Litera j

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Jedana: ft.: Famonoana ho faty tsy tra-drano. - t.i.f.: Ajedana, voajedana / manjedana, manajedana, fanjedana, fanajedana j anjedanana, fanjedanana / mahajedana 1 jedanjedana. Ahitsio
Jefa: Jefajefa a.: Fihetsiketsehana, fitambolimbolin'ny lelafo manao rehi-be. - t.i.f.: Ajejajeja, jejajejaina / mijejajeja, fijejajeja, mpijejajeja I ijejajejana, fijejajejana / mahajejajeja. Ahitsio
Jefy: Jefijefy p. t.: Mipelipelika noho ny hajejoana, fatra-panao fihetsehana tsy dia maotina loatra, mba hirehan'ny mason'ny olona any amin'ny tena. 1 t, f f.: Tafajefijefy j mijefijefy, fijefijef y, mpijefijefy j ijefijefena, fijefijefena f mahajefijefy. Ahitsio
Jeho: Jehojeho a.: Fandeha miadana toy ny mivesatra entana na marary. - t.i.f: Ajehojeho, tafajehojeho / mijehojeho, fijehojeho, mpijehojeho / ijehojehoaria, fijehojehoana I mahajehojeho. Ahitsio
Jehoa: Aretin'omby. Ahitsio
Jeja: a.: Rehi-be ahitana fitroatran 'ny lelafo miredareda toy ny raha ohatra ka tsipazana solitany na lasantsy. Ahitsio
Jejaka: a.: Firehetam-be sady haingana, dedadeda. 1 t.i.f.: Mijejaka, fijejaka. Ahitsio
Jejana: (jeja) mt. ih, (jejao): Arehitra atao miredareda, milelalela, Ahitsio
Jejilava: (souaheli: dzedzy) a.: Tahon-kazo marotsaka sahabo ho 2 metatra asiana tadiny mihenjana toy ny tsipika, ka voatavo maina no afatotra eo akaikin'ny tendrony ambany; somary sarotsarotra ihany ny fampiasa azy: ny tanana havia no mihazona azy mijoro mahitsy, ka ilay voatavo dia aankina amin'ny kibo na somary ahataka kely mba hampigobona kokoa ny feony; ny fanondro havia amin'izay atehika amin'ny tadiny raha tiana hiakatra kely ny feony; ny tanana hava-nana kosa mipaika ny tadiny amin'ny tsora-kazo kely sady misy korintsana fihinin'ny ankibikely. Ahitsio
Jejo: Jejojejop.t.: Fatra-panao fihetsehana tsy maotina hanintona ny mason'ny olona langa hijery azy: Vehivavy jejo tsy m isy toa azy Ikala anona iny. 1 h,i.: Pelipelika, tia haingo fatratra, kasikasy, maivan-doha: Jejo er? i Saholy amin'iny akanjo vaony in y. - t.i.f.: Mijejojejo, fijejojejo, mpijejojejo j ijejojejoana, fijejojejoana / mahajejojejo 1 hajejo, fahajejo, hajejoana, fahajejoana. ¶ M.h.: Jifa, pilaka, jefy, jefitra, jila, tefitra, langa, maola, malanga. Ahitsio
Jejy: (souaheti dzedzy) a.: Zavamaneno misy tadiny roa ka hatramin'ny enina, kitihina mitovitovy amin'ny gitara, henjanin'ny tohan-kazo vita sokitra, ary voatavo siny izay mifatotra eo akaikin'ny tendrony ilany no manamafy ny feony. Mikarantsana somary kentsona ny feon'ny jejy — tsy itovizany amin' ireo zavamaneno misy tadiny; aankina amin'ny traira na ny kibo ilay voatavo siny fanamafisam-peo no mahatonga izay feo anankiroa samy hafa izay; miova araka ny faritany ny anarany: Jejo na zezo (Antandroy ary ny faritany atsimo rehetra), Jenjy (Betsimisaraka sy farita ny atsinanana), Lokanga voatavo na jejy voatavo (Imerina sy Betsileo). 1 t. t f.: Mijejijejy, fijejijejy. Ahitsio
Jelaka: Jelatra a.: Hazavana kely miserana, tselatr'afo mandeha haingana. - t.i.f.: Manjelatra, fanjelatra, mpanjelatra j anjelarana, fanjelarana j jelajelatra. Ahitsio
Jembena: (jemby) p.t.: Maizina dia maizina. Ahitsio
Jemby: p.t.: Enti-milaza olona izay tsy mahita tsara ny masony fa safotry ny vovoka na ny setroka na ny hatezerana, vizana ny maso ka tsy mahita tsara, badenina, manjambenai Jembena j jembijemby / manjembijemby, fanjembinjemby, mpanjembijemby j mahajemby. ¶ M.h.: Jambena, jenjina, badenina, farina, safotra, tsy mahita izay ambonin'ny tany, tsy mahita ny atsimo sy avaratra, voan'ny tamberintany, mantsafofoka. Ahitsio
Jeneraly: (fr. général) a,: Manamboninahitra ambony indrindra amin'ny tafika an-tanety sy ana habakabaka ka kintana roa ka hatramin'ny dimy no manamarika ny galonany. Ahitsio
Jenitra: p.t.: Manao fihetsehana tsy miherika na mitodika fa mijaridina mitihintihina, mihaminkamina ery; tsy manao fihetsehana firy ao anatin'ny haingo anaovana: Jenitra ery ISambilo nanao ilay akanjo didimananjara vao nozairina. Ahitsio
Jenjena: jer. Zenjena. Ahitsio
Jenjenana: (jenjina) mt ih. (jenjeno): Atao izay hahafanina, hahajemby azy. Ahitsio
Jenjina: p. t.: Ohatra ny voakapoka mafy ka fanina, mila ho safotra, tsy mahita izay ambonin'ny tany: Nianjeran' ny taila ny lohany ka jenjina izy. - t.i.f.: Jenjenana, voajenjina f manjenjina, fanjenjina, mpanjenjina I hajenjina, fahajenjina / anjenjenana. fanjenjenana 1 mahajenjina j fahajenjenana / jenjinjenjina. Ahitsio
Jeografia: (fr. géographie) a.: Sampam-pahalalana ianarana ny momba ny tany. Misy karazany efatra lehibe ny jeografia: ny mandinika momba ny toetoetra amambikan'ny vohon'ny tany deografia fizika), ny mandinika momba ny fari-ponenan'ny olombelona, ny fitsinjarany araka ny volon-kodiny deografia mifandray amin'ny olombelona), ny mandinika momba ny vokatry ny tany (jeografia ara•pamokarana), ny mandinika momba ny fitondram-panjakana sy ny fifampikasohan'ny firenena samihafa (jeografia politika). Ahitsio