Litera h

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Halehibiazina: (lehibe) mt. ih. (halehibiazo): Atao tonga lehibe: Halehibiazo ity efitra ity amin'ny taona ambony. ~ Ampitomboina ny sary ahitana azy: Halehibiazinhy mikraoskaopy ny tongo-dalitra ka jiita mazava tsara Ahitsio
Halemana: Fahalemana (aiina) a.: Tsy fananana ahiahy ny mpangalatra (mandritra ny sakafo hariva): Mandry fahafemana iaika izao fa efa azo ilay mpangalatra nampihorohoro ny tandna Ahitsio
Halemena: (lemy) a.: Fahosana, tsy fananana hery na tanjaka: Ny halemen'ny olombelona. Ahitsio
Halimo: a.: Fifangaroan'ny metaly roa: ny varahina sy ny fira-potsy: Meday halimo no azon'ny fahatelo. Ahitsio
Halina: p.mt.: Enti-milazany alina talohan'ny antoandro itenenana:Nisy nikotrokotroka halina ka taitra tampoka aho. Ahitsio
Halingirana: na Halingitana (lingitra) a.: Hamaimaizana hanao zavatra. Ahitsio
Halo: (Skl) a.: Aretin-jaza eo amin'ny lohamaleminy. Ahitsio
Halo: a.: Jer. Alo. Ahitsio
Halohalika: p.mt.: Hatreo amin'ny lohalika ny halaliny: Vao halohalika ny rano ka azo robohina tsam. - F,-p,: Efa halohalika ny ranom-bary: efa akaiky dia akaiky, efa antomotra ny fahavoazana. Ahitsio
Halohalo: a.: Toetran'ny zavatra tsy ambony tsy ambany, anevanevany; zavatra toa manakontakona sy mihebiheby eo ambony maso eo. 1 Ahalohalo, voahalohalo, tafahalohalo 1 mihalohalo, fihalohalo, mpihalohal0 1 ihalohaloana, fihalohaloana. Ahitsio
Halontralona: a.: Famiratana mipendrampendrana toy ny fahitana ny onjan-drano tarafin'ny masoandro. - t.i.f.: Mihalontralona,fihalontralona, mpihalontralona 1 ihalontralonana, fihalontralonana. Ahitsio
Halony: (lony) a.: Ny fahasorisorena, fahasosotsosorana. Ahitsio
Halorina: (halotra) mt. ih. (halory): Haronina, alaina (ao anaty lavaka): Halory ny foza fa aza matahotra. Ahitsio
Haloto: Fahaloto (loto) a.: Toetran'ny zavatra na olona maloto, tsy madio. Ahitsio
Halotoana: Fahalotoana (loto) a.: Zavatra maloto, fahavetavetana: Milentika anatin'ny fahalotoana. Ahitsio
Halotra: a.: Fakana zavatra amin'ny tanana ao anaty lavaka. - t.i.f: Halorina, ahalotra, voahalotra / mihalotra, fihalotra, mpihalotra ) ihalorana, fihalorana 1 mahahalotra 1 halotralotra. Ahitsio
Halotra: (fr, halte) a.: Baikomiaramila fampijanona raha eny am-pandehanana. Ahitsio
Hama: p.t.: Enti-milaza olona miditra any anaty ny molony ambony. Ahitsio
Hamadimadinana: (madina) a.: Fahamahimahinana, fahamaodimaodiana. Ahitsio
Hamafina: Hamafisina (mafy) mt. ih. (hamafiso): Atao izay hahamafy, atao tonga mafy: Hamafiso ny tady. /Hamofiso ny fihauananareo. Ahitsio