Litera k

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Kazaha: (Btl sy Br) a.: Mangahazo, ¶ M. h.: Balahazo, mahogo. Ahitsio
Kazakazaka: a: Jer. Hazakaza Ke ka. Ahitsio
Kazana: (t. tr. ) p• t.: Mafy, maozatra. Ahitsio
Kazy: (Ski) a: Zanaky ny jiovaky (karazan a hazandrano ). Ahitsio
Ke:: Kian-teny kely manisika hevitra hoe "marina", "tokoa": Eny ke! / Tsia ke! Ahitsio
Kebaka: p. t: Foana sy kepaka, nana: Kebaka izany ny kibo fa andeha aloha hody. Ahitsio
Kebakebaka: a: Elanelana. - F.-p.: An-kebakebany: anelanelany, tsy an-tany tsy am-parafara, tsy an'ny atsy tsy an'ny aroa. Ahitsio
Kebona: a: Fanetsiketsehana ny rano mba hahatonga azy hamorivory; fomba fakana trondro amin'ny fikapokapohana ny rano; fanatsinkafonana ny efa mandry mba hamporisika, hamoky. - t.i.f.: Kebonina, voakebona 1 manakebona, fanakebona, mpanakebona 1 anakebonana, fanakebonana 1 mahakebona 1 kebonkebona 1 mitsikebona. Ahitsio
Kebona: a.: Anarana niantsoana ny voan-tangena. Ahitsio
Kebonina: (kebona) mt ih. (ka-bon y): Hetsiketsehina; tao-mina, vokisana; hatsina. Ahitsio
Kefika: na Kefikefika a: Jar. Hefikefika. Ahitsio
Kefona: a: Fisondrovohan'ny fofon'afna any an'orona. 1 tif: Akefdna 1 mikefona, fikefona, mpikefona 1 Ikefonana, fikefonana 1 mahakefona 1 kefonkefona. Ahitsio
Kehaka: p. t.: Vita, tanteraka. - F.-p,: Tsy mahakehaka: tsy mahomby, tsy mahateny tsy mahavolana noho ny henatra. Ahitsio
Kehana: na Kehankehana ci.: Fikohafana kely ho mariky ny fanakanana olona mba tsy hanao zavatra iray tsy tsara na tsy tokony hataony, kohona. • h.o.: Fihetsika mi-tory hambo na fihamboana. 1 t. L f.: Mikehana, mikehankehana, fikehana, fikehankehana / ikehankehanana, fikehankehanana / mahakehaka. Ahitsio
Kehina: a: Tomanimany, fikonetahana na fikonainaika mitohitohy. 1 t.if.: Akehina, tafakehina / mikehina, fikehina, mpikehina I ikehenana, fikehenana / mahakehina / kehinkehina. Ahitsio
Kejo: na Kejokejo a.: Kolikoly, ngolingoly. - t.i.f: Kejokejoina, akejokejo, voakejokejo / manejokejo, fanejokejo, mpanejokejo / anejokejoana, fanejokejoana / mahakejokejo. Ahitsio
Kejokejoina: (kejokejo) mt. ih. (kejokejoy): Kolikolena, ngolingolena: Nokejokejoin'ny naman-dratsy izy ka niala tamin'ny raharahany. Ahitsio
Kekitra: Jer. Kaikitra. Ahitsio
Kelihomandra: a: Karazan-javamaniry izay malazaho mahomby amin'ny fampitsaharana ny ra mivoaka amin'ny ratra na ny tahaka izany. (E-thulia conyzoides L.). Ahitsio
Keliladina: a: Karazam-bomanga. Ahitsio