Konkina | : | Jer. Kainkona.
Ahitsio |
Konklavy | : | (fr. conclave) a: (Fiv. kat.) Fivorian'ny Kardinaly mifidy izay ho Papa.
Ahitsio |
Kononkonona | : | a: Fanafinafenan-javatra any anaty akanjo tsy aseho ny betsaka, na entina ka tsy atao miharihary ny fitondrana azy fa takontakonana. 1 t.if.: Kononkononina, voakono nkonon a 1 manononkonona, fanononkonona, mpanononkononalanononkononana, fanononkononana ( mikononkonona,fikononkonona mpikononkonona 1 ikononkononana, fikononkononana 1 mahakononkonona.
Ahitsio |
Kononkononina | : | (kononkonona) mt.ih. (kononkonony): Afinafenina any anaty akanjo, takontakonana: Nokononkononiny ilay mofo nomeko azy fa natahorany sao rom bahin 'ny namany.
Ahitsio |
Konseritra | : | (fr. concert) a.: Hiran-javamaneno isan-karazany atao indray miaraka; indraindray koa anefa tantara an-dampihazo ataon'ny flangonana protestanta.
Ahitsio |
Konsily | : | (fr, concile) a,: Fivorlam-ben'ny eveka sy mpahay teolojia miaraka amin' ny Papa mandinika momba ny foto-pampianaran'ny eglizy (flv. kat.). Ireto avy ny Konsily lehibe faramparany: ny konsily tany Trente (1545-1563), izay nanorltra ny fihavaozan'ny eglizy romanina ankapobe manoloana ny protestantisma, ny konsily Vatikana I (1870), izay nanapaka fa tsy mety diso ny Papa raha mamplanatra momba ny flnoana, ary ny konsily Vatikana II (1962.-1965), izay nanapaka ny famplanaran'ny egllzy manoloana ny toe-tsaina amampandrosoana maoderina.
Ahitsio |
Kontinenta | : | (fc continent) a.: Tany lehibe midadasika voafaritry ny ranomasim-be: Misy dimy ny kontinenta, dia i Afrika, i Amerika, i Aostralia, i Az ia ary i Eoropa.
Ahitsio |
Kopa | : | (Tsm) a : Alika be ravintsofina mikopakopaka manarona ny masony.
Ahitsio |
Kopahina | : | (kopaka) mt ih. (kopahy): Roahina amin'ny fanetsiketsehana zavatra eo akazky: Kopahy ny lalitra fa manorisory. ~ Asiana na o-mena rivotra amin'ny fanetsiketsehana zavatra eo akaiky: Kopahy ny marary fa sempotra / Kopahina ny afo raha tiana hirehitra ? Hofokofohina: Kopahin'ny akoho ny laoenona ka manditsoka ~ Antsoina amin'ny fanofahofana (lamba); hofana: Kopahy lamba izy hanatona at?.
Ahitsio |
Kopaka | : | a: Fihefahefan'ny zavatra; fanetsiketsehan'ny vorona ny elany rehefamanidina; fivoha sy fihidin'ny varavarana; fihetsiketsiky ny ravina tsofin'ny rivotra; laffny mihodina amin'ny varavarana: Misy kopa-droa ny oaravaranay. - t.i.f.: Kopahina, akopaka, voakopaka, tafakopaka 1 mikopaka, fikopaka, mpikopaka 1 ikopahana, fikopahana 1 mahakopaka / kopakopaka. - F.-p.: Kopa-damba: hofa lamba iantsoana olona hanatona. / Kopa-droa: enti-milaza varavarana iray izay misy lelany roamipetaka amin' ny tolàna havia sy havanana. / Kopaka isasahana: enti-milaza firaisan-tetika hanao ratsy ka ny vokatra azo amin'izany ifampizarana. 1 Kopa-tsofina: ny soüm-biby miraviravy sady lehibe.
Ahitsio |
Kopala | : | a: Karazan-daka ka ny vohon-tongotra no entina mamely. - F-p.: Kopala manatn'ka: amin'io kopala io dia ny ranjon'ilay olona an-daniny na ny lohaliny na ny kibony, no asana amin'ny vohon-tongotra.
Ahitsio |
Kopapaka | : | Mitouy amin'ny Korapaka.
Ahitsio |
Kopapapapa | : | a: Fihetsikamska sady tsy voatandrina no-ho ny fahatairana na ny fihetseham-po mafy tampoka: Naratra rainy ka nikopapapapa er? izy mianadahy.
Ahitsio |
Kopay | : | a.: Anaran'olona voalaza matetika amin'ny angano. ? F-p.: Kopay lava nono: enti-milaza vehivavy lava nono mihoa-pampana.
Ahitsio |
Kopetaka | : | p. t.: Enti-milaza tongotra fisaka mitapelaka be. - t.i.f.: Mikopetaka.
Ahitsio |
Kopia | : | (fr., copie) a.: Dikan-javatra mitovy vita amin'ny taratasy hafa; dika soratra. t.i.f : Kopiazina, voakopia / mikopia, fikopia, mpikopia 1 ikopiazana, fikopiazana 1 mahakopia.
Ahitsio |
Kopiapia | : | a: Tehezan-kavoana mandry soroka kely solampilampy.
Ahitsio |
Kopiazina | : | (kopia) mt.ih. (kopiazo): Adika na alain-tahaka mitovy tsara amin'ny taratasy hafa: Kopiazo ireo teny ao amin'ny fonon'ny bokinareo.
Ahitsio |
Kopikopy | : | (fr. coupe-coupe) a: Antsy lava sady lehibe fijinjana tsora-kazo na volotsangana.
Ahitsio |
Kopilapila | : | na Kopilapilaka a: Fandeha mivilambilana sy mitsivaka, famindra tsy mahitsy sy mivilavila. • h. i: Fihetska mampiseho hajejoan a eny am-pamindrana. 6 t.if.: Mikopilapila,fikopilapila, mpikopilapila / ikopilapilana, fikopilapilana.
Ahitsio |