Litera k

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Kotsa: p. t.: Lena tanteraka toy ny voalavo tao anaty rano, vonto: Kotsan'ny ranonorana izy omaly ka nanavy. - t.i.f.: Kotsaina na kotsana, akotsa, voakotsa, kinotsa 1 manakotsa, fanakotaa, mpa• nakotsa 1 anakotsana, fanakotsana 1 mahakotsa 1 kotsakotsa. Ahitsio
Kotsaba: a.: Feo re rehefa mamindra ao anaty rano marivo na hotsaka ny tongotra ka heno mitsapatsapaka isaky ny mandroso. - t.i.f.: Kotsabaina, akotsaba, voakotsaba, tafakotsaba I mikotsaba, fikotsaba, mpikotsaba / ikotsabana, fikotsabana I mahakotsaba 1 kotsabatsaba. Ahitsio
Kotsabaina: (kotsaba) mt. ih. (kotsabao): Enti-milaza ny rano itsapahan'ny tongotra ka mamoaka feo manokana. Ahitsio
Kotsabaina: (kotsaba) mt. ih. (kotsabao): Enti-milaza ny rano voakoban'ny tongotra: Nokotsabain'ny ankizy ny rano ha aiza no hisy trondro hihinana eo? Ahitsio
Kotsana: Kotsaina (kotsa) mt. ih. (kotsao): Lemana atao vonto, izany hoe tafiditry ny rano ny hoditra na votoatin' ny zavatra: Nokotsain'ny zanakao mihitsy ny zanako ka atahorako sao harary. Ahitsio
Kotsetsa: p.t.: Basivava, mpitsaontsaom-bava, be taria sy mipentsompentsona mandrakariva tsy misy handatsahan' ny sasany. - t.i.f.: Akotsetsa / mikotsetsa, fikotsetsa, mpikotsetsa 1 ikotsetsana, fikotsetsana 1 mahakotsetsa I kotsetsatsetsa. 1 M. h.: Mpitaria, mpivatsavatsa, mpitafa, maro vava, be karajia, tsaontsaom-bava, be kamentsona, mpikamentsona, mpipentsompentsona. Ahitsio
Kotsetsotsetso: p.t.: Basivava mivatsavatsa tsy mahalala fomba fa mitsatsaingoka befahatany. ~ Enti-milaza olona mamindra manao dingampohy ary matetika kely. t.i.f.: Mikotsetsotsetso. Ahitsio
Kotso: (Ski) na Damba (Mer)a.: Karazan-trondro misoratsoratra volombatolalaka raha mbola kely, ary mena saika mivaivay rehefa lehibe; halavany 35 sm (Paretroplus petiti). Ahitsio
Kotsokotsohana: (kotsokotsoka) mt ih. (kotsokotsohy): He tsiketsehin a. Ahitsio
Kotsokotsoka: a: Enti-milaza Ko1 fihetsehana sy feon'ny tavoka miditra sy mivoaka. - t.i.f.: Kotsokotsohana, akotsokotsoka, voakotsokotsoka 1 manotsokotsoka, fanotsokotsoka 1 anotsokotsohana, fanotsokotsohana. Ahitsio
Kotsovato: (Ski) a.: Karazana kotso saingy matromatroka manopy manja ny volony a ry kelikely ny lavany: izany no nanaovana azy hoe "vato" (tsy mitombo);halavany 22 sm (Paretroplus kieneri). Ahitsio
Kovabe: a : Karazana tsotsbka. Ahitsio
Kovaingoa: Karazan'ampanga fihinana ny vodiny. Ahitsio
Kovalivaly: a: Fan dehanana mafy midina, kodingidingy. Ahitsio
Kovavy: p. t.: Vavivavy toetra, na amin'ny fihetsika na a min'ny fiteny. - t.i.f: Akovavy 1 mikovavy, fikovavy, mpikovavy 1 ikovaviana, fikovaviana 1 mahakovavy. Ahitsio
Koviaviaka: a: Teny ilazana ny feon-tsoavaly. 1 t.i.f: Mikoviaviaka. Ahitsio
Kovika: (Ats) a: Karazan-kazo mitovy amin'ny hintsy izay ahazoana hazo vony antitra tsara tarehy fanaovam-p ana-ka. Ahitsio
Kovika: p.t.: Baraingo, bingo, miforitra. Ahitsio
Kovilavila: p.t.: Vilana be ihany, tailana. / Tsy mahitsy famindra, mivembena. - t.i.f.: Kovilavilaina, akovilavila, tafakovilavila / manakovilavila, fanakovilavila, mpanakovilavila / anakovilavilana, fanakovilavilana / mikovilavila, fikovilavila, mpikovilavila / ikovilavilana, fikovilavilana / mahakovilavila. Ahitsio
Kovilavilaina: (kovilaoila) mt. ih. (kovilauilao): Atao vilana be ihany: Nokouilauilain'ny mpandrafitra ny uarauarankeliko, 1 Aforiporitra, fozafozaina: Aza kouilauilainao toy izao it? akanjoko, ry Ketaka a! Ahitsio