Litera i

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Itokanana: (tokana) mt. pt. (itokano): Anaovana lanonandehibe alohan'ny hampiasana azy: Tamim-pomba lehibe sy manetriketrika no nitokanana ilay trano fiangonana vaovao. Ahitsio
Itosana: na Otosana (ito) mt. ih (itosay, otosay): Tapahina tangarana, sarahina aminkery. Ahitsio
Itoy: sy itony p. mdr. sy s. mdr. misy tovana mitovy hevitra sy fampiasa amin'ny ft. "ito" na "it?": Mampilendalenda itoy voankazo itoy. / Itony ka tena zauotra! Ahitsio
Itsy: p.mdr. sy s.mdr.: Entimanondro zavatra na toerana akaiky somary an-tsisintsisiny: Ovay toerana itsy sary itsy. / Omeo ahy itsy, ry Ikoto a! Ahitsio
Itsy': p.mt.: (ialohan'ny "aoka" mandrakariva) entina mandrara tsy hanao zavatra, omban'ny sisi-kevitra manao hoe "raha manao dia mahita faisane": Aoka its? fa sao mahita angano eo ianao. Ahitsio
Ity': p.mdr, sy s.mdr.: Enti-manondro zavatra akaiky an' ilay miteny, na eny an-tanany mihitsy aza:Lehibe tokoa it? trano ity. /Homeko anao ity boky ity raha tianao. / E-sory any ity fa tsy tiako. Ahitsio
Iva: p. t: Ambany, tsy avo: Iva fanidina ny akoho. 1 h.o.: 1) reraka dia reraka: Efa iva ny ain'ny marary; 2) tsy ambony: Iva toetra iny olona in y. i Ivaina, aiva, voaiva f maniva, faniva, mpaniva 1 a• nivana, fanivana 1 miiva, füva 1 ivana, fivana f mahiva I ivaiva 1 manivaiva, fanivaiva, mpanivaiva f anivaivana, fanivaivana 1 fahivana, hahivana. - F-p.: Iva dia: (fiteny amin'ny biby) fohy bozenizeny. f lup ranjana: (fiteny amin'ny olona) fohy ranjo. ¶ M.h.: Fohy, botry, zeny, bozeny, kely, boteta, botetaka, Iva dia iva, misafosafo amin'ny tany, mirefarefa amin'ny tany. Ahitsio
Ivaina: (iva) mt. ih. (ivao): E-trena, zimbazimbaina. Ahitsio
Ivaka: sy Ivakivaka a.: Tsy fanarahana ny tena lalana, fanavatsavana sy fanitsiana fotsiny amin'izao. - t.i.f.: Ivakivahina, aivak'rvaka, voaivakivaka 1 manivakivaka, fanivakivaka, mpanivakivaka 1 anivakivahana, fanivakivahana f mahaivakivaka. Ahitsio
Ivakivahina: (ivakivaka) mt. ih. (ivakivaho): Lalovana eo afovoany, atositosika na alavo mba handehanana. Ahitsio
Ivelany: p. t.: Hita maso: Marevaka ny loko ivelany. • p. mt.: Tsy ao anaty: Lasa any ivelany izy. 1 ppk.: Tsy ao anatin'ny: Ataovy madio tsara ivelan'ny trano. • a.: Endrika, tarehy, bika, toetra hi-ta maso: Tsara ny ivelan'io trano io. / Tsarovy fa manodoka matetika ny iuelany. Ahitsio
Ivivy: ft.: Loiloy, lebolebo. 1 t i. f : Maivivy, faivivy, mpaivivy 1 aiviviana, faiviviana. Ahitsio
Ivo: a: Ny afovoany amin'ny velarana iray. - t.i.f: Manivoana, fanivoana, mpanivoana 1 anivoanana, fanivoanana 1 anivo, anivony, aivo. - F.-p,: Ivondanja: ny afovoany mitondra ny zavatra iray manontolo. / Ivomparibolana: ny afovoan'ny faribolana. Ahitsio
Ivoho: (voho) p.mt sy ppk.: Andamosina, ambadika, tsy eo anatrehana: Mipetraha ianao eo ivoho. / Mandry iuohon'ny vato. - t.i.f : Manivoho, fanivoho, mpanivoho J anivohoana, fanivohoana. - F.-p.: Mandry iuohon'ny vato: enti-milaza olona tsy manan-kahina na kely aza satria toy ny mandry ao andamosin'ny v ar avar am -bato. J Masoivoho: solontena mahatapaka any amin'ny toerana hafa. Ahitsio
Ivy: a: Tsiranorano teraka ho azy ao anaty vava ka mahamora ny fitsakoana ny hanina sy ny fitelemana azy. - t.i.f.: Ivivy 1 maivivy, faivivy, mpaivivy f aiviviana, faiviviana I marikivy. - F.-p.: Miteraka ivy na mitoraka ivy: mandranorano, mitsiranorano: Mbola miteraka ivy it? fery / Tantinivy: tapa-damba kely voazaitra atao eo ambany saokan'ny zazakely hiaro ny akanjony amin'ny iviny raraka lava. * Ohab.: Raraka ivy alohan' ny mpamaky voasary: mientana iray ihany eo anoloan' ny zavatra iray nefs ny olona voakasiny akaiky aza tsy mbola miraika akory. Ahitsio
Iza: parent.: Atao eo aorian' ny anarana ka entina milaza olona: Ankizy iza no nandrouitra it? bokiko ity? nefs azo ilazana zavatra koa izy ka amin'izay entina manavaka ny iray amin'ny zavatra anankiroa na betsaka voalaza: Satroka iza amin'ireto no hovidinao? / s.mnt.: Manao ny ankabeazan'ny asan'ny anarana ary enti-milaza olona indrindra: Iza no nanambara izany vaovao izany taminao? / Zanak'iza it? zaza ii-y? nefs mety hilaza zavatra na biby ny "iza" mpis. an. raha ta hanavaka ny iray amin'ny zavatra roa na betsaka: Iza no hoentinao amin' ireto omby ireto? Ahitsio
Izahay: s.o.: Fanao teny lazaina misolo ny olona miteny raha maro ka manavaka ny tenany amin'ny olona itenenany izy: Maiagasy izahay fa ianareo vazaha Indraindray mety azo asolo ny "izaho" ny "izahay" raha misy olona hafa voalaza ho miaraka amin'ny tena miteny: Nitsidika anao teto izahay sy Rakoto fa tsy nahatratra anao. Ahitsio
Izaho: s.o.: Enti-misolo ny olona miteny raha tokana ka a-tao teny lazaina: Izaho no nisotro rano tamin'ity kaopy ity. (Miova ho "aho" ny "izaho" raha tsy antitranterina ny filaza ny teny lazaina ka atao ao aorian'ny matoanteny mamarana ny fehezanteny: Nisotro rano tamin'it? kaopy ity aho). - t.i.f.: Mizahozaho, fizahozaho, mpizahozaho f izahozahoana, fizahozahoana. Ahitsio
Izaitratra: p. t.: Be dia be, sesehena: Izaitratra ny mpianatra tsy afa-panadinana tom in' t? taona Ahitsio
Izaitsizy: p. mt.: Fatratra, be dia be na mafy dia mafy: Nihoraka izaitsizy ny vorona vahiny (J.N.). 1 Tokoa tokoa, indrindra indrindra, mihoatra noho izy, noho ny antonony: Nihinana izaitsizy Ikoto androany ka tsy mahagaga raha tsy mahalevon-kanina ny adala. Ahitsio