Litera j

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Jobonina: (jobona) mi ih. (jobony): Fantenana, fidina: 0-lona notsongaina tao anatin' ny zato ianao, nojobonina tao anatin'ny arivo. Ahitsio
Jofo: a: Fisavoanana, fitambolimbolenan'ny rivotra na ny setroka miakatra, fisosososoana, fahasahiana misosososo amin'ny zavatra misy 10 t. Jofoana, jofoina, ajofo, voajofo, tafajofo / manjofo, fanjofo, mpanjofo I anjofoana, fanjofoana I mifanjofo I mijofo, fijofo, mpijofo j ijofoana, fijofoana / mahajofo I jofojof o. Ahitsio
Jofoana: na Jofoina (jofo) mt. pdr, (jofoy): Irarahan'ny vovoka na andrarahana vovoka: Nojofoany vovoka ny masoko ka tsy nahita izay ambonin'ny tany aho. ? Ianjerana, iantontana. ~ Hanina: Nojofoin'ny kisoa ny vomanganay ka tsy nisy niangana. Ahitsio
Jogy: (angl. jug) a.: Fitoerandrano lava vatana mitsangana. Ahitsio
Johary: a: Teny tranainy entimilaza ny masoandro, izay mbola fandre ankehitriny amin'ny kabary: Tsy hanao tehin-kely mialoha andriana aho na kintan-kely mialoha johary. Ahitsio
Johy: na Johijohy a.: Fandeha somary miroraka fa lenan'ny orana na mangatsiaka, mitsoitsoy fa kotsan'ny orana - t.i.f.: Tafajohy l mijohy, fijohy J ijohijohiana, fijohijo-,hiana i mahajohy. Ahitsio
Jojo: a: Fisosana moramora misononoka; firotsahan'ny orana moramora eo ampovoan'ny andro tony tsy ampoizina hisy orana. - t.i.f.: Ajojo, tafajojo I mi-jojo, fijojo, mpijojo / ijojoana, fijojoana / jojojojo. Ahitsio
Jojy: (t.tr.) p.t.: Latsa-dranomaso, mijononoka ranomaso. Ahitsio
Jokaiky: a: Fitakokoana manjonitra toamalahelo. i tif:: Tafajokaiky I mfjokaiky, manjokaiky, fijokaiky, mpijokaiky / ijokaikena, fijokaikena / mahajokaiky. Ahitsio
Jokajoka: a sady p. t.: Tsanganana, ha*aram-bika, maroroka sady tsara bika. 1 t.if.: Mijokajoka, fijokajoka. Ahitsio
Joko: p.t.: Miondrikondri-doha, mivokobokoka toa menamenatra na matahotra: Tsy tiako iny olona iny fa joko tsoriaka mahasambo-kary. ~ Midina na mitsontsorika, tsy mitraka fa mitanondrika na mifeloka (tan drok'omby): Joko ny tandrok'it? omby ity ka tsy tiako, aleoko itsy solanga itsy. i tif: Jokoina, ajoko, voajoko / manjoko, fanjoko, mpanjoko / anjokoana, fanjokoana / mijoko, fijoko, mpijoko I ijokoana, fijokoana / mahajoko I jokojoko. - F.-p.: Joko tsoriaka maha sambo-kary: enti-milaza olona jerena toa bonaika menamenatra, miondrikondrika, nefa hay rehefa mihetsika mahavita zava-dratsy. * Ohab.: Aleo joko mihasolanga toy izay solanga mihajoko: tsaratsara kokoa raha avy amin'ny toerana ambany no misondrotra noho ny raha avy amin'ny toerana ambony no mietry. Ahitsio
jokoiko:(ftt : joko) tsiriahana tampoka. oh : jokoiko eo io raha vao resin-tory eo! Ahitsio
Jokoina: (joko) mt. ih. (jokoy): Hatonina moramora mba tsy ho taitra ka ny tena amin' izany miondrikondrika, mivokoka:' Nojokoinay ilay mpangalatra ka azo. ~ Tilina, tsikiloina, arahi-maso: Nasain'i Dada nojokoiko iny olona iny sao mangalatra. • Angalarina, alaina an-tsokosoko: Nojokoin'ny sasany teto ny solomasoko. Ahitsio
Jolay: (angl. july) a: Anaran' ny volana fahafito amin'ny taona, misy andro 31. Ahitsio
Jolo: a,: Ilay mandroso main' ny kasikety mba hiaro ny maso na ny handrina amin' ny masoandro; izay rehetra mandroso amin'ny tenan-javatra iray, na lakana na samba., ets... i tif: Ajolo J mijolo,fijo-Io J jolojolo. Ahitsio
Jolohana: (joloka) mt, pdr, (jolohy): Ampidirana zavatra ao anatiny: Nojolohana hazo ny lava-kombarika. Ahitsio
Joloka: a: Fampidirana ny 10-ha na ny tanana ao anaty toerana iray avy amin'ny lavaka na loaka iray. 6 tif: Jolohana, ajoloka, voajoloka, tafajoloka I manjoloka, fanjoloka, mpanjoloka 1 anjolohana, fanjolohana I mijoloka, fijoloka, mpijoloka I ijolohana, fijolohana I mahajoloka I jolojoloka. Ahitsio
Jolonjolona: a.: Fidirana misosososb avy hatrany, fanatonana tsy mahazo lalana, tsy mahalala menatra - t.i.f: Jolonjolonina, jolonjolonana, ajolonjolona, tafajolonjolona I mijolonjolona, fijolonjolona / ijolonjolonana, fijolonjolonana I mahajolonjolona. Ahitsio
jomaka:fiteny ilazana jiolahim-boto. oh: izaho aza mba anaovana fitenin-jomaka. Ahitsio
Jombona: ft: Niavian'ny i tif: Manjombona, fanjombona. Ahitsio