Litera h

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Hintsy: a.: Karazan-kazo maniry amin'ny toerana ambany any amorontsiraka atsinanana; betsaka no ampiasana ny hintsy: anaovana rafi-trano na rafitra madinika na tsivalan-kazo amin'ny lalamby, fa indrindra anaovan'ny Betsimisaraka lakana sy vatampaty. Ahitsio
Hintsy: (t.tr.) a.: Hirifiry amin' ny hatsiaka. - t.i.f.: Mangintsy. Ahitsio
Hipohana: (hipoka) mt.ih. (hipohy): Fenoina, Ahitsio
Hipoka: p. t.: Enti-milaza toerana feno tanteraka ka tsy misy azo anisihana olona na zavatra intsony (matetika no entina manamafy ny hevitry ny teny hoe feno izay atao eo alohany izy): Feno hipoka ny trano ka nijoro fotsiny teny alatrano izay tratra aoriana, i t, i f : Hipohana, ahipoka, voahipokal mihipoka, fthipoka. ¶ M.h.: Feno hipoka: feno hiboka, feno hika. Ahitsio
Hira: a.: Fitohitohizam-peo misy miakatra sy midina, mafy sy malemy, namboarina mba hilaz ana fihetseham-p o; feo mirindra mahafinaritra: Mahahontsa izay hira izay. • h. : Tononkalo: Enga ante ny hirako hanony izay tomany (Ny Avana). ? Hixahira: Hira andaniana andro. - t.i.f.: Hiraina / mihira, fihixa, mpihira / ihirana, fihirana / hirahira. - Fasin-kira: ny feo fahatelo raha miaraka efatra ny mpihira, izay eo anelanelan'ny saikiny sy ny beso. / Faon-1e ira: ny naoty na solfa izay asiana teniny na tonony mba ho tongahira. / Hira gasy: entina milaza ny kabary, dihy, hira arahim-pihetsehana, ataon'ny olona maromaro iray tarika eny an-kalamanjana. / Hira madinika: entina milaza ireo hiram-pitiavana maro sy hira mitory hanin-kavana, / Hira masina na hiram-piangonana: ilazana ny hira atao ho fiderana an' Andriamanitra, ka any antrano fivavahana indrindra no fanaovana azy, / Hira rodom-be: ilazani, ny hira hirain'ny olona mihoatra ny efatra, ( Mamalan-kira: tsy manaraka ny tena feon-kira, na tsy mahatana feo, ka raha tsy lasa avo dia midina ambany. I Mamoron-k ira: manao feon-kira hihirana ny tononkira./Mandredona hira: miara-manao hira. / Mitari-kira: entina milaza ny olona mitarika na mandray voalohany ny hira eo am-piandohana. / Miventy hira: ilazanany olona maningana mialoha, dia arahin'ny maro, izay manao toy ny valin'izay nohixainy. / Tonon-kira: teny voarindra asiana feony. * Ohab.: Ny ateran-kira indray no milaza tsy mahay: enti-milaza ireo omen-javatsoa ne fa tsy mbamahay mamaly ara-panajana. / Hira va iny ka ilana pitsony?: entimilaza zavatra tsy ilana angesongesony, na fitandremana, fa tsorina amin'izao. ¶ M.h.: Kalo, kalokalo, vetso, vazo, antsa, atoa — Mihira: manainga feo, manandrapeo, miantsa, mivazo, mikalo, mitoreo, mitoloko, miredona, mandredona, mikalokalo, mivetsovetso, mitanisa. (Misy hevitra ifandraisany: Feon-kira, tonon-kira, feo voalohany, saikiny, fasiny, tonera, torebiny, beso, manao feo voalohany, manao safkiny, manao fasiny, manao beson-kira, manao feo an-doha, manao angoa: tenda). Ahitsio
Hiraina: (hira) mt.ih. (hirao): Atao an-kira: Hirao ange "Ry tanindrazanay malala". Ahitsio
Hirana: Hirangirana a.: Fahazavana kely, toy ny fahazavana maninteraka amin'ny hirika na loaka kely: Tsy mahita hirangirana. ~ Hirika na loaka idiran'ny fahazavana. ~ Taratry ny hazavana mianjera amin-javatra malambolambo, fitomarataratra. - t.i.f.: Hirangiranina / mangirana, mangirangirana, fangixana, fangirangirana. Ahitsio
Hirangiranina: (hirangirana) mt. ih. (hirangirano): Jerena amin'ny loaka, amin'ny hirika kely. Ahitsio
Hiratra: a.: Fisokafan'ny maso; tsy fan daingan'ny mizana fandanjana. - t.i.f.: Ahiratra, voahiratra, tafahixatra / mahiratra, fahiratra, mpahiratra / ahiratana, fahiratana / mihiratra, fihixatra / ihiratana, fihixatana / mahahiratra I hiratriratra, Ahitsio
Hiratra: (t,tr.) a.: Maso. Ahitsio
Hirifana: (hirika) mt,ih. (hirifo): Loahana: Nohirifana tamin'ny fandraka ny hazo. 1 Tadiavina ho fantatra, haro-fana: Nohirifany mafy ny hahaiala rny heuitro. ~ bina mafy ho azo: Hirifako io boky io. Ahitsio
Hirifiry: a.: Fanaintainana no-ho ny aretina; fijaliana anaty ateraky ny alahelo, - t.i.f.: Mangirifiry, fangirifiry / angirifiriana, fanghifiriana / mampangirifiry. Ahitsio
Hirigirika: a,: Marika na tomboka kely atao amin'ny vy maranitra. Ahitsio
Hirihiriny: p.t.: Tana izy tsy misy fangarony; izy tsy mbola nisy fanampiny hafa: Ra-ha uao mahita Malagasy mahay mandanjalanja sy tia fihavanana aho, dia hoy aho hoe "Izany ka mbola Malagasy hirihiriny", Ahitsio
Hirihiry: a.: Fihenahenana tsy miteny na mihetsika; fandavana jadona amin'izay lazaina azy; fanehoana di-doha tsy hanaraka ny hevitry ny hafa. - t.i.f.: Ahirihiry, tafahirihi ry I mihfrihiry, fihirihfxy, mpihirihiry / ihirihiriana, fihirihiriana / mahahirihiry. Ahitsio
Hirijy: a.: Karazam-bakana. Ahitsio
Hirika: a.: Lavaka na loaka kely ahazoana mahita ny any ambadika; fitadiavana hahalala; faniriana mafy hahazo zavatra. - t.i.f.: Hirihana na hirifana, ahirika, voahirika / mangirika, fangirika, mpangirika / angirihana, fangirihana / mahahirika. Ahitsio
Hirina: a.: Fanakimpiana ny mason'ny maty amin'ny ta-nana. i t.ti,f: Ahirina, voahirina, tafahirina 1 manirina, f anirina, mpanirina / anirinana, fanirinana f mihirina, fihirina, mpihirina 1 ihirinana, fihirinana / mahahirina I hiringirina na hirinkirina I ahiringirina / mihiringirina, fihiringiYina, mpihiringirina / ihiringirinana, fihiringirinana. Ahitsio
Hirintsina: Jer. Horintsina. Ahitsio
Hiripika: a.: Fisintonana hiala; fanalavitana noho ny tsy fitiavana na hasosorana. 1 t. i,f.: Tafahoripika I mihoripika, fihoripika, mpihoripika / ihoripihana, fihoripihana 1 horipidripika, Ahitsio