Litera h

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Habokana: (boka) a.: Aretinkoditra avy amin'ny mikraoby iray manokana izay mahatonga toy ny atoditody ony amin'ny hoditra ka eo amin'ny tarehy no betsaka indrindra; vetivety dia miova ny endrik'ilay marary ka toa mivontovonto hafahafa Ahitsio
Hadalàna: (adala) a: Tsy fisiantsaina hieritreritra sy sitrapo hisafidy; aretin-tsaina: Tazonina ao an-trano izy fa mihetsika ny hadalany, 1 Hakelezan-tsaina: Aza kapohina re izy, fa fantatrao ihany ny hadalan'ny ankizy. / Zavatra atao tsy am-pieritreretana, fivarinana amin'ny toetra ratsy: Nanao hadalana tany indray Rakoto ka nosamborin' ny polis y. a F,-p,: Lava hadalana ohatra ny trambo: tongotra hahelika ka enti-mandady: azon'ny hadalana ka tsy mahay mitandro izay tokony hotandrovina, toy ny haja, voninahitra. ¶ M.h.: Manary ilo mby an-doha. Voninahitra an-tsobika ka atao ampatambary. / Lava hadalana ohatra ny valalan'amboa: kely mitsipaka, lehibe mandady: ny adala iray trano na ny samy adala tsy misy mpananatra. / Tsy hadalan'ny akoho no itoerany an-joro fa toeram-boazara: tay fidin'ny akoho ny anidiana azy eo anjoro (atsimo atainanana) fa eo no tokony ho anjarany - ka mandefitra izy. Ahitsio
Hadia: a: Teny entina mandroaka alika. Ahitsio
Hadihady: ft.: Tsy fisian-javatra na inona na inona. i t.if.: Mangadihady, fangadihady. Ahitsio
Hadilanana: (dilana) a: Toerana iva kokoa sady tery, anelanelan'ny havoana roa, ka toy ny andilana mampitohy azy roa ireo; tehezan-tany nakoan'ny riaka: Mahery ny rivotra an- kadilanana. Ahitsio
Hadimiana: (dimy) p.mt.: Entimilaza fe-potoana dimy andro: Tany an-tsaha hadimiana i dada. • a.: Halavam-potoana dimy andro: Avy foana ny orana nandritra ny hadimiana. Ahitsio
Hadina: (hady) mt. ih. (hadio): Loahana: Nohadin'ny riaka ny arabe ka be loadoaka. 1 Ongotana: Vomanga sa mangahazo no hohadina e? ? Fongarina, alaina (avy any anaty tany): Manjarano no nohadina teto taloha •Dinihina, fotorana: Efa nohadin' ny mpamototra ny raharahanareo. Ahitsio
Hadinika: (dinika) a.: Hakely, hanify: Mahagaga ny hadiniky ny hodi-tavan'iny Ramatoa iny. Ahitsio
Hadino: mt. ih,: Tsy tsaroana: Hadinoko ny anaranao. - Tsy tsaroana ny niteny na ny nitondra: Hadino ny hafatra. / Hadino ny boky. - t.i.f.: Hadinoina, voahadino I manadino, fanadino, mpanadino 1 anadinoana, fanadinoana / mahadino 1 hadinodino. Ahitsio
Hadinoina: (hadino) mt. ih, (hadinoy): Atao izay tsy hahatsiarovana: Hadinoy ny heloko taminao. / Aza hadinoina ny hafatro (diso ka tsY tokony hatao ny hoe: Aza hadino ny hafatro). Ahitsio
Hadio: Hadiovana, Fahadiovana (dia) a.: Toetran'ny zavatra madio, tsy misy loto: Hadion-damba re izany. / Ma-ha te hidera ny hadiooam-pitondran-tenany. / Mahafinaritra ny fahadiovan'ny tanàna. Ahitsio
Hadiry: a.: Teny ampiasaina amin'ny asa marika mba hilazana ny haben'ny zavatra iray ka ny fandrefesana azy dia amin'ny metatra tara-tala. Ahitsio
Haditra: (ditra) a.: Toetran'ny olona maditra: Tsy haditran' olona re izany! Ahitsio
Hadra: na Hadrahadra a.: Fijerena ambony raha mandeha; fihetsika miandranandrana noho ny avonavona na hatairana. i t. t f.: Ahadrahadra, tafahadrahadra 1 mihadrahadra,fihadrahadra, mpihadrahadral ihadrahadriina, fihadrahadxan ) mahahadrahadra. Ahitsio
Hadrodroka: (drodroka) a.: Toetran'ny zavatra boboka, Io; halovana. Ahitsio
Hady: a: Lavaka vita-Nanahary na nohadina tomandavana mba hikorianan'ny riaka na hiarovana ny vohitra amin'ny fahavalo na hambolen-javatra tia mandomando nefa tsy tia rivotra; tevana. - t.i.f.: Hadina, ahady, voahady / mangady, fangady (tsy fiteny firy anefa ireo), mihady, fihady, mpihady / ihadiana, fihadiana / mahahady 1 hadihady / manadihady, fanadihady, mpanadihady / anadihadiana, fanadihadiana / mahahadihady. a F.-p.: An- k ad in- kary : filazana hady misy lobolobo fonenan'ny kary, ary enti-milaza toerana any an-dakira lavitra any. f Hadin-drano: lava-drano ao anaty hady; entina milaza koa ny tamby omen'ny vehivavy izay te hisaraka amin'ny vadiny. /Hady fetsy: hady tsy mba lehibe, fa fisakanana ny biby tsy hiampita any ivelan'ny vohitra, na hady ahazoana mivoaka sy miditra izaY tsy fantatry ny vahiny, / Hady fito sosona: entina milaza ny fiarovana mafy ananan'ny vohitra na ny manda. / Hady tapaka: hady nikororosy nanjary iva ka nataon'ny rehetra lalana. / Hady voanjo: entina milaza fampitandremana (sao tsy mahalala ny mena ravina hakofoka). /Hady vory: ilazana ny lavaka na tatatra lalina natao manodidina ny tanàna nonenana mba tsy ho azon'ny fahavalo idirana. / Latsaka an-kady: potraka an-tevana. • H.o,: Enti-milaza ny olona voan'ny fahavoazana ara-karena. / Tsy nataonareo vato latsaka an-kady izahay: teny ataon'ny olona vangiana manlo amin' ny mpamangy mba hilazana fa tsy nariany tamin'ny fahoriana nahazo azy izy. * Ohab.: Hady vomangan'I-kirijavola ka ny voamasony no potsirina: midinika na miresaka momba ny raharaha iray, ka manao izany a,vy hatrany tsy misy fiolakolahana. / Hady vory faritan-tsy honenana: enti-milaza famaritan-javatra na toerana tsy an' ny tena akory. Ahitsio
Hafa: s. mi na p, ml.: Tsy izy, tsy ny voalaza: Rakoto no namono ny mamba ka ny hafa no niravaka ny nifiny (s. ml). / Olon- kafa no nanao izany fa tsy izaho (p, ml). 1 p.t.: Tsy mitovy, tsy tahaka: Hafa ity satroka itq noho itsy. - t.i.f.: Mihafa. - F.-p.: Any an-kafa: tsy eo amin'ny toerana misy ny te-na. I Any an-kafa any (izay nahatonga ny hoe any an-kafà: enti-milaza toerana lavidavitra tsy eo akaiky. 1 Hafa fandry: tsy mitovy fatory na fomba fanao amin'ny maro; enti-milaza koa ireo tsy mankatü ny mpitondra na ny dina nataon'ny mpiray fileovana ka natao koa hoe mitsivalam-pandry izy ireny, / Hafa ray, hafa reny: entina milaza olona samy mananà ny ray sy ny reniny avy saingy miombon-dray sy miombon-dreny kosa. / Samy ha-fa: tsy misy iraisany, tsy mitovy (aoka hotsarovana fa ny hoe samihafa kosa dia isankarazana no heviny). 1 Tsy misy hafa: entina milaza zavatra roa mitovy tsara, kapo-ka iray. Ahitsio
Hafahafa: p.t.: Tsy mitovy amin'ny fahita andavanandro, hafa fandry: Hafahafa ihany ny rain'Isambilo fa an-koban'andro izy mikiraro manao kompile, ny alahady izy manao malabary ary mikapa. * Miolonolona. ? TsY tsaratsara ny toe-pahasalamana: Hafahafa aho izany ka andeha hiala sasatra kely aloha. i t.Lf.: Mihafahafa, fihafahafa, mpihafahafa 1 ihafahafa-, na, fihafahafana 1 mahahafahafa. ¶ M. h, : Olona hafahafa, man-dry manokana noho ny be, hafa fandry, zanakalo. Ahitsio
Hafahafaina: (hafahafa) mt. ih (hafahafao): Soloana. Ahitsio
Hafaingana: Hafainganana, Fahafainganana (faingana) a: Toetran'ny zavatra mandeha faingana: Mahatratra 150 km isan'ora ny hafaingan'it? fiarakodia Ahitsio