Litera h

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Hazarina: (hazary) mt. ih. (hazaro) : Amosavina, vorehina, Ahitsio
Hazary: (Atm) a.: Fanafody. Ahitsio
Hazary: a.: Ody famosaviana. i Hazarina, voahazary / manazaxy, fanazary, mpanazary 1 anazariana, fanazariana 1 hazarizary. Ahitsio
Hazavaina: (zaua, mazaua) mt. ih. (hazavao): Asiana hazavana, tsilovina: Hazauain'ny jiro ny efitrano. • Voaboasana, lazaina ny heviny: Hazavao ny hevitr'izany teny izany. Ahitsio
Hazihazy: a.: Tsy fitafiana akanjo, fitanjahana. i Mihazihazy, fihazihazy, mpihazihazy. Ahitsio
Hazingazina: p.t.: Mandondona, mivohitra mandroso. - t.i.f.: Mihazingazina, fihazingazina. Ahitsio
Hazo: a.: Anarana itambaran' ireo zavamaniry misy tahony vaventy sy makadiry: Betsaka ny hazo fa ny hazo fihinam-boa no tiako indrindra. ? H.o.: Mafy tsy azo alefitra, mahia kaozatra - F.-p.: Hazomalama: hazo lava sy mahitsy nohosorana menaka ary nasiana zavatra eny an-tendrony ka izay tafahanika eny dia mahazo amin'ireo. / Mandrefy hazo mitsangana: enti-milaza zava-tsarotra tsy mety ho vita. / Miani-kazo: miakatra amin' ny hazo maniry. / Migin-kazo: mihenahena velona. / Tokazo: hazo manirery. * Ohab.: Hazo avo halan-driuotra: der. Hala. /Hazo tokana tsy mba ala: ny be mahamena-maso, olon-drery tsy mba vahoaka. ( Ny hazo no vanon-ko lakana: ny tany naniriany no tsara: ny zavatra tsara dia avy amin'ny zavatra tsara ihany. / Ny tanora imita mandondona, ny antitra hazo amoron-teuana: enti-milaza fa na ny tanora na ny an-titra dia samy mety hopaohin-dRafahafatesana daholo. / Raha maniry ihany ny hazo tonga any an-danitra: entina mampiomana fa misy fetrany toy ny hazo maniry ny fanambinana, ny fahasoavana. / Todin'ny ambora tsy nentina ka mivongi-kazo tsy fantatra: anisan'ny fanompoana fahiny ny maka ambora any an'ala hanaovana vatam-patin'andriana; izay nanao mosalahy tamin'izany dia voasazy ka nampitondraina izay hazo hita teny ho eny: enti-milaza ny famaizana tsy maintsy mihatra amin'izay manao tsirambina ny adidiny. Ahitsio
Hazohazo: ft.: Fisalasalana ka sady tsy mandroso no tsy mihemotra. Ahazohazo, tafahazohazo / mihazohazo / ihazohazoana, fihazohazoana / mahahazohazo. Ahitsio
Hazolahy: (Btl) a.: Laona ton-ta efa gorobaka ka tampenana hoditra ny tendrony roa ary misy tady fanenjanana ny hoditra manodidina ny vatany velesina toy ny amponga. Ahitsio
Hazolahy: a.: Amponga fampi Ha; asa amin'ny lanonan-dehibe, na alohan'ny kabarin'ny manam-pahefana. TsY mahazo mikasika azy ny vehivavy fahiny teo amin'ny Ntaolo; fady amin'ny sambatra na hiram-pivavahana na lanonana fangataham-pitahiana ho an' ny tafika ny mampiasa ny hazolahy. Ahitsio
Hazolava: a.: Antso fanao raha misy fahatairana lehibe, toY ny fahatongavan'ny fahavalo, fanamian'ny jiolahy. Ahitsio
Hazomalama: a.: (jar. Hazo). Ahitsio
Hazomalanga: a.: Karazan-kazo lehibe fahita any amin'ny faritanin'i Toliary sy Mahajanga: tsara hazo, mani-pofona; anaovan'ny olona vata na tranom-pitaxatra amin'ny varavarankely. Ahitsio
Hazomanga: a: Hazo roa na te-Io karazana akambana (ny iray amin' ireo ny avlavy) atao fampianianana, izay itokiana ho tsy azo andaingana na ivadihana. Ahitsio
Hazomanga: a.: Zavamaniry voalaza ho ody miaro ny biby fiompy amin'ny aretina raha afehy eo an-tandrony. Ahitsio
Hazombato: a.: Hazo lehibe fahita amin'ny faritra atsinanana sy amin'ny afovoan-tany fanaovana trams, fa indrindra fanao kitay sy arina. Ahitsio
Hazona: a.: Fitanana, fisakanana. è Hazonina, ahazona, voahazona / mihazona, fihazona, mpihazona 1 ihazonana, fihazonana / mifangazona / ifangazonana, fifangazonana / mahahazona / hazonkazona. Ahitsio
Hazondamosina: a.: Fitambarana taolana maromaro misy loaka ka itoeran'ny tsoka, izay mifampitohitohy lava manaraka ny lamosina ary manenjana ny vatana ambony hijoro. - F.-p.: Tsy manana hazondamosina: enti-milaza olona tsy manan-tsitrapo hijoro amin'ny heviny na amin'izay tiany. / Henoy izany, ry hazondamosina: enti-milaza zavatra tsy Usina hohenoina ka ny hazondamosina — misy tsilalaon-teny amin'ny vato aman-kazo izay tsy mandre na inona na inona — no asaina mihaino azy fa tsy ny soffna. Ahitsio
Hazondrano: a.: Hazo fahita any amin'ny ala atsinanana, mety ho lava, nefa matetika antonontonony ihany, mazavazava ny volony ary fanaovana zavamaneno indrindra (amponga, gitara...) sy rafikazo samihafa vola. (Ilex mitis). Ahitsio
Hazonina: (hazona) mt. ih. (hazony): Tanana mafy tsy ho votsotra na hilefa: Hazony mafy it? omby itý sao mitroatra. Ahitsio