Litera k

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Koy: ft.: Fiaikena fa tsy mahomby na resy. - t.i.f.: Mikoy, fikoy, mpikoy I ikoizana, fikoizana. Ahitsio
Krismasy: a: Fety lehibe ho an'ny kristianina, natao ho fahatsiarovana ny nahaterahan'i Kristy, ary naraildtra ho amin'ny faha-25 n'ny volana Desambra. ¶ M.h.: Noely. Ahitsio
Kristaly: (fr. cristal) a.: Vato tantera-pahazavana sady mafy, velon-joro maromaro toa manara-dalàna jeometrika. ~ 1 Vera vita amin'io vato io, mangasohaso ary mamoaka feo mikarantsana raha voapaika kely. Ahitsio
Kristianina: (fr. chrétien) a. sady p. t.: Enti-milaza olona manaraka ny fivavahana naorin'i Kristy ka vita batemy. • F.-p.: Kristianina alahady fa rnangalatra akoho alatsinainy: enti-milaza ny olona mpihatsaravelatsihy izay miseho ho mpivavaka ivelany fotsiny nefa ny toetrany tsy manjary. Ahitsio
Kristianisma: (fr. christianisme) a.: Ny fivavahana kristianina. Ahitsio