Litera k

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Kosa: p. mt.: Teny kely entina: 1) Manavaka: Ny androngo mandeha tongotra efatra, ny bibilava kosa mikisaka 2) Milaza hoe: i°etsy an-daniny": Ny ato mpianatra sary, ny atsy kosa mpianatra mozika 3) Mampifanohitra zavatra na asa roa: Ny fahaualo mitady hanimba anao, fa ny sakaiza kosa mitady hanasoa (tsy fiteny ny hoe: fa kosa ny sakaiza...). Ahitsio
Kosàke: (Ski) a: Fisasasasan' ny onjan- dranom asin a m araina raha tony ny andro. Ahitsio
Kosehina: (kosika) mt ih. (koseho): Faohina mafy, dilorina: Efa nokosehiko tamin' ny vorodamba ny gorodona fa tsy mety madio. •Kikisana: Koseho amin'ny antsipika ny ranomainty amin'ny latabatra Ahitsio
Koserina: (kositra) mt ih. (kosero): Dilorina (enti-milaza ny hazo izay kosikosehina amin'ny hazo iray hafa mba hahazoana afo). Ahitsio
Kosesy: p.t.: Atao na lazaina tsisy fiatoana, haingana tsy an-kijanona; miverina matetika, mitohitohy tsy mijanona. i kif: Akosesy, voakosesy, tafakosesy 1 manakosesy, fanakosesy, mpanakosesy / anakosesena, fanakosesena 1 mikosesy, fikosesy, mpikosesy I ikosesena, fikosesena / mahakosesy / kosesisesy. Ahitsio
Kosika: a: Fikikisana; famaohan-javatra mafy mba hialan' ny loto; kosoka. - t.i.f.: Kosehina, voakosika 1 mikosika, fikosika, mpikosika / ikosehana, fikosehana I mahakosika 1 kosikosika. Ahitsio
Kosina: a: Fitavonana na fihosenana; fiforetahana amin'ny loto; fiarahana, fifankazarana amin'olona tsy mitovy saranga amin'ny tena. 1 t.if.: Akosina, voakosina, tafakosina 1 manakosina, fanakosina, mpanakosina 1 anakosehana, fanakosehana 1 mikosina, fikosina, mpikosina 1 ikosenana, fikosenana / mahakosina 1 kosinkosina. Ahitsio
Kositra: a.: Fandilorana hazo kely lava eo ambonin'ny hazo iray hafa mba hahazoana afo. 6 kif: Kosirina, akositra, voakositra I manakositra, fanakositra, mpanakositra 1 anakoserana, fanakoserana 1 mahakositra 1 kosikositra. Ahitsio
Kosohina: (kosoka) mt ih. (kosohy): Kasokasohina mafy hialan'ny loto: Kosohy savony tsara ny lamba ~ Torotomina: Kosohy it? sira Ahitsio
Kosoka: a: Fanalana loto amin' ny zavatra iray amin'ny fampandalovana mafy ary matetika borosy na zavatra hafa na ny tanana eo ambony. - t.i.f.: Kosohina, akosoka, voakosoka, kinosoka I manakosoka, fanakosoka, mpanakosoka / anakosohana, fanakosohana / mikosoka, fikosoka, mpikosoka / ikoaohana, fikosohana 1 mahakosoka I kosokosoka. Ahitsio
Kosometa: p. t.: Malot(); tsy misy vidiny; kitoatoa. Ahitsio
Kota: Jer. Kotaka. Ahitsio
Kotaba: a.: Jer. Korataba. - t.i.f.: Kotabaina, voakotaba 1 manakotaba, fanakotaba, mpanakotaba / anakotabana, fanakotabana 1 mikotaba, fikotaba, mpikotaba I ikotabana, fikotabana 1 mahakotaba. Ahitsio
Kotabaina: (kotaba) mk ih. (kotabao): Tsy avala hilamina na hiasa fa anaovana tabataba; helingelenina: Axa kotabaina raibenareo, rankizy, fa miasa Ahitsio
Kotaka: na Kotakotaka na Rotaka ci.: Tabataba; fikotankotana; fikorontanana, fikomiana. Ahitsio
Kotana: a.: Korontandrontana misy fikomiana na ady, fifandirana sy fifanoherana, tabataba. - t.i.f.: Kotanina, akotana, voakotana, tafakotana 1 manakotana, fanakotana, mpanakotana I anakotanana, fanakotanana 1 mikotana, fikotana, mpikotana 1 ikotanana, fikotanana / mahakotana I kotankotana. Ahitsio
Kotanina: (kotana) mt. ih. (kotano): Kotabaina, korontanina: Aza kotanina ny ankizy matory, Ahitsio
Kotika: (Ski) ci.: Hazo misy tsilony; fanao fanafody fampivalanana ny fakany. Ahitsio
Kotika: a: Karazam-borona. Ahitsio
Kotika: na Kotikotika p. t.: Ro-vitra sy potipotika, simba sr misafotofoto. ¶ M. h.: Rotika. - t.i.f.: Kotikotehhra, voakotikotika 1 manakotikotika, fanakotikotika, mpanakotikotika l anakotikotehana, fanakotikotehana 1 mikotikotika, fikotikotika, mpikotikotika 1 ikotikotehana, fikotikotehana I mahakotikotika. Ahitsio