Litera j

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Jeometria: (fr. géométrie) a.: Antokon-tsiansa ianarana mandinika momba ny erana sy ny karazan-tsary amambikan-javatra eo anivon'io erana io. Ahitsio
Jeometrika: (fr, géométrique) p.t.: Momba na an'ny jeometria: Ny telolafy no sary jeometrika tsotra indrindra, Ahitsio
Jerena: (jery) mt. ih. (jereo): Ifantohan'ny maso: Jereo tsara ny lalana fa be lauada• uaka 1 Tandremana: Tsy jerenao tsara ny asanao ka manjary be diso. ~ Karakaraina: Tsy nojereny akory ilay zana-kauany kamboty. Ahitsio
Jery: a.: Fanopazana ny maso, fitazanana: Nanao fara jery ilay tanàna izy nony tonga teo an-tampon-kavoana dia lasa. 1 t.if: Jerena, ajery, voajery, jinery I mijery, fijery, mpijery I ijerena, fijerena I mahajery 1 jerijery. - F.-p.: Jery vilana: halapijery, fijery mitsipalotra mandalo kely fotsiny. / Manao jery vilana, jery kely: mody tsy mijery nefa mahita tsara ihany. ¶ M.h.: Mangala-pijery. / Tsy an-jery (p. mt.) na tsianjery (a): fomba fianarana na filazana zavatra tsy mijery boky fa ankandrina fotsiny amin'izao. Ahitsio
Jia: a.: Ravin-drongony voamboatra hofohina. Ahitsio
Jiaby: (Tsm) p. t.: Rehetra, daholo. Ahitsio
Jiafotsy: a.: Lamba vita amin' ny hoza-dravin-drofia. Ahitsio
Jiba: Fiovan'ny teny hoe Jaba. Ahitsio
Jibika: p.t.: Fano, be rano (tanimbary). Ahitsio
Jibina: Mitovy amin'ny Jabaina: Maizina dia maizina, mikitroks. Ahitsio
Jidina: a.: Fijoroana mahitsy, mijadona, mijajirika. - t.i.f: Ajidina / mijidina I ijidinana, fqidinana. Ahitsio
Jifa: p.t.: Jejo, pilaka, maivandoha. - t.i.f.: Jifaina, ajifa, voajifa, jinifa / manjifa, fanjifa, mpanjifa / anjifàna / mahajifa I majifa 1 jifajifa j mijifajifa, fijifajifa, mpijifajifa / ijifajifàna, fijifajifana / mahajifajifa, Ahitsio
Jihijihy: a.: Fanaintainana no-ho ny aretina, tahaka ny fia-fia, ohatra. - t.i.f: Mijihijihy, fijihijihy, mpijihijihy 1 ijihijihiana, fijihijihiana. Ahitsio
Jihina: a.: Fampisehoana bika amin'ny haingo anaovana. i t.i.f: Mijihina I ijihinana, fijihinana. Ahitsio
Jihitra: p. t.: Maty eo no ho eo: Taloha tsy navelan'ny fokonolona raha.tsy jihitra izay nangalatra tao an-tsena. ¶ M. h.: Dangy, jingy, fohatra. ? Mihinjitra noho ny hatsiaka: Jihitry ny hatsiaka alto ka nody. Ahitsio
Jijaka: p. t.: Tsemboka be. Ahitsio
Jijijijy: a.: Famindra fohy dingana, ka toy ny mandihy. • Fitarainana noho ny fanaintainana amin'ny aretina. - t.i.f.: Mijijijijy, fijijijijy, mpijijijijy / ijijljijiana, fijijijijiana / mahajijijijy. Ahitsio
Jijika: p. i : Ohatra ny Jijaka. Ahitsio
Jijina: (jijy) mt. ih. (jijio): Kendrena am-pitandremana fatratra, toy ny ataon'ny mpilalao kanety izay ampanatonina tsikelikely ny vava lavaka, kalina. • Tsihifina, alaina na hanina tsikelikely: Nojijin'ny adala ny vola tao ambatarsdrai ben y. Ahitsio
Jijy: (Tsm) a.: Tantara am-bava, hira entina mitanisa zavatra. Ahitsio