Litera h

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Handrohandro: a: Toetran'ny orana na ny ranomaso efa madiva ho latsaka. - t.i.f.: Ahandrohandro, tafahandrohandro I mihandrohandro, fihandrohandro, mpihandrohandro f ihandrohandroana, fihandrohandroana. Ahitsio
Handroina: (handro) mi. (handro y) : Masahina amin' ny afo, na tenehina izany na ampangotrahina: Efa nohandroinao ve ny vary? (Manana endrika roa hafa izay samy fampiasa tsara io teny io: 1) ahandroina, izay nalaina avy amin'ny fifanahafan'endrika--amin'ny mt. mpamari-toe-javatra ahandroana: Efa nahandroinao ve ny vary? 2) andrahoina, izay teny mifamadi-baninteny amin'ny ahandroina ihany (jer. Ahazoana sy azahoana): Efa nandrahoinao ue ny vary? Marihina fa amin'izy telo ireo, dia ity farany no be mpampiasa indrindra). Ahitsio
Handrona: a,: Fitobian-javatra amin'ny toerana iray; fijanonan'ny rano tsy mivoaka fa mitoby fotsiny amin'ny toerana iray. - t.i.f.: Ahandrona f mihandrona, fihandrona, mplhandrona / ihandronana, fihandronana 1 mampihandrona, fampilrandrona, mpampihandrona I ampihandronana, fampihandronana 1 mahahandrona / handronandrona. Ahitsio
Handrotra: a.: Fatotra mora vahana, fehy tsy fato-maty. ¶ M.h.: Singory, - t.i.f,: Ahandrotra. Ahitsio
Hangana: p.t.: Mangidy. • La-fo, tsy ara-bidiny fa mihoapampana loatra: Manao hangana loatra ianao ka hividy any an-kafa aho. Ahitsio
Hangara: Fahangara (ngara) a.: Toetran'ny maso ngara, mara maintY. Ahitsio
Hangazana: (ngazana) a.: Toetran'ny zavatra ngazana, mai-na sady mafy: Inona no haniry amin'itony tany ngazana itony? Ahitsio
Hange: (Ski) a: Vakana mena lavalava. Ahitsio
Hangetroka: Fahangetroka (ngetroka) a: Fahamaintisana azon'ny molaly. ? Fananan-karena tsy hita velively. Ahitsio
Hangeza: Fahangeza (ngeza) a.: Habe, makadiry: Hangezan'izay biby izany. Ahitsio
Hangezana: Fahangezana (ngeza) a,: Halehibeazana: Noentanin'ny hangezany ny anao ka nieboebo izaitsizy. Ahitsio
Hangibe: a: Voasaribe. Ahitsio
Hangihangy: p.t.: Hitaho mangasihasy; mahatsiaro menatra noho ny tahotra na ny hatairana: Hangihangy foana teo i Soa nony vaky ny siny. Ahitsio
Hangilo: Fahangilo (ngilo) a: Ny hamaintisana mangirangirana: Mba tiako ny fahangilon'ity kiraro Ahitsio
Hanginana: Fahanginana (gina) a.: Toetran'ny zavatra mangina, tsy andrenesana feo na tabataba: Mahalasa vinany ny fahanginana et? ambanivohitra (tsy tokony hafangaro amin'ny fanginana: tsy fitenenana). Ahitsio
Hanifika: a.: Karazan'ahitra. Ahitsio
Hanifisana: (nify) a.: Toetran' ny zavatra manify: Tsy azo anaouana na inona na inona ity hazo ity noho ny hanifisany. - F,-p.: An-kanifisana: kely dia kely, manify kely: Ankanifisana ny anjara mofon' Ibalita ka nitomany izy. Ahitsio
Hanifisina: (nify) mt. th. (hanifiso): Atao tonga manify kokoa, analana ny hatevenany mba hanifinify kokoa. Ahitsio
Hanihanina: (hanihany) mt. ih (hanihanio): Vazivazina, esoesoina, harabirabina: Aza hanihanininao toy izao io antibavy io. Ahitsio
Hanihany: a.: Vazivazy mampiseho tsy fanajana, fanarabiana. • Fangirangirana, toetran'ny zavatra manganohano. - t.i.f,: Hanihanina, voahanihany, tafahanihany 1 mananihany, fananihany, mpananihany I ananihaniana, fananihaniana / mihanihany, fihanihanY, mpihanihany 1 ihanihaniana, fihanihaniana I mahahanihany / manganihany, fanganihany. Ahitsio