Litera h

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
homby:«homby»: midika hoe "antonona" na "sahaza" samy azo ilazana azy na ny toerana ampidiran-javatra na ny zavatra ampidirina amin'io ka toerana io ohatra: -tsy homby anao iny pataloha iny. (Tsy antonona, tsy sahaza) -hafaliana tsy homby tratra (mihoatra ny tratra) Ahitsio
Homehy: (h - om - ehy) mt.p.: Misoka-molotra mampiseho nify ho fanehoana hafaliana na koa fanesoana koa aza: Sahy homehy ahy ve ianao? / Tsy fanao ny homehy lavo. (Ankehitriny dia ny hoe mihomehy no fampiasa indrindra). i tif: Mihomehy, fihomehy, mpihomehy / ihomehezana, fihomehezana 1 mahahomehy / homehimehy. - F.-p.: Aza homehy lavo: ny fahalavoana, hono, tsy maha-lehibe, ka entina nananatra izany fandrao mba potraka koa ny tena any andro. / Mihomehy rindrim-baky: ilazana ireo olona mihomehimehy foana na dia tsy misy tokony hihomehezana aza; ny tsy ampiampy saina no manao toy izany. * Ohab.: Aleo manontanitany foana hihomehezana toy izay manaonao foana hotezerana: ilazana ny olona tsy ta hanao kitoatoa ka manadinadina sy mamakafaka tsara aloha vao manao zavatra. / Taolana ny nify ka mihomehy: entina milaza fa mety hisy toe-javatra tsy maintsy itsikiana, na dia amin'ny voina na fahoriana mahazo aza. Ahitsio
Homoka: sy Homokomoka a.: Fitsakoana na fihinanana zavatra afinafenina ka tsy sokafana mihitsy ny vava amin'izany. i t.i, f : Homokomohina, voahomokomoka / manomokomoka, fanomokomoka, mpanomokomoka / mihomokomoka, fihomokomoka, mpihomokomoka / ihomokomohana, fihomokomohana / mahahomokomoka. Ahitsio
Homokomohina: (homokomoka) mt ih. (homokomohy): Tsakoina, ajanona ao anaty vava nefa tsy sokafana akory ny molotra. Ahitsio
Homosy: sy Homosimosy p. t: Voahosy, voahitsakitsaka, maosy. Ahitsio
Hona: sy Honahona a: Fotaka malemy sy mandrevo ary la• lina. - t.i.f.: Mangonahona. Ahitsio
Honahina: (honaka) mt. ih. (honahy na honaho): Vontosana, hetsahina. ? Velezina mafy ; havokavohana. Ahitsio
Honaka: p. t. sady a.: Tsy mahahetsika noho ny halehibiazan-doatra na noho ny aretina; tsy fahafahana miarina am-pandriana; vonto, hotsaka. 1 h.o.: Vono, fametsapetsana. - t.i.f.: Honahina, ahonaka, voahonaka, tafahonaka / manonaka, fanonaka, mpanonaka I anonahana, fanonahana i mihonaka, fihonaka, mpihonaka lihonahonahana,fihonahonahana. Ahitsio
Honankonana: p. t.: Malemilemy borerarera toy ny nofon' olona monamonany matavy. 1 Mihonankonana, fihonankonana, mpihonankonana. Ahitsio
Hondrahondra: a: Fihevingevenana na fihofahofana, toy ny an'ny volon'olona lava mihazakaz aka. - t.i.f.: Mihondrahondra, fihondrahondra, mpihondrahondra / ihondrahondrana, fihondrahondrana. Ahitsio
Hondrahondra: p. t.: Malemy bodaka; mohaka tsy maharin-tena. - t.i.f : Ahondrahondra, voahondrahondra I mihondrahondra, fihondrahondra, mpihondrahondra / ihondrahondrana, fihondrahondrana. Ahitsio
Hondratra: p.t.: Taitra mien ta-na noho ny tahotra. Ahitsio
Hondratra: a.: Fientanana; hovitrovitra ateraky ny tahotra; firongatra na forofo-bay madfnika toy ny nendra, bonibony, hatina. i Mihondratra, fihondratra / ihondratana, fihondratana, hondratrondratra Ahitsio
Hondrihondry: na Hondrihondriny a: Enti-milaza irony zana-borona fiompy matavy, dongadonga kely. Ahitsio
Hondrokondrohana: (hondrokondroka) mt. ih. (hondrokondrohy): Hatsina amin' ny fihetsika jefijefy. Ahitsio
Hondrokondroka: a: Fihetsika jefijefy mandranitra ny filan' ny nofo raha mandihy. 6 t.i. f.; Hondrokondrohana i manondrokondroka, fanondrokondroka / anondrokondrohana, fanondrokondrohana 1 mihondrokondroka, fi• hondrokondroka, mpihondrokondroka / mahahondrokondroka. Ahitsio
Hondry: a: Refy hatramin'ny tendron'ny ankibe atsotra ka hatramin'ny fanondro avonkina eo amin'ny tonony faharoa (ny hondry dia mitovy halava amin'ny vodivoam-pelatanana mahery voatondro roa), Ahitsio
Honikoina: a.: Fihetsehana toa manara-ba. à t.if.: Ahonikonika / mihonikonika, fihonikonika, mpihonikonika / ihonikonihana, fihonikonihana. Ahitsio
Honina: na Honinkonina a: Fahasahirankiranana amin'izay atao. amin'ny fiomanana an'izay hatao, amin'ny famonjena zavatra maro indray atao, amin'ny fanamboamboarana zavatra ao anaty lamba tsy tiana ho hitan'ny olona. 1 t.f.f.: Mihoninkonina,fihoninkonina, mpihoninkonina / ihoninkonenana, fihoninkonenana. Ahitsio
Honjihonjy: na Honjohonjo p. t.: Irery, tsy misy afa-tsy... (enti-milaza olona tokana na vitsy izay marihina fa mandeha irery); tsy misy olonkafa miaraka aminy: Honjohonjoko izaho irery nody tamin'iny takariva iny. / Honjihonjinay telo mianaka nihazo iny lalana mianavaratra in y. Ahitsio