Forivato | : | p.t.: Enti-milaza olona tsy mangoraka olona, masiaka, lozabe.
Ahitsio |
Forofatra | : | a.: Toetran'ny zavamaniry miroborobo faniry ary mivondrona mifanety, - t.i.f.: Miforofatra, fiPorofatra / iforofatana, fiforofatana.
Ahitsio |
Foroforo | : | Mahantra sy fadiranovana. - t.i.f.: Miforoforo.
Ahitsio |
Forofotra | : | a.: Toetran'ny hoditxa mivotrovotro voan'ny bontsimbontsina kely madinika. • Bontsfmbontsina kely madinika, votrovotro: Forofo-nendra ireny amin'ny tarehiny ireny. 1 Rakotra bontsimbontsina kely madinika, rakotra votrovotro. - t.i.f.: Mamorofotra.
Ahitsio |
Forohana | : | a.: Kitay hazo efa may nirehitra ny llany, - F.-p.: Tapa-porohana sisa tsy may: enti-milaza ny kely sisa tamin'ny zavatra kay saika efa lany tanteraka, na olona vitsy na tokana sisa tsy maty tamin'ny olona saika efa maty avokoa. ) Tsy toko tsy forohana: mety hanan-kevitra roa: a) tsy fisiana: tsy toko tsy forohana, ka inona no handrahoina? b) habetsahana: tsy toko tsy forohana ny fahauoazana (entimilaza fa tsy ny toko sy ny kitay ihany no tsy misy fa misy hafa koa). ) Foam-porohana na poporohana: tsy misy na inona na inona intsony fa lany.
Ahitsio |
Foromazy | : | (fr, fromage) a,: Ronono navela handry hakana ny ventlny.
Ahitsio |
Forombositra | : | a.: Vatsy itsfniovana ny dia haleha.
Ahitsio |
Forona | : | a.: Fanaovana zavatra tsy mbola nisy. i t. L f. : Foronina, voaforona I mamorona, famorona, mpamorona f amoronana, famoronana j miforona, fiforona, mpiforona ( iforonana, fiforonana I mahaforona.
Ahitsio |
Forona | : | a.: Karazan'ahitra maniry anaty rano, fanaovana harona, tsihy... (Scirpus corymbosus),
Ahitsio |
Forongo | : | a.: Karazan-javatra miaraka amin'ny ten, enta-na tsy mahasaraka na iadidiana: Ny kitapo, solaitra, pensily, boky... no forongon' ny mpianatra.
Ahitsio |
Foronina | : | (forona) mt. th. (forony): Atao misy, nefs tsy nisy teo aloha: Noforonin' iza, araka ny heuitrao, izao tontolo izao? 1 Amboarina, atao: Misy hira, vaovao indray noforonin-dRakoto. / Inona izany kilalao noforonin'Isambilo izany?
Ahitsio |
Forosety | : | (fr. fourchette) a.: Fitaovana madinika amin'ny sakafo, mirantsana telo na efatra, atao fandraisana na fitsindromana solon'ny tanana, ataon'ny olona koa hoe sotrorovitra.
Ahitsio |
Fory | : | a.: Vava fivalanana. ? Ny maha-vehivavy. - F.-p.: Fory maty hozatra: enti-milaza vehivavy efa dila ny fotoana tokony hanambadiany, olona tsy mahalala menatra. ( Forin'antsamotady: ilay toerana ametrahana ny vato amin'ny antsamotady. ( Forin-daka: ireo toerana manodidina ny laka amin' ny fanorona. / Tsy mahalala forin-daka: tsy mahalala izay abidiny akory.
Ahitsio |
Fosa | : | a.: Filazana kileman'olona tsy eo imasony, fanambarana ny toetran'ny hafa mba hanaratsiana azy. - t.i.f.: Fosaina, afosa, voafosa / mifosa, fifosa, mpifosa / ifosana, fifosana.
Ahitsio |
Fosa | : | a.: Biby mpihina-nofombiby hafa, mitovy habe amin'ny alika ary mitovy endrika amin'ny saka; manja mena ny volony ary mena ny masony; loza raha hiani-kazo; tsy mivoaka raha tsy amin'ny alina andripahany ny akoho amam-borona.
Ahitsio |
Fosaina | : | (fosa) mt. ih. (fosao): Haratsina, zimbaina, hamavoina: Toa nofosainareo adiny iray maninjitra, hono, a-ho! e Lazaina ny hadisoana takona nataon'ilay tenenina: Aza fosaina ny namanao fa aleo uandana imaso, hoy ny Ntaolo, toy izay uandana iuoho,
Ahitsio |
Foserana | : | (t, tr.) a.: Hazo ampifandilorina mba hahazoana afo.
Ahitsio |
Foserina | : | (fositra) mt. ih. (fo-sera): Loahana: Nofoseriny tamin'ny homamanta ilay hazo ka loaka. 1 Ahodina, kosehina ao anaty, dilorina: Fosero it? hazo ity hiteraka afo. e Atao haingankaingana: Nofoseriny ny raharahany ka tsy hita akory dia uita.
Ahitsio |
Fositra | : | a.: Hazo mafy dilorina eo ambonin'ny hazo malemy anankiray hahazoana afo. - t.i.f.: Foserina, afositra, voafositra / mamositra, famositra, mpamositra / amoserana. famoserana 1 mifositra, fifositra, mpifositra / ifoserana, fifoserana / mahafositra.
Ahitsio |
Fositra | : | a,: Bibikely homana ny fakan'ny zavamaniry, toy ny fary, voavahy... * Ohab.: Fositro ue no tsy ambolem-boavahy: tsy ny loza mety ho tonga amin' ny asa atao na amin'ny zavatra ampiasaina anankiray akory no tokony hanafoanana io asa na zavatra io, fa ny fitandremana no tokony ha-tao betsaka.
Ahitsio |