Litera i

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Indroasina: na Indraosina na Indraozina (roa) mt ih. (indraosy): Averina fanindroany: Tandremo sao indraosinao iny fahadisoanao iny! Ahitsio
Indry:Misolo ny olona itenenana, fampiasan'ny samy vehivavy mifankazatra fatratra, na indraindray rehefa tezitra izaitsizy, toy ny "ialahy" amin'ny samy lehilahy: Indry ve tsy mahita mpampianatra zavamaneno hampianatra ahy? Taiza aho no hitan'indry nanendrikendrika an'indry Ahitsio
Inefatra: p.mt.: Enti-milaza fiverenan-javatra intelo miampy Indray mandeha. i t.Lf: Maninefatra, faninefany. Ahitsio
Inenina: p.mt.: Enti-milaza fiverenan-javatra indimy miampy Indray mandeha. - t.i.f.: Maninenina, faninenina. Ahitsio
Ineny: a.: Teny iantsoana ny reny na ny vehivavy lehibe mendri-panajana izay tokony ho renin'ny tena. Ahitsio
Inga: na Ainga a: Tombony ambony ihany: Nahazo ingan'andro efatra taminay ianareo tamin'ny fe-potoana fialan-tsasatra farany tao. Ahitsio
Ingahy: a: Teny fanajana fametraka eo alohan'ny anaran-dehilahy mendrika hohajaina noho ny raharaha na ny toerana misy azy, indrindra ny taona: In ty tonga Ingahy Rainibe./ Ohatrinona itsy, ry Ingahy mpivarotra? Ahitsio
Inginingina: ft.: Fitsanganana na fipetrahana maka avoavo na eo ambonin'ny zavatra avoavo, na ny loharantsana no mitondra ny tena raha mitsangana na ny voditongotra raha mipetraka. Ahitsio
Ingisa: p.i.: Isa (voalohany a min'ilay teniteny tsisy dikany ataon'ny ankizy mianatra manisa hatramin'ny fo-Io): ingisa, ingoa, talonga, ndrafanga, diminga, eniminga, tsitonga, valonga, tsivaza, ego. Ahitsio
Ingoa: p. i.: Roa (amin'ilay fiteny fanaon'ny ankizy taloha mianatra manisa hatramin'ny folo), Jer. Ingisa. Ahitsio
Iniana: (nia) mt.ih. (inio): A-tao an-tsitrapo marina: Niniako nafenina ilay voankazo vao novidina satria tsy mbola masaka tsara. - Iniana atao, atao fanahy iniana: tsy mba sendra sendra na tsy nahy fa tena an-tsitrapo mihitsy. / Manao fanahy iniana: manao zavatra an-tsitrapo. ¶ M.h.: Niavina. Ahitsio
Injany: p.mt.: Enti-manondro amin'ny eritreritra feon-javatra tsy dia lavitra: Injany maneno ny lakolosy. Ahitsio
Injao: Jar. Inao. Ahitsio
Injay: Jar. Inay. Ahitsio
Ino: ft.: Fiaikenahomarina - t.i.f.: Inoana I mino, fino, mpino / inoana, finoana 1 mahaino Iinoino. Ahitsio
Inoana: (ino) mt.ih. (inoy): E-kena tanteraka: Inoako ny fahaizan'ny olo-mahay ankehitriny. ? Ekena ho marina, ekena fa misy: Tsy azo inoana izany. Ahitsio
Inona: p.mnt. sy s.mnt.: Entimanontany. 1) Inona mpamaritra anarana dia atao eo aorian'ny anarana ka entina milaza zavatra: Hena inona no hovidina? — nefa azo ilazana olona koa izy raha enti-manontany toetra: Olona inona iny niresaka taminao iny: mpiasa birao sa mpiasa tany? (olona iza no atao raha ny anarana mihitsy no anontaniana). 2) 1-nona mpisolo anarana koa dia enti-milaza zavatra: Inona no tianao, vomanga sa mangahazo? / Nihinana inona àry it? zaza it? izany? nefs, toy ny voalaza er? ambony, azo ilazana olona koa ny inona raha toetra no a nontaniana: Inona ianao, kristianina sa tsy mpino? - t.i.f: Maninona 1 mampaninona 1 mifaninona 1 mahainona 1 inoninona 1 ninoninona 1 tsinontsinona 1 ani-, nona 1 ohatrinona. - F.-p.: Inona aho no handeha eo: milaza fa tsy ho afaka handeha. j Inona fa tsy lama izy: enti-milaza fa lasa tokoa na tsy traira izy. I Inonao izy: manontany ny fatoram-pihavanana misy amin' olona roa tonta. / Na inona na inona: izay zavatra rehetra... Ahitsio
Inona: a: Fisotroana tangena. 1 t.i.f : Minona, finona, mpinona / inomana, finomana / mahainona 1 mampinona / fampinomana. Ahitsio
Inspektera: (fr. inspecteur) a.: Manamboninahitra amin'ny Polisy izay miandraikitra indrindra ny fikarohana ny mpanao ratsy sy ny famotorana na fakana am-bavany ny olona ahihina ho nanao izany. Ahitsio
Intelo: (telo) p. mt: Miverina indroa miampy indray mandeha. - t.i.f.: Manintelo, fanintelony. Ahitsio