Hamaola | : | Fahamaola, Hamaolana, Fahamaolana (maola) a.: Toetran'ny olona maola, mirondrona sy midola.
Ahitsio |
Hamaonjanana | : | Fahamaonjanana (maonjana) a.: Havesarana.
Ahitsio |
Hamaonjanina | : | (maoNana) mt. ih. (hamaon/ano): Atao tonga mavesatra kokoa,
Ahitsio |
Hamaotona | : | Fahamaotona (maotona) a.: Toetran'ny olona maotona, tsy mipelipelika, tsy taitaitra, tony tsara, tsy mandrivotra (andro): Ny hamaoton'ny andro.
Ahitsio |
Hamaotonana | : | Fahamaotonana a.: Hatsaram-panahy fatra-pitandrina tsy hanao fihetsika jefijefy: Ny fahamaotonana no ravaky ny zazavavy voalohany.
Ahitsio |
Hamara | : | Fahamara, Hamarana, Fahamarana a.: Toetran'ny zavatra mara.
Ahitsio |
Hamaraina | : | Fahamarainana a.: Fahatongavan'ny maraina: Mahafinaritra ny hamarainan'ny andro.
Ahitsio |
Hamarenana | : | (marina) a.: Toetran'ny tany marina izany hoe mitovy tantana hatrany. ? F.-p.: An-kamarenana: amin'ny toerana mitovy tantana.
Ahitsio |
Hamarina | : | na Hamarana (hamatra) mt. (hamaro): Fehezina amin'ny hamatra na harato,
Ahitsio |
Hamarina | : | (marina) a.: Toetran'ny zavatra marina, mitovy tantana, na tsy diso: Tsy ampy ny hamarin'ny tany eto mba hanaouana trano. / Tsy mino ny hamarin'ny zavatra lazaiko ve ianao?
Ahitsio |
Hamarinina | : | (marina) mt. ih. (hamarino): Atao izay hahamarina azy: Hamarinina aloha ny tany uao manorina trano. ? Fotopotorana ny fahamarinany: Hamarino kely ny famerim-bola nomeko anao.
Ahitsio |
Hamaroana | : | (maro) a.: Toetran' ny zavatra maro; habetsahana: Tsy azoko omena naoty betsaka ianao noho ny hamaroan'ny diso tamin'ny sorato noninao.
Ahitsio |
Hamaroina | : | (maro) mt. ih. (hamaroy): Atao tonga maromaro kokoa.
Ahitsio |
Hamasahana | : | (masaka) a: Toetran'ny zavatra masaka, na nandrahoina izany na tonga amin'ny fotoana mahatsara hohanina azy.
Ahitsio |
Hamasahina | : | (masaka) mt. ih. (hamasaho): Atao izay hahamasaka azy.
Ahitsio |
Hamasinina | : | Ankamasinina (masina) mt. ih. (hamasino, ankamasino): Anaovana fombam-pivavahana mba ho masina, hahazo hery, fahefana: Hamasino ireto fanatitra ireto, Zanahary ô! ~ Hajaina, tsaohina: Hohamasinina anie ny anaranao!
Ahitsio |
Hamasinina | : | Efa notsofindrano ny mariazy vaouao. Tsofohana (tsofoka) mt. pdr. (trofohy): Ampidirana: Tsofohona hazo ao anaty lava-ka.
Ahitsio |
Hamatra | : | a.: Fifehezana na fanaratoana taolana tapaka mba hampitohy azy na tsy hihetsiketsehany. ¶ M.h.: Harato. i t. f f.: Hamarana na hamarina, voahamatra 1 manamatra, fanamatra, mpanamatra 1 anamàrana, fanamàrana.
Ahitsio |
Hamatra | : | a.: Bandin-takolaka marary. ~ Holatra amin'ny tarehy na vozona avy amin' ny fery sitrana; ny pentina na ny lelakomby amin'ny hoditra.
Ahitsio |
Hamavo | : | Hamavoana (mavo) a.: Toetran'ny zavatra ma-vo somary vony: Ny hamavon'ny rindrina. •Fihambaniana: Tsy nijery ny hamavoanay izy.
Ahitsio |