Litera h

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Hogahogaina: (hogahoga) mt ih. (hogahogao): Antsointsoina taisy antony; esoeaoina, horakorahina, harabirabina: Nohogahogain'ny ankizy izy taorian'ny fihetsika hafahafa nataony. Ahitsio
Hogo: a.: Filamaky ny volo: Tsara hogo izany voionao izany. •Fandaminana ny volo misaritaka mba hilamaka isara: Mahatsikaiky ny hogo volon'Ibozy. ~ Fandraotana ny tsira-kofehy hilantolanto. è t.i.f.: Hogoina, ahogo, voahogo J manogo, fanogo, mpanogo / mihogo, fihogo, mpthogo / ihogoana, fihogoana / anogoana, fanogoana J mahahogo J hogohogo. Ahitsio
Hogoina: (hogo) mt ih. (ho-goy): Raotina mba hilamaka tsara. Ahitsio
Hoha: a.: Antsoantso mafy entina miantso vonjy; horakoraka, akoralava entina maneso. - t.i.f.: Hohaina, voahoha I mihoha, fihoha, mpihoha / ihohana, fihohana / mahahoha. Ahitsio
Hohaina: (hoha) mt ih. (hohao): Akoraina, horakorahina: Natahotra ny hohohain' ireo ankizy adala ireo aho ka naleoko nandositra Ahitsio
Hohazana: (hohy) mt. ih. (hohazy): Hadina tsy lalinaloatra amin'ny tanana na tongotra: Hohazan'ny saka ny tany. 1 Fokarina: Nohohazan' ny akohonareo ny vomanganay. ? Tadiavina, karohina ho fantatra: NohohazandRakoto ilay zavatra noresahintsika, fa tsy niteny aho na indraim-bava aza Ahitsio
Hoho: a.: Kaxazandrazana tandroka maniry eo amin'ny loha rantsana: Hohon-tsaka • h. o, : Rangotra: Safosa fo tonga hoho (Rabearivelo). 1 t.if.: Hohoina. - Kely hoho: kahihitra velona. I Kely ohatra ny tain-koho: kely dia kely, pitiny kely. Ahitsio
Hoho: (Ski) a: Karazam-bitsika vaventy izay manao trano tany amin'ny hazo, mahery mihazakazaka, misy poizina mampanaintaina raha voakaikiny. Ahitsio
Hohofana: (hohoka) mt. ih. (hohofy): Saronana: Tokony hohofana harona ny akoho mikotrika. • Orohana: Nohofan-dreniny ela tao ilay zanany nieren'ny loza Ahitsio
Hohoina: (hoho) mt. ih. (hohoy): Alana na rangotina amin'ny hoho. Ahitsio
Hohoka: a: Fametrahan-javatra ny vavany no atao ambany; fatoriana ka ny kibo no atao ambany mandry. - t.i.f.: Hohofana, ahohoka, voahohoka, tafahohoka / manohoka, fanohoka, mpanohoka / anohofana, fanohofana / mifanohoka I mihohoka, fihohoka, mpihohoka I ihohofana, fihohofana / mahahohoka / hohokohoka / ankohoka, ankohofina I manankohoka, fanankohoka, mpanankohoka I anankohofana, fanankohofana / mifanohoka I miankohoka, fiankohoka, mpiankohoka / iankohofana, fiankohofana I mahahohoka I ankohonkohoka. Ahitsio
Hohona: a: Fanambombana amin'ny sandry; fiarovana atao mba tsy haharatra na ho voan'ny hatsiaka ilay kobonina; famihinana eo an-tratra ny zanaka. 1 t.if.: Hohonina, ahohona, voahohona / manohona, fanohona, mpanohona j anohonana, fanohonana I mihohona, fihohona, mpihohona I ihohonana, fihohonana I mahahohonalhohonkohona / ankohonana. Ahitsio
Hohonina: (hohona) mt. ih. (hohony): Mbombana, fihinina ao an-tratra. Ahitsio
Hohy: a.: Fihadiana tany mitsi- poretika sady tsy lasa lalina; fihadiana ny tany etsy sy eroa amin'ny tanana na ny tongotra; fangatahana tsy misy fiatoana hahazoana na hahafantaran-javatra. i tif: Hohazana, ahohy, voahohy / manohy, fanohy, mpanohy / anohazana, fanohazana / mihohy, fihohy, mpihohy / ihohazana, fihohazana / mahahohy / hohihohy. Ahitsio
Hoika: na Hoiky t.p.: Teny tenenina raha sempotra na sasatra nony mijanona na mijoro kely avy niaka-piakarana: Kotka! mideza koa izany raha fiakarana. - t.i.f.: Mihoika. Ahitsio
Holafitra: na Holafiny a.: Fitambaran'ny akondro iray sampaho izany hoe miangona amin'ny tendron'ny taho anankiray. • h.o.: Fizarana, toko, antoko. - F.-p.: An-kolafitra: isantokony. / Manao an-kolafiny: mitambatra manao andaniny ny tena mba hiady na hifanohitra amin'ny ha fa. / Be holafiny: antokomiaramila misy miaramila arivo lahy, * Ohab.: Ny olombelona toy ny embok'akondro ka raha manondro lanitra, iray ihany fa raha mitsontsorika, samy manana ny holafiny: enti-milaza ny firaisam-piavian' ny olombelona na dia misampana ho karazany maro aza (ohab. mit.: Lad?m-boatavo ny olombelona: raha fotorana, iray ihany). Ahitsio
Holaitra: a: Fihodivirana, ela• nelana kely dia kely tsy hahavoa. - t.i.f.: Miholaitra, fiholaitra, mpiholaitra / iholairana, fiholairana. Ahitsio
Holamena: a.: Aretin-koditra mamaritra mena toy ny tandomerina, fa izy maharitra mamela holatra, Ahitsio
Holandey: (fr. hollandais) a: Ny mponina tompon-tany ahy amin'ny tanin'i Holandy: Mipetraka amin'ny tany ambanin'ny haavon'ny ranomasina ny Holandey. ? p.t.: Momba an'i Holandy na an' i Holandy na avy any Holandy: Sarotra ny mandresy ny ekipa holandey amin'ny baolina kitra Ahitsio
Holantrolana: a.: Fahasarotsarotana. i t.f.f: Miholantrolana, fiholantrolana, mpiholantrolana / iholantrolanana, fiholantrolanana. Ahitsio