Litera k

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Kotikotehina: (kotikotika) mt. ih. (kotikoteho): Rovitina sady potipotehina, rotehina: Nahoana no kotikotehinao ny bokiko? Ahitsio
Koto: a: Anarana iantsoana zazalahy kely (mitovy amin'ny "bozy" ho an'ny zazavavy kely ). Ahitsio
Kotofahana: a.: Mitovy amin' ny Akotifahana. Ahitsio
Kotofotsy: a: Atin'ny vatankazo izay atao hoe koa Tapotsiny. Ahitsio
Kotokelimiadilaona: a.: Antokon-kintana efatra somary andrefana kelin'ny vahindanitra, izay mamiratra tsara manaitra ny maso. Ahitsio
Kotolahy: a: Karazam-borona. Ahitsio
Kotomena: a.: Karazan'ahitra fianakaviamben'ny fandrotrarana (Andropogon). Ahitsio
Kotona: a.: Hazo maina na volotsangana norarina mba hipetrahan'ny tafo tamin'ny trano malagasy fahiny. 1 h. i.: Toetran'ny zavatra mikotona tsara sy mifanety, mifanizina fatratra. - t.i.f•: Tafakotona 1 mikotons, fikotona, mpikotona 1 ikotonana, fikotonana. Ahitsio
Kotopia: a: Karavasy fikapohana. Ahitsio
Kotoratsy: a.: Karazam-bibikely. Ahitsio
Kotosambatra: (fr. pot de chambre) a:Tavy, tavindrano fivoahana (indrindra ao an-trano amin'ny alina). Ahitsio
Kototany: a.: (ny teny hoe tokotany ihany, saingy nisy vadipeo na fifamadiham-baninteny) Ny tany manodidina ny trano: Andeha milalao eny an-kototany amin'izay ny ankizy — amin'io hevitra io dia mitovy fampiasa tsy misy valaka ny kototany sy ny tokotany, fa amin'ny h.o. kosa dia ny kototany no fampiasa matetika ka entina hilazana: 1) Ny fitambaranjavatra na vola misy na miasa: Kototanim-barotra, kototanin-karena. 2) Faritra tratra: Kototanim-pahaizana 3) Ambangovangony, fisehoana ankapobeny: Kototanin-tarehy. * F.-p.: Kototanim-pilana: ny fototry ny fahazoam-bola na ny asa atao ahazoampivelomana. / Kototanin-dresaka: ny votoatin'ny resaka na dinika. / Ny kototaniny: ny tena antony, ny fototra lehibe amin'ny zavatra. / Kototanin-tsaina: ny toetoetran'ny hevitra amam-pisainana amin'ny ankapobeny. Ahitsio
Kotra: a : Tany fambolena lany tsiro noho ny tsy fiovaovan' ny voly natao teo aminy. / p.t: Ela nanaovana: Tany efa kotra i t. f. f.: Kotraina / manakotra, fanakotra, mpanakotra 1 anakotranana, fanakotranana 1 mifanakotra 1 mahakotra 1 kotrakotra. Ahitsio
Kotra: a.: Kitapo misy entana fentina mandeha (mazàna no hoditra ny kotra, nefa azo a naovana kotra koa rehefa mety ho zavatra mafimafy fanao kitapo). * F.-p.: Ko-drazana; kotran' ny razana: a) zavatramaintimolaly avy amin'ny razana; b) harena tsy navelan'ny razana hozaraina (lovabe); d) tombontsoa fahazon'ny razana teo aloha ka lovan'ny taranaka mifandimby, toy ny "tsy hani-maty momba", "tsy maty manota"... Ahitsio
Kotra: a: Volotsangana vaventy toy ny valiha no mitambatra maromaro mihantona rehefa nolavahana, asiana hazo tsivalana toy ny fefiny eo antenatenany ary misy tady lava mifatotra eo amin'ny fihantonany mba hahatonga ire o volotsangana hikotrana rehefa sintonina ilay tady: mifampiankapoka amin'ilay tsivalan-kazo ny vatany ka mamoaka feo mipoapoaka. Ahitsio
Kotraina: (kotra) mt. ih. (kotrao): Lanina tsiro (ny tany volena zavatra iray ihany isan-taona). / Tsy ampiasaina intsony fa efa tonta Ahitsio
Kotrakotra: p. t.: Efa ela nanaovana na niasana ka simbasimba be ihany: Fiarakodia efa kotrakotra iny no naka ny entany teto. Ahitsio
Kotrakotrahina: (kotrakotraka) mt. ih. (kotrakotrahy): Ampangotrahina, amp an devezina. Ahitsio
Kotrakotraka: a: Ny feo na ny fiboiboikan'ny nahandro eo amin'ny fangotrahany. - t.i.f.: Kotrakotrahina, voakotrakotraka 1 mikotrakotraka 1 ikotrakotrahana, fikotrakotrahana. Ahitsio
Kotrana: a: Feo avy amin'ny zavatra maro eo am-pihetsehana. / Korontana, ady, fifandirana, tsy fifanarahana. i t.ff.: Kotranina, akotrana, voakotrana, tafakotrana l ma-n akotran a, fanakotrana, mpanakotrana 1 anakotranana, fanakotranana I mikotrana, fikotrana, mpikotrana 1 ikotranana, fikotranana 1 mahakotrana / kotrankotrana. Ahitsio