Litera h

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Hehitra: a.: Kaikitra. 6 t.i.f.: Manehitra. Ahitsio
Hehy: a.: Tsiky mampiseho nify noho ny hafaliana, arahim-peo mafy tapatapaka, na milcarantsana. - F.-p.: Farahehy: fihomehezana mafy somary lavareny, ka matetika entin'ny tovovavy na ny vehivavy lehibe hanesoana sy hanarabiana ny hafa. / Foy hehy: entina milaza ny zazakely izay mikakakaka sy mitokelaka voalohany. 1 Hehy be: hehy miaraka ataon'ny maro ka mandrakariva maneso noho ny toetra hitany. / Hehy ra: hehy somary mangasihasy fa vaky lainga voatsindrona amin'ny tena marina ka mody mitsiky hanafenana izany. I Hehy ranovaky: fihomehezana rodobe ary indray mien-fana avokoa. / Hehy ualaka: fihomehezana toa mampiseho tsy firaikana haniratsirana na hampisehoana tsy fitokiana an'ilay miresaka amin'ny tena. 1 Hehy voraka: fihomehezana tsy araka ny fo fa ataotao fotsiny mba hanambarana fa faly, na dia tsy izany loatraaza. 1Lokilokin'ny hehy: mihomehy an-kafaliana sy amim-pitiavana ary misesy. I Toran'ny hehy: mihomehy mitohitohy ka mlla ho sempotra eo am-pihomehezana. 1 Tsipaky ny hehy: mihomehy kely aloha vao misesy ka efa toy ny hanevika vao miato na mamonjy mipetraka. Ahitsio
Hehy: a.: Fihohazana ny tany hiparitaka, na fanelezana voan-javatra efa voangona. - t.i.f.: Hehezina, ahehy, voahehy / mihehy, fihehy, mpihehy 1 ihehezana, fihehezana 1 mahahehy. Ahitsio
Heja: ft.: Hatsaram-bika, fahajenitra. i Meja, maneja, fanejal anejana, fanejana / roiheja, fiheja 1 ihejana, fihejana. Ahitsio
Helaka: Jer. Elaka. Ahitsio
Helatra: a: Hazavana mitsoriaka eny ana habakabaka amin'ny oram-baratra, tselatra. - t.i.f.: Manelatra, fanelatra, mpanelatra 1 anelarana, fanelarana 1 helatrelatra. Ahitsio
Helehina: (helika) mt. ih, (hale-ho): Entina ao ambany helika. Ahitsio
Helenina: (helina) mt.ih. (hale-no): Lalovana na seranina vetivety. Ahitsio
Helika: a.: Ny faritra lempona amin'ny foto-tsandry ao ambany. - t.i.f.: Hahelika 1 sakelika, - F-p.: Lava helika: mpangalatra mahay manafina ny halatra ataony / Rehefa miaafo helika ny kary: mari-potoana eo amin'ny roa ora maraina eo ho eo (amin'io fotoana io no noheverin'ny ntaolo fa avy nihinan-kanina nomen' ny mpamosavy azy ny kary ka misasa). * Ohab.: Tsy miady tsy miady nefa ny kibay an-kelika ihany: entina milaza ny olona miseho ho tia nefa vonona ny hamely raha vao misy azo hararaotina. Ahitsio
Helina: a.: Fisehoana na fandalovana vetivety. - t.i.f•: Helenina, helenana, voahelina, tafahelina 1 mihelina, fihelina, mpihelina llhe• lenana, fihelenana 1 mahahelina 1 helinkelina, helingelina 1 manelingelina, fanelingelina, mpanelingelina 1 anelingelenana, fanelingelenana 1 mihelingebna, fihelingelina, mpihelingelina 1 ihelingelenana 1 fihelingelenana I mahahelingelina. Ahitsio
Helisy: (fr. hélice) a.: Vy roa rentsana izay ahodin'ny maotera eo amin'ny tratran'ny fiaramanidina ka mampandeha azy. Ahitsio
Helo: Helohelo (elo) a.: Zavatra miserantserana sy manakontakona avy eo ambony loha. - t.i.f.: Heloheloina,ahelohe-]o, voahelohelo, tafahelohelo 1 manelohelo, fanelohelo, mpanelohelo 1 aneloheloana, faneloheloana I mihelohelo, fihelohelo, mpfinelohelo 1 i-'heloheloana, fiheloheloana 1 mehahelohelo. Ahitsio
Helo: (ang. hall) a.: Toerana any amin'ny ffainan-tsy hita inoan'ny mpivavaka kristianina ho fitoeran'ireo ratsy fanahy teto an-tany ka ijaliany amin'ny tsy fahitany an' Andriamanitra; afobe. Ahitsio
Helodrano: (heloka rano) a: Fivilian-drano izay toa iangonan'ny rano noho ny toerana tsy mahitsy. Ahitsio
Heloheloina: (helohelo) mt.ih. (heloheloy): Toa andalovanjavatra miserantserana eo ambon loha. Ahitsio
Helohina: (heloka) mt.ih. (helohy): Sazina araka ny didfmpitsarana: Nohelohina natao sesi-tany roapolo taona izy. Ahitsio
Heloka: a.: Olikolika, fiolikolehana: Misy heloka betsaka ity renirano ity. ? Fandikana ny lalàn'ny Nahary na ny fitsipiky ny fitondram-panjakana; hadisoana lehibe:Heloka bevava no vitany. •Sazy, noho ny hadisoana lehibe vita: Manefa ny helony any am-ponja izy. - t.i.f.: Meloka I helohina, melohina, aheloka, voaheloka / manameloka, fanameloka, mpanameloka j anamelohana, fanamelohana / mahameloka j fahameloka I mihameloka I helokeloka. ? F.-p.: Ady heloka: ilazana ny antokom-pitsarana mitsara momba ny heloka (ny mifanohitra aminy dia ny ady madio). JHelo-drano: ilazana ny rano mitsopaka any afovoan'ny tany izay lalovan'ny ony. / Heloka bevava: ilazana ny heloka na hadisoana lehibe, toy ny nahafaty olona. J Heloka am-po tsy ambara: fanasaziana na famaizana ankasahiana tsy nolazaina ny antony. J Mamaia heloka: tsy mitahiry hadisoana amin' ny hafa fa mihavana kosa, ka manadino ny ratsy nataony tamin'ny tena / Ranomaso manentsin-keloka: entina milaza ny olona miseho amin'ny hafa ho malahelo sy tsy diso ka mitomany hanafina ny ratsy natao. / Vomanga meloka: any an-tenda ma- nitsy azy: teny enti-miangavy ny olona mba hanitsy samy irery any am-pony any izay tsy mety amin'ny teny lazaina. * Ohab.: Ny heloka ibabohana mody rariny: izay miaiky ny hadisoany dia lefahin'ny olona ny helony, fa izay miziriziry kosa vao mainka omen'ny olona tsiny. Ahitsio
Helotrelona: a.: Jar. Helingeilna, Ahitsio
Hely: (fit-p.), p.t: Kely. Helihely a.: Jar. Helohelo. Ahitsio
Hematozoera: (fr. hématozoaire) a.: Karazana mikraoby bibikely mivelona ao anaty ran'ny olona voakaikitry ny moka atao hoe anofela, ka mararin'ny tazo, mafana sy mangovitra izay voany. Ahitsio