Litera k

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Kopohina: (kopoka) mt, ih. (kopohy): Hetsiketsehina: Nokopohin'Ike taka ny laueno na ka maty ny afo. Ahitsio
Kopoka: a: Fihetsika sy fikofohan'ny olona voafatotra na voabeda mba hahafaka azy, - t.i.f: Kopohina, akopoka, voakopoka, tafakopoka I manakopoka, fanakopoka, mpanakopoka 1 anakopohana, fanakopohana / mikopoka, fikopoka, mpikopoka I ikopohana, fikopohana 1 mahakopoka 1 kopokopoka. Ahitsio
Kôpy: (fr. coupe) a.: Zingakely fisotroan-drano. Ahitsio
Korababa: Jer. Kobaba. Korabaka: Jer. Gorabaka. Koradada: Jer. Kodada. Ahitsio
Koradrahina: (koràka) p. t.: Enti-milaza ny olona imenomenonana, ikiakiavana. Ahitsio
Koraika: a: Zana-balala vao ara elatra. b: tsimbotry Ahitsio
Koràka: a: Feon'ny biby resy na voakenda. i t.if.: Akoràka, tafakoràka / mikoràka, fikoràka, mpikoràka / ikorahana, fikorahana 1 mahakoràka 1 koradràka I koradrahina. Ahitsio
Korampa: a: Fihasimbam-pitenenana ny hoe Gorampa. Ahitsio
Korâna: a: Resaka falifaly ataon'ny mpiray tampo na ny mpisakaiza: Korana sy hehy no nandaniana ny andro. ~ h. i.: Fiaraha-lnifaly, fiarahamilalao: Ny any aminay dia feno korana lalandaua - t.i.f.: Koranina, akorana, tafakorana 1 mikorana, mpikorana 1 ikoranana, fikoranana 1 mahakorana I korandrana. Ahitsio
Korandendy: na Korondendy a sady p. t.: Fisafotofotoana tsy misy filaminana, fitenitenenana kitoatota, misafotofoto tsy milamina. i t.if: Akorandendy, tatakorandendy 1 mikorandendy, fikorandend y, mpikorandendy I ikorandendena, fikorandendena 1 mahakorandendy. ¶ M.h.: Maloto, misotisoty, misolitika, misolitiditika tsy mahadio tena, voretra, mikesonkesona, mifotafota. Ahitsio
Koranina: (korana) mt. ih, (korany na korano): Resahina amim-pifalifaliana: Zava-dehibe no nokoranina. Ahitsio
Korantimavo: a na p. L: Vola sandoka, vola ratsy (ny ivelany volafotsy fa ny atiny varahina). Ahitsio
Koraonina: (fr. couronne) a: Fehezam-boninkazo vita boribory na faribolana, atao ho fanomezam-boninahitra ny matsy. Ahitsio
Korapahina: (korapaka) mtih. (korapaho): Atao faingandoatra, rotorotoina: Matetika tsy vanna ny raharaha korapahina. • Ampitahorina: Nahoana no korapahinao toy izao ny akohonay. Ahitsio
Korapaka: a.: Fahadodonana noho ny fahamaikana, fisahotahana noho ny hatairana ka tsy mahatandrina ny fihetsiky ny tena. - t.i.f.: Korapahina, akorapaka, voakorapaka,tafakorapaka / manakorapaka, fanakorapaka, mpanakorapaka / anakorapahana, fanakorapahana I mikorapaka,fikorapaka, mpikorapakalikorapahana, fikorapahana I mahakorapaka / korapadrapaka. Ahitsio
Koraraika: a.: Feon'ny akohovavy mikotrika voakotaba eo amin'ny fikotrehany. i tif : Akoraraika I mikora• raika, fikoraraika, mpikoraraika / ikoraraihana, fikoraraihana / mahakoraraika. Ahitsio
Korataba: na Kotaba a: Antsoantso mafy miharo dondôna sy paipaika ka mahatonga feo tsy ifandrenesana: Inona ihany izao kotaba be izao, rankizy? - t.i.f.: Koratabaina, akorataba, voakorataba I manakorataba, fanakorataba, mpanakorataba 1 anakoratabana, fanakoratabana / mikorataba, fikorataba, mpikorataba / ikoratabana, fikoratabana I mahakorataba. Ahitsio
Koratabaina: (korataba) mt ih. (korata bac) : Jer. Kotabaina Ahitsio
Koratata: a.: Feo mafy toa mitap atapaka ne fa maharitra tahaka ny feon'ny tongo-tsoavaly mandeha amin'ny arabe vato na ny feon'ny basimarovava mitatatata. Ahitsio
Koreanina: (fr. coréen) a: Firenena any amin'ny tany saikanosy avaratra atsinanan'i Azia: Betsaka kokoa ny Koreanina atsimo noho ny auaratra. • p. t.: Momba an'i Korea, an'i Korea na avy any Korea: I Seoly no reniuoh6 tra koreanina atsimo. Ahitsio