Litera k

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Kentsona: a. sady p.t: Ilazana ny olona izay toa miteny any an'orona, tsy tsara fiteny fa toa misy teritery any an' orony any. - t.i.f•: Kentsonina, akentsona f mikentsona, fikentsona, mpikentsona 1 ikentsonana, fikentsonana / mahakentsona / kentsonkentsona. Ahitsio
Kentsonina: (kentsona) mt. ih. (kentsony): Ovana ho kentsona: Aza kentsonina ny fiteninao fa raha te hiiaza ianao hoe: "manatona an'i Dada aho", dia hanjary hoe "manantona an'i Dada aho". Ahitsio
Keoka: p. L: Tsy feno tsara fa ohatra ny misy nahafahana amin'ny ilany iray; lempona, kemaka, kely andilana. Ahitsio
Keokeohina: (keokeoka) mt. ih. (keokeohy): Kepokepohin'ny nify. Ahitsio
Keokeoka: a: Feo heno amin' ny fikepokepohan'ny nify voankazo mbola manta na taolana malemy. i t.if.: Keokeohina, voakeokeoka 1 maneokeoka / mikeokeoka, fikeokeoka, mpikeokeoka 1 mahakeokeoka. Ahitsio
Kepakepaka: a.: Enti-milaza ny fihetsiketsik'izay rehetra mihofahofa amin'ny ilany iray nefa misy mitana amin'ny ilany hala ixay. - t.i.f : Akepakepaka, voakepakepaka 1 mikapekepaka, fikepakepaka, mpikepakepaka 1 ikepakepahana I mahakepakepaka. Ahitsio
Kepika: na Kepikepika a: Fisaviliviliana, toy ny an'ny kapilim -p am ant aranandro, na ny rambon'omby... 1 t.if.: Akepikepika, voakepikepika 1 mikepikepika, fikepikepika, mpikepikepika / ikepikepehana, fikepikepehana / mahakepikepika. Ahitsio
Kepohina: (kepoka) me ih. (kepohy): Tsakoina ka heno ny feo aterak'izany: Nokepohin'iiay alika ny taolana natsipy ho azy. ? Lanina, hanina: Nokepohiny herintaona monja ny fananam-be nauelan-dray aman-dreniny ho azy. Ahitsio
Kepoka: a: Feo heno amin'ny frtsakoana na fanaikerana zavatra mafimafy; fflrinanana na fandaniana amin'ny tsy antony. - t.i.f.: Kepohina, akepoka, voakepoka, kinepoka 1 mikepoka, fikepoka, mpikepoka 1 ikepohana, fikepohana / mahakepoka 1 kepokepoka / manepokepoka / mike po ke po-ka. Ahitsio
Kepoka: p• t.: Menatra ka tsy mahita holazaina satria vaky ny nafenina: Kepoka tsy nahateny izy nony naseho azy ny porofo rehetra nanameloka azy. Ahitsio
Kepý: (fr. képi) a.: Karazantsatroka mitovitovy amin'ny kasikety. Ahitsio
Kera: sy Kerakera a: Fanasaratsarahana hitokantokana arakarazana; fandantolantoana mba tsy hikambana na hifatratra loatra. i Li f.: Kerakeraina, voakerakera 1 manerakera, fanerakera, mpanerakera 1 anerakerana, fanerakerana 1 mikera 1 mitsikera, mitsikerakera I makera, makerakera. Ahitsio
Kerakeraina: (kera) mt ih. (kerakerao): Saratsarahina: Kerakerao ireo mololo ireo ho maina haingana. 1 Alanto, a-lamina: Nokerakerainy ny taratasy tao anaty vagal fa isY hitany ilay taratasy notadiaviny. 1 Amboarina: Kerakerao ny herana hanaouana tsihy. Ahitsio
Keridebefo: (ft. coeur-deboeuf) a.: Karazan-kazo izay anisan'ny voankazo tsara tai-ro tokoa ny voany. Ahitsio
Kermesy: (fr. kermesse) a.: Lanonambe ankalamanjana ahitana kilalao isan-karazany. Ahitsio
Kesika: (fr. caisse) a.: Anarankazo somary pa-tendro, izay ahazoana hazo fotsy sy maivana ary mora fantsihana ka ampiasaina indrindra amin' ny fitondrana entana amin' ny sambo, masinina, fiarakodia... (Pinus patula, kashya..) Ahitsio
Kesona: a.: Fifangaroana, fisaritaka, fisavorovoro; fahalotoana, fisotisoty; fihosinkosena amin'ny loto. - t.i.f.: Mikesona, fikesona, mpikesona I ikesonana, fika sonana I mahakesona 1 kesonkesona. Ahitsio
Ketaka: a: Anarana entina manondro zazavavy kely: Lasa nianatra Ikoto sy Iketaka Indraindray koa anarana entina miantso zazavavy mba hisolo izay tena anarany raha sendra tsy fantatra na hadino: Ento at? ange io antsy io, ry Ketaka it? a! Ahitsio
Ketaketa: a.: Tomanin-jaza mitomany lava, mifararemo-dava, mikoneta-dava. - t.i.f.: Miketake ta, fike taketa, mpiketaketa / iketaketana, fiketaketana / mahaketaketa. Ahitsio
Ketohina: (ketoka) mt ih. (ketohy): Kekerina mafy, tare-na amin'ny nify na amin'ny tandra: Noketohin'ny salsa ny. tanan'i Koto ka nandeha ra. 1 Tsindronina, atao manaintaina: Noketohin'ny takolapanenitra ny tongotro, / Ketohin'ny hatsiaka Ahitsio