (folaho): Tapahina fa tsy tangarana: Nofolahiny ny rotsakazo. ? Ampanekena, atao izay hahendry azy: Folaho ny ombinareo, / Tsy azony nofolahina mihitsy ilay zanany, ? Asampin ka aforitra: Folaho ny lambanao. Ahitsio
Folaka: p.t.: Miforitra, mioritra: Folaka ilay hazo fa tsy tapaka akory / Nianjera ny zandriko ka folaka ny tongony. • Hendry: Tsy mbola folaka io omby io fa tandremo. • Mihena hery, tony: Rehefa folaka ny andro, mitsoka ny tsiodriootra • Mitony: Folaka ny hatezerany ka mahazo miresaka aminy ianao. ? Resy, tsy manao intsony: Efa folaka amin'ny fisotroana Rakoto. - t.i.f.: Folahina, afolaka, voafolaka, finolaka 1 mamolaka, famolaka, mpamolaka 1 amolahana, famolahana / mifolaka. ¶ M.h.: Pitsoka, mioritra, mipika, mivika, miolana, miholaitra, mihodivitra, maninta, tapaka. - Fola-banga na Folabarotra: fampihenam-bidy ataon'ny mpivarotra. / Folabango: anisan'ny bango volon'ny Ntaolo raha misaona izy. ? H.o.: enti-milaza ny tsy maintsy itenenan'ny mana-manjo eo amin'ny fandevenana ny havany, indrindra raha ray aman-dreny hajaina no Lasa. / Fola-bauiaty: marary valahana, / Fola-damosina: folaka toa tsy afaka mitraka ny lamosina. 1 H.o.: Reraka noho ny fikarakarana (fibabena) ny zaza notezaina. / Fola-drairay: afa-po tsy manan-javatra hotsiriritina intsony. / Folaka an-dantony: maty tanora, lasa vao herotrerony. / Folaka andro: amin'ilay fotoana ahitana ny masoandro mandrorona midina miankandrefana, eo anelanelan'ny amin'ny 3 sy amin'ny 4 ora hariva. / Folaka andry niankinana: enti-milaza olona izay maty ny nikarakara azy na nianteherany, ny nanohana azy. ¶ M. h.: Toro vato nandiavana. / Fola-mandefitra: tapaka eo ampandeferana, izany hoe maty noho ny fandeferana, noho ny fanekena ny sitrapon'ny hafa. * Ohab.: Ny tsihy no foia-mandefitra fa ny olona tsy fola-mandefitra: tsy mampaninona ny olona manam-panahy ny mandefitra. / Fola-tana-manondro: diso fitokiana, voafitaky ny olona nitokiana. Ahitsio
Folera: a.: Karazam-boninkazo izay tsy mivelatra raha tsy ny hariva. Ahitsio
Folesina: (foly) mt.ih. (foleso): Atao kofehy, hasinina: Foieso ity vohavohan-dandy Ramatoakely havako. Ahitsio
Folihala: a.: Karazana hala vaventy izay mandefa faroratra mampita hady mba handxariany ny tranony (Epeira madagascariensis). Ahitsio
Folo: p.t.: Sivy miampy iray: Folo ny fitambaran'ny rantsantanana. i t.l.f.: Foloina 1 mifolo, fifolo, mpifolo 1 ifoloana, fifoloana 1 fahafolo / impolo, impolokely / manimpolo 1 fanimpolony 1 tsifolofolo 1 ampahafolony 1 hafoloana. - F.-p.: Folo-tao-maty: entimilaza fotoana naharitra ela be. / Folo vava: enti-milaza olona mpitsoa-teny, mivadika ny teny natao. / Volafolo: anaram-bola mitovy vidy amin'ny ariary roa sy loso. / Mitondra tanam-polo mody: miverina tsy nahazo na inona na inona. Ahitsio
Foloalindahy: Anarana no-mena ny miaramilan'Ilaidama ary mbola ilazana ankehitriny ny fitambaran'ny antoko-miaramila rehetra eto amin'ny firenena. (Nokendren-dRadama ny hanana tafika toy ny Vazaha, izaY mianatra matso, fitifirana, sarin'ady ka folo alina na iray hetsy no isa noheveriny hotratrarina). Ahitsio
Foloina: (folo) mt. ih. (foloy): Zaraina Polo: Hofoloiko ireto uoankazo ireto satria folo ianareo no naka azy. Ahitsio
Folokeliny: a.: Fitsinjaran'ny foko iray. - t.i.f.: Ampolokeliny. Ahitsio
Folokely: a.: Haba madinidinika fakan'ny lehiben'ny vohitra, toy ny saran-dakana, saran-tetezana. Ahitsio
Fololotra: a.: Fibosesehan-javatra (setroka na vovoka) mijolofotra miakatra tsy miato. Ahitsio
Folona: p.t.: Bory, tsy misy tahony na zavatra andraisana azy: Folon-drambo ilay alikanay vaouao. - t.i.f,: Folonana,voafolona. finolona / mamolona, famolona, mpamolona / amolonana, famolonana / mahafolona. - F.-p.: Folon-taho: enti-milaza ireo vodin-javamaniry toy ny tongolo, izay notapahina ny tahony. Ahitsio
Folonana: (folona) mt. ih. (folony): Borina. Ahitsio
Folopolorina: a.: Jar. Polopolorina. Ahitsio
Folovohitra: a.: Anaran-kafa iantsoana koa ny Hova (fer. Ambaniandro). Ahitsio
Foly: a.: Vohavohan-dandy nohasinina ka tonga kofehy la-va. - t.i.f.: Folesina, voafoly I mamolY, famolY, mpamoly / amolesana, famolesana / mahafoly. Ahitsio
Fomahery: a.: Anarana hafa iantsoana ny varahimpotsy. Ahitsio
Fomba: (omba) a.: Fiaraka mandeha, fanotrona. • Fitambaran'ny toetra fototra mitory ny maha-izy ny o10-na na zavatra iray: Fomban' ny olombelona ny mieritreritra. / Tsy misy mahalala tanteraka ny fomban'Andriamanitra. 1 Fanao tsy misaraka amin'ny maha-izy ny zavatra iray: Fomban'ny miaramila ny mandeha miady. 1 Fanaovan-javatra, fanao ampiasaina: Samy hafa ny fomba fandrefesana taloha sy ankehitriny. • Toetra mahazatra entina miens, fahazarana: Samy manana ny fombany ny firenena. / Aza taitra ianao amin'ny afitsok' io Rangahy io fa fombany izany. - Fomban-drazana: fanaon'ny Razana izay arahin'ny taranaka mifandimby, mikasika indrindra ny fotoan-dehibe eo amin'ny fiai-nana, toy ny raha misy tara-ka na manambady na maty... / Mahalala fomba: mahafantatra ka manaraka ny fitsipiky ny fifanajana eo amin'ny fiaraha-monina. /Ary fomba: enti-milaza zavatra izay ma-nana ny maha-izy azy rehetra. ¶ M.h.: Fanao, fahazarana, sata, riba, fenitra, filatro, filamatra, fihetsehan, fihetsika, famindra. Fomban-drazana: ko-drazana, rohi-drazana, farahatoka, akanjon-goaika, tandroka niaraka amantsofina. Ahitsio
Fombana: (omba) a.: Fiarahana, fiarahana mandeha, fanotronana. Ahitsio