Katroka | : | p.t.: Fano isa tsara, tsy latsaka na manana amby: Valopolo amby zato ariary katroka tsara no nividianako io akoho io.
Ahitsio |
katry | : | mpamari-toetra, tenin-jatovo, mitovy dika amin'ny mamo Ahitsio |
Katsa | : | a.: Ny atao hoe katsa dia fizarana isa iray amin'ny iray hafa ka tsy misy ambiny ny fizarana.
Ahitsio |
Katsahina | : | (katsaka) mt.ih. (katsaho) : Tadiavina (zavatra ambony na zavatra sarotra azo): Vady hendry katsahina. • Karohina, atao izay hahitana azy: Nokatsahin'ny polisy ilay mpangalatra
Ahitsio |
Katsaka | : | a: Fitadiavana (zavatra ambony na sarotra azo). I t.l.f.: Katsahina, akatsaka, voakatsaka, kinatsaka I mikatsaka, fikatsaka, mpikatsaka 1 ikatsahana, fikatsahana mahakatsaka 1 katsakatsaka 1 mikatsakatsaka, fikatsakatsaka, mpikatsakatsaka / ikatsakatsahana, fikatsakatsahana / mahakatsakatsaka.
Ahitsio |
Katsaka | : | a.: Karazan-javamaniry misy babiny, izany hoe mitangorona amin'ny sampahony maro ny voany madinika izay fihinana tsara rehefa avy nandrahoina. - F.-p.: Katsa-drahana: katsaka andrahoina amin'ny taolany, dia ahahy, ary rehefa mailla, kofoina hiala canin' ny taolany dia tehirizina, ka rehefa hohanina vao totoina sy andrahoina indray. / Manahy katsaka: manahy nify, mivan ika. — ( * Ohab.: Mainka izany raha parasily, ravin-katsaka aza mikasoka: enti-milaza olona be hambo amin'ny zavatra madinika. / Miaramila be nify tsy mandaio katsa-maina: olona tsy mba sarotsarotiny fa vonona ny hanao na hihinana izay azo atao na hanina. I Tsy sasa-poana akory ny katsaka ela nihantonana fa niandry vanin-taon haniriana: ilazana ny olona nahita voka-tsara amin'ny fiandrasana e1a fa tsy mba maimaika nanao zavatra tsy amin'ny fotoanany.
Ahitsio |
Katsakatsa | : | a.: Korintsana vita amin'ny kapoaka na zavatra hafa mitovitovy aminy nasiana vato kely na voa madinika (any amin'ny faritanin'i Toliary no mampiasa azy).
Ahitsio |
Katsakatsadraty | : | a: Raty efa tafasaraka amin'ny akondro.
Ahitsio |
Katsaoka | : | a: Karazan-javamaniry any anaty rano.
Ahitsio |
Katsaoka | : | a.: Ny feo re raha misy zavatra mianjera ao anaty rano na heno amin'ny fialan' ny tongotra avy ao anaty rano na fotaka marihitra. - t.i.f. : Mikatsaoka, fikatsaoka 1 katsaotsaoka.
Ahitsio |
Katso | : | na Katsokatso p.t.: Marani-doha. • Mpitati-teny, mpitati-bolana hampisaraka ny fihavanana. - t.i.f.: Mikatso, mikatsokatso, fikatso, fikatsokatso.
Ahitsio |
Katsoaka | : | a: Karazan'ahitra madini-dravina fa lava sy ma-lama.
Ahitsio |
Katsomandronono | : | a: Karazan' ahitra anaovana fisotro mampandotso ny nonon'ny mpitaiz a kely.
Ahitsio |
Katsomanta | : | (katso) a: Tsilalao misy vy maranitra kely ny lohany. ? (Btm) Tehina lava be marani-doha atao solon-defona.
Ahitsio |
katy | : | antibavy mahia kaozatra (reny katy: kisoa vavy efa antitra ka mahia) Ahitsio |
Kavaly | : | a: Olona mody bado.
Ahitsio |
Kavanana | : | p. t : Fatra-pampiasa ny tanany havanana raha mandray na miasa (mifanohitra: Kavia).
Ahitsio |
Kavia | : | p.t.: Fatra-pampiasa ny tanany havia raha mandray na miasa (mifanohitra: Kavanana). 6 Kaviavia 1 mikaviavia, fikaviavia, mpikaviavia 1 ikaviavianana, fikaviavianana.
Ahitsio |
Kavina | : | a.: Firavaka atevika amin'ny ravin-tsofina ambany. ¶ M.h.: Kiviro. i tif : Kavinana, akavina, voakavina 1 manakavina, fanakavina, mpanakavina 1 anakavinana, fanakavinana 1 mikavina, fikavina, mpikavina 1 ikavinana, fikavinana 1 mahakavina.
Ahitsio |
Kazà | : | a.: Ny rain'ny raibe; ny razana,
Ahitsio |