Kabinetra | : | (fr. cabinet) a.: Filan-kevi-pitondrana ao amin' ny minisitera iray na ao amin'ny governemanta: Izy no lehiben'ny kabinetran'ny Minisitra. / Misy fivorian'ny kabinetra anio.
Ahitsio |
Kabinetra | : | (angl. cabinet) a: Fitambaran'ny minisitra ao amin'ny fanjakana iray.
Ahitsio |
Kabiro | : | a.: Zavamaneno tsofina toy ny sodina, natao ta• min'ny hazo nolavahana ka ny sofiny mivelatra eo ambany.
Ahitsio |
Kabo | : | (Ski) a: Anaran-kazandrano misy poizina mahery ny tsilony.
Ahitsio |
Kaboaka | : | Kaboakaty p. t.: Tsy misy voany ao anatiny, poaka aty maivan-tsaina.
Ahitsio |
Kaboka | : | a.: Karazan-kazo madinika antokon'ny "apocynacées", misy ditiny mandoro raha mahakasika ny hoditra, izay maimay sy miempaka mihitsy. Anaran-kafa ilazana ny kaboka eran'ny Nosy: folitra, kangarano, montaka, voakanga.
Ahitsio |
Kaboka | : | a.: Jer. Angongo.
Ahitsio |
Kaboke | : | (Ski) a.: Omby maty anaka, nefa mbola tsy ritra ny rononony.
Ahitsio |
Kaboke | : | (Ski) a: Toton-katsaka maitso andrahoina amin' ny ronono.
Ahitsio |
Kabona | : | a: Karazan'ahitrama rikivy.
Ahitsio |
Kabosa | : | a.: Zavamaneno malagasy mitovitovy amin'ny mandofinina vazaha: hazo na voatavo na hodi-tsokatra ny vatany ary efatra na dimy ny tadiny. Araka ny faritany dia toy izao avy no anarany: Kabosy, Kabaosy, Kabaosa.
Ahitsio |
Kadanà | : | Gadanà (fr. cadenas) a.: Hidim-baravarana tsY mba mipetaka amin'ny varavarana fa azo tsoahina, ka toy izao ny fombafombany: misy vy mifaingoka afaka mikaratoka ar? amin'ny ilan' ny kadanà, ary io vy mifaingoka io izay mitsofoka amin' ny vy boribory roamipetaka amin'ny varavarana sy ny batana no mitana ny varavarana hihidy.
Ahitsio |
Kadene | : | (Ski) a: Vy na tady amin'ny sisin'ny sambo na botry mba hamehezana ny ta din-tsambo.
Ahitsio |
Kadetra | : | a: Ny manamboninahitra tao amin'ny rainiolona.
Ahitsio |
Kadiba | : | a: Fanozonana; ompa sy faniratsirana.
Ahitsio |
Kadina | : | (kady) mt. ih. (kadio): Asiana kady: Nokadiny tsy hidiran'olona ny sahany.
Ahitsio |
Kadò | : | (fr, cadeau) a: Zavatra kely omena olona mba hamalifaliana azy. Fanampiny kely omen'ny mpivarotra ny mpividy amin'ny zavatra vidiny. ¶ M.h,: Falim-po.
Ahitsio |
Kadorika | : | (Ski) a.: Karazan-javamaniry misy vodfny fihinana, malemy ary tsara tsiro, hanina masaka na mania.
Ahitsio |
Kadradraka | : | a.: Karazan-kalalao vaventy.
Ahitsio |
Kady | : | na Kiady a: Hazo lava misy baraka navoromborona natsangana amin'ny tany efa an'ny tena na tiana hofaritana ho an'ny tena, na hiarova na mba tsy hodiavina na hakana an-keriny ny vokatra maniry ao: Tany vita kiady ny ahy io ka tandremo. • A-ro: lanao no kiadinay eto antanàna. - t.i.f.: Kadina, akady, voakady, kinady 1 manakady, fanakady, mpanakady 1 anakadiana, fanakadiana 1 mikady, fikady, mpikady 1 ikadia na, fikadiana / mahakady. - F.•p.: Kiady sy voninahitra: sady mpiaro no rehareha mahatonga hohajaina. J Kiady fa tsy tompon'ny sa-ha: mpiambina, mitovitovy amin'ilay hoe: mpiandry omby volavita: tsy tompony fa mpamerin-doha. ¶ M.h.: Voninahitra, tabiha, rehareha, sangs', endrika, olomanga, avara-pianarana, kintana telonohorefy, vato nasondrotry ny tany, trafo nasondrotry ny nofo, tolà-miadidy, varavara-miandraikitra, voara endriky ny saha, tata mo ravaky ny farihy, kitro j - faharana, vovonana iadian'ny lohany, varivary andrian'ny tafo, felatana-mangaika ny rantsana, trafo lelafin-ko mandina.
Ahitsio |